Skip to main content

Nahoana no miady amin'i Satana Andriamanitra?

  

Andriamanitra miady amin'i Satana: ady amin'izao vanim-potoana izao






Nandritra ny vanim-potoana ela niatrehany ady ara-panahy, ny sain’olombelona dia tsy afaka ny hahatakatra mihoatra izay tokony ho takany ihany. Nisy ady lehibe nampifanandrina an’Andriamanitra sy ny fanahy ratsy mahery iray antsoina hoe Satana devoly. Ity ady ity dia nisy fiatraikany mahery vaika teo amin'ny tantaran’ny olombelona (ary mbola mitohy izany ankehitriny.) Fa mba hahatakarana tanteraka ny adin'Andriamanitra amin'i Satana, dia tsy maintsy miverina any amin'ny pejy voalohany amin'ny tantaran'ny olombelona isika.

 

Tamin’ny voalohany dia nahary ny lanitra sy ny tany Andriamanitra. Na dia tsy nomena topimaso kely fotsiny momba an’izao tontolo izao talohan’ny olombelona aza isika, dia milaza amintsika ny Soratra Masina fa nandritra izany fotoana izany i Losifera, iray tamin’ireo anjely ambony nanompo teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, dia nandresy lahatra ny ampahatelon’ny anjely hanaraka azy tamin’ny fikomiana tamin’Andriamanitra ( Isaia 14:12-15 ; Ezekiela 28:13-16 ; Apokalypsy 12:7-9 ).

Toa lasa “tsy nisy endrika sady foana” ilay tany tsara tarehy noforonin’Andriamanitra ( Isaia 45:18 ) noho io ady lehibe io ” ( Genesisy 1:2 ). Noho ny fikomian’i Losifera dia novana ho Satana ny anarany, izay midika hoe “fahavalo”. Nanjary fantatra tamin’ny hoe demonia ireo mpanara-dia azy, izay fantatra koa amin’ny anarana hoe “anjely lavo”.

(Mba hahalalana izay ambaran’ny Baiboly amintsika momba ireo anjely lavo ireo, dia manorata aminay raha mahaliana anao ny lahatsoratra hoe “ Tena Misy ve ny Demonia?”)

Rehefa avy nanamboatra ny tany mba hahavelona ny olombelona Andriamanitra, dia namorona an’i Adama, lehilahy voalohany. I Eva, ilay vehivavy voalohany, dia noforonina fotoana fohy taorian’izay. Ankoatra ny fametrahana azy ireo tao amin’ny Sahan’i Edena, izay ahafahan’izy ireo miaina sy mihamaro, dia nampianarin’Andriamanitra azy ireo ny amin’ny lalan’ny fiainana izay hitondra azy ireo ho any amin’ny fahasambarana sy ny fiainana mandrakizay.

Nomena safidy koa anefa izy mivady na hankatò Ilay Andriamanitra Mpamorona azy, na hifidy ny lalany samy irery. Nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva ny fahafahana voalohany hanjaka rehefa napetrany teo ambanin’ny tongotry ny olombelona ny zava-drehetra, ka nomeny fahefana tamin’ny asan’ny tanan’Andriamanitra izy ( Salamo 8:4-8 ).

Manafika ny olombelona i Satana mpamitaka

Noroahina tetỳ an-tany ny ankamaroan’ny anjely rehefa nikomy tamin’Andriamanitra izy ireo ( Lioka 10:18 ). Tsy nisy afa-tsy vitsivitsy monja sisa ireo anjely afaka niseho teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ( Joba 1:6 ). I Satana sy ny demoniany dia tsy vonona ny hanaiky mora foana ilay ady tamin’Andriamanitra. Tsy ela dia nitondra ny ady tao amin’ny saha Edena i Satana devoly.

Nanomboka te odia nandresy lahatra ny lehilahy voalohany sy ny vadiny i Satana mba tsy hiraharaha ny fampianarana sy ny didin’Andriamanitra. Ilay lainga sy fitaky ny demonia hoe azon’ireo olona voalohany atao ny misafidy ho azy irery izay ataony hoe ny tsara sy ny ratsy tamin’ny alalan’ny fihinanana ny voa tamin’ilay hazo efa nandraran’Andriamanitra azy. Vokatr’izany fanapahan-kevitra mampalahelo izany dia niditra teto amin’izao tontolo izao ny ota ary ny ota na fandikan-dalàna no nahatonga ny fahafatesana teo amin’ny fiainan’ny olombelona. Tapaka tanteraka ny fifandraisan’ny olona tamin'ny fitarihana sy ny fandehanana araka ny fisainan’Andriamanitra nanomboka teo. Fanampin’izany, tapaka koa ny fitahian'Andriamanitra ho an’ny olona nanomboka teo. Tonga voaozona ny tany sy ny olombelona.

Raha hazavaina amin’ny fomba fijerin’ny olombelona, teo dia nanomboka ny fifanandrinana teo amin’ny mazava sy ny aizina, ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny tsy marina. Misy safidy roa nanomboka teo. Nitombo koa ny kolontsaina sy filozofia novolavolaina araka ny fisainana sy fahendren’ny olombelona.

Ny vokatr’izany dia miaina ao anatin’ny tontolo iray izay iatrehantsika fifandonana eo amin’ny soatoavina roa samy hafa isika. Amin’izany, ny fanontaniana matetika dia hoe (1) inona ny fahotana sy ny hoe (2) iza no mitantana ity tany ity. Mandra-pahatongan’ny olombelona hanaiky ny lalàn’Andriamanitra mandrakizay, dia hiady mandrakizay amin’ny filozofian’i Satana izy, izay nampianatra ny olombelona fa afaka manapa-kevitra samirery izay ataony hoe tsara sy ratsy izy.

Raha niresaka momba ny fisafotofotoana naterak’izany fomba fisainana izany, dia hoy ny Isaia 5:20: “Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!” Lasa tsy mahay misaina sy mahalala ny tsara ny olombelona. Tsy hitany intsony ny lalana mankany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana. Ny tantaran'ny olombelona manaraka dia firaketana an-tsoratra ny amin'ireo olona izay miady mafy mba hahazoana ireo zavatra ireo amin'ny fombany manokana.

Nanomboka tao amin’ny olona voalohany niaina tao amin’ny Saha Edena, ary nandritra ny taona maro lasa, dia manjaka izany fitaka izany, ary mbola mitohy nandritra ny taona maro—famitahana izay mbola misy fiantraikany amintsika ankehitriny koa.

Mahafaty ny fitaka ataon’i Satana

Fotoana fohy taorian’ny namoronany azy ireo, Andriamanitra dia nanome toromarika an’i Adama sy Eva mba hijery sy hihaino Azy mba hahazoana fahalalana ny amin’ny izay tsara sy ny ratsy ( Genesisy 2:15-17 ). Nefa avy eo dia tonga i Satana ary nilaza tamin’izy ireo izy fa Andriamanitra dia mpandainga sy mpampahory ( Genesisy 3:4-5 ). Nihaino azy i Eva. Voafitaka i Eva ( 2 Korintiana 11:3 ), ary nihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ary nomeny koa i Adama ( 1 Timoty 2:14 ). Nandresy lahatra ny olombelona i Satana fa tokony hanapa-kevitra ho an’ny tenany ny tsara sy ny ratsy izy mba ho tahaka an’Andriamanitra.

Izany no fitaka lehibe voalohany nataon’i Satana fahavalon’Andriamanitra. Ny mpamitaka sy ny olony dia nitondra haizina sy fampahoriana teo amin’ny olombelona, ary izany no lazainy ho fahazavana sy fahafahana. Vokatry ny safidin’i Adama, dia noroahin’Andriamanitra tao amin’ny Saha Edena ny olombelona. Tapka ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, Ilay hany loharanon’ny fahazavana sy ny fiainana ary ny fahafahana marina.

Tena fitaka lehibe tokoa! Ilay mpitondra aizina sy fahafatesana dia niseho ho toy ny anjelin'ny mazava ary nivarotra ny lainga mahafaty indrindra izay tsy mbola novidin'ny olona hatrizay. Hoy Andriamanitra: “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.” I Satana, raha ny marina, dia nilaza hoe: “Andriamanitra no mahalala kokoa — nefa nandainga taminao Izy.” Nandritra ny taona maro, i Satana sy ny mpanompony dia nanamboatra rafitra isan-karazany mba hanafenana ilay fonosan’ny fahafatesana tranainy iray ihany ho entiny mamely ny olombelona.

Andriamanitra vs. Satana: ny faminaniana ao amin'ny Baiboly naharitra ela indrindra

Vokatry ny fahotan’i Adama, dia nifampiraharaha tamin’ireo tompon’andraikitry ny famitahana tsirairay tao Edena Andriamanitra. Hitantsika ao amin’ny Genesisy 3:15 ny faminaniana tranainy indrindra ao amin’ny Baiboly. Hoy Andriamanitra tamin’ny menarana, Satana devoly: “Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany [Kristy].”

Ny laharan'ny ady nandritra ny an'arivony taona—mandra-pahatongan'ny fiverenan'i Jesosy Kristy sy ny fanesorana ny devoly—dia efa voasoritra mialoha. Hisy fifandrafiana sy ady eo amin’ilay vehivavy (ny Fiangonana marina sy ireo mpanompon’Andriamanitra) sy ny menarana, izay tsy iza akory fa ny tontolon’i Satana. Dia toy izany no nanombohan’ny fisaratsarahana sy fifanandrinana teo amin’ireo izay misafidy ny mazava sy ny fahamarinana ary ireo izay misafidy ny aizina sy ny lainga.

Nanohy ny lahateniny tamin’i Satana Andriamanitra, dia hoy Izy hoe: “Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15)

 Io teny io dia manondro ny zava-misy fa Satana dia hamolavola ny fankahalan’ny mpitondra jiosy an’i Jesosy Kristy, mba hanomboana an’i Kristy amin’ny hazo fijaliana. Izany dia araka izay nolazain’i Kristy tamin’ireo mpitarika fariseo sy mpanora-dalana mpikomy taminy ireo hoe: “Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitœtra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.” [*Na: (mitœtra amin')].” ( Jaona 8:44 ).

Io ady io — ny adin’Andriamanitra sy i Satana — dia nitohy nandritra ny 6 000 taona mahery. Voalaza ao amin’ny 2 Korintiana 4:4 fa i Satana no “andriamanitr’izao tontolo izao”. Ao amin’ny fikasan’Andriamanitra manana fiandrianana, dia navela hampiasa fahefana sy hery lehibe i Satana mandritra ny fotoana maharitra.

Na dia mijanona ho manana fitondran-tena malalaka aza ny olona ary tompon'andraikitra sy mpanapaka amin'ny asany, ny faharatsiana dia tsy avy amin’ny olombelona irery akory. Ny ratsy dia avy amin'ny zava-manan'aina mahery iray izay nanajamba ny sain'ireo izay tsy mbola iasan'Andriamanitra. (Mba hahatakarana hoe nahoana Andriamanitra no tsy mbola miara-miasa amin’ny ankamaroan’izao tontolo izao, dia manorata aminay raha mahaliana anao ilay lahatsoratra hoe “Very Mandrakizay ve ny ankamaroan’ny olona?”)

Iray amin’ireo fisehoana voalohany amin’ny fitaoman’i Satana sy ny faharatsian’izao vanim-potoana izao ny fitaka ara-pivavahana. Fahajambana ara-panahy izy io ary manakona ny mason’ny olona tsy hahalalany ny Filazantsaran’Andriamanitra sy ny amin’ny lalàn’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Miharihary amin’ny andalan-teny maro ao amin’ny Baiboly fa ny Fanjakan’Andriamanitra izay maharitra mandrakizay dia tsy amin’izao vanim-potoana izao akory — satria i Satana tokoa no andriamanitr’izao vanim-potoana izao.

Mbola misy fanantenana ho an’izao tontolo izao

Nefa Andriamanitra dia tsy hoe niakatra any an-danitra ka namela an’ity tontolo ity ho eo ambany fahefan’ilay fanahy ratsy antsoina hoe Satana devoly. Tsy hoe nesorina ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Mitoetra ho marina mandrakizay ny teny fa “Jehovah efa nampitœtra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.” (Salamo 103:19) Mpanjaka mandrakizay Jehovah ary manapaka izao tontolo izao ny fanjakany.

Nampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy Kristy, ary maniraka ny Fiangonanay hitory izany amin’ny firenena rehetra Izy. Nefa mbola mitoetra ho fanjakan’i Satana ity tontolo misy antsika ity. Katsaho ny Fanjakan’Andriamanitra ary miezaha mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Voaheloka ho rava ny fanjakan’i Satana

Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa voatendry hifarana ny fitaoman-dratsin’i Satana amin’ny olombelona. Hoy ny Hebreo 2:14-15, momba an’i Kristy: “Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly, (Hebreo 2:14)

Satana dia hesorina eo amin’ny fiainan’ny olombelona ary hofatorana sy hogadraina rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Apokalypsy 20 no manambara izany amintsika. Ary amin’ny farany dia hisy afo avy amin'Andriamanitra handany azy

 

[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] “Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.” (Apokalypsy 20:1-3) “Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo* nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.” [* Na: (afo avy amin'Andriamanitra)] (Apokalypsy 20:9)

 

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra mandrakizay, dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotantsika isika, atao batisa ary manomboka miaina araka ny lalàn’ilay Fanjakana. Tsy maintsy misafidy ny hiandany amin’Andriamanitra isika amin’ity ady lehibe ataon’Andriamanitra amin’i Satana ity. 

Isika koa dia tsy maintsy mivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ( Matio 6:9-10 ). Maneho izany fa mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Maneho ny finoantsika ny tenin’Andriamanitra sy ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra koa izany. Rehefa mandray izany fanapahan-kevitra izany isika ary manomboka miaina araka izay lazain’Andriamanitra, dia manafaka antsika amin’ny “herin’ny maizina” Andriamanitra ary mihevitra antsika ho anisan’ny “fanjakan’ny Zanany malalany” ( Kolosiana 1:13 ).

Ady ny fanarahana an’Andriamanitra satria devoly Satana dia eo mandrakariva mitady izay hofitahiny sy harapany. Izay maharesy amin’io ady io no handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana lehibe homen’Andriamanitra izay maharesy amin’izany ady izany.

Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia] (Apokalypsy 2:7)

Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia] (Apokalypsy 2:11)

Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia] (Apokalypsy 2:17)

Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; (Apokalypsy 2:26)

Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. (Apokalypsy 3:5)

Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. (Apokalypsy 3:12)

Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. (Apokalypsy 3:21)

Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. (Apokalypsy 21:7)

Inona no fitaovana azontsika raisina amin’ny ady atao amin’i Satana?

Miatrika ady ara-panahy isan’andro ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Satana dia milofo mandrakariva mba handavo ny olon’Andriamanitra sy hitaona ny olona hikomy amin’Andriamanitra ka hanao tsinontsinona ny didy sy lalàn’Andriamanitra. Nefa ao amin’ny Baiboly dia misy fiadiana atolotr’Andriamanitra handresena izany rehetra izany.

[Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra] (Efesiana 6:10-20)

Koa anio, mipetraka aminao ny fanontaniana: Miandany amin'iza ianao?

Popular posts from this blog

Ahoana no hanoherana ny fanangolen'i Satana sy ny fahotana?

Misy ve Andriamanitra? Porofo 7 fa misy Andriamanitra

Sinay

Kristianisma - Fomba Fiainana

Ahoana no ahafahako mampianatra ny didy folo amin’ny zanako?