Skip to main content

Manambara inona ny Didy Folo?

 


NY DIDY FOLO



 

FANOROANA PEJY

TENY MIALOHA

Ny lalana lavorary

Moa azonao ve ny Didin’Andriamanitra?

Ny Andriamanitr’Isiraely

NY DIDY VOALOHANY

Ny didy voalohany sy ianao

Ny fikasan’Andriamanitra

Iza ilay “Andriamanitra” tompoinao?

Inona no tsy ampy eo aminao ?

Tia an’Andriamanitra mihoatra ny zava-drehetra

NY DIDY FAHAROA

Ny fototry ny fanompoan-tsampy

Ny sary hoso-doko maneho an’i Jesosy

Foana ny fivavahan’ireo

Fanambarana ampahibemaso sy fampanantenana

NY DIDY FAHATELO

Ny anaran’Andriamanitra

Ny maha-lehibe ny anaran’Andriamanitra

Ny fisehoana sy ny toetran’Andriamanitra

Mikasika ny toetrany fototra

Ny fampiasàna tafahoatra ny Anarany

Ny fahotana tena mahazatra ny olona

NY DIDY FAHA-EFATRA

Iza no nanao ny sabata?

Ny Sabata dia fitahiana

Ny maha-zava-dehibe ny sabata

Fanazavana an’io didy io

Tena andro tsy fiasàna nefa andraisam-bola

Ahoana no fitandremana ny sabata

Ny ohatra nomen’i Jesosy

Ataovy ho fahafinaretana ho anao ny sabata

NY DIDY FAHA-DIMY

Ny fanekena “araky ny Tompo”

Ny fitahiana noho ny fankatoavana

Ny rehetra dia tsy maintsy manaja ny Ray aman-dreniny

Ny fahotana mahazatra ny olona

Ny ohatra nomen’i Jesosy

Ny fahendren’i Jesosy mbola zatovo

Manaja hatramin’ny farany

NY DIDY FAHA-ENINA

Ny loharanon’ny fiainana

Ny fampiharana ny didy

Mandresy ny ratsy amin’ny soa

Ireo sary mampiseho hasiahana

Ny heloka lehibe indrindra ataon’ny zanak’olombelona

NY DIDY FAHA-FITO

Ny tanjon’ny fanambadiana

Fianarana hampandroso ny toetra

I Kristy sy ny Fiangonany

Ny fampianaran’i Jesosy Kristy

Nafatotr’Andriamanitra

Ny heloky ny fiaraha-monina moderina

“Mandosira ny fijangajangàna…”

NY DIDY FAHA-VALO

Ny zo hanana fananana

Ny halatra any amin’ny indostria moderina

Ny halatra amin’ny alàlan’ny dokam-barotra misy fitaka

Harena maloto

Ny fampiharana marina ny didy

NY DIDY FAHA-SIVY

Ny loza azo avy amin’ny fanaovana vavolombelona tsy marina

Ny vidin’ny fahamarinana

Ny fampiharana ny Didy Faha-sivy

Mba miaina ara-pahamarinana!

NY DIDY FAHA-FOLO

Ny hevitry ny Didy faha-folo

Aiza ho aiza isika izao?

Ny valin-teny avy amin’i Kristy

Ny fatotra iombonana

 

NY DIDY FOLO

TENY MIALOHA

Ny Baiboly dia manambara ny hany lalana mankany amin’ny fandriam-pahalemana, ny fahasambarana sy ny fahombiazana. Io lalana io dia fomba-fiaina azo avy amin’ny lalàna ara-panahy, mavitrika, mahafehy sy marina.

Ny fotoan’androntsika dia fantatra fa fotoanan’ny tsy fanajàna ny lalàna. Ny heloka bevava sy ny fanaovana herisetra dia mihazakazaka mitombo mampatahotra, satria tsy misy miraharaha ny lalàna sy ny fahefana napetraka – na an’Andriamanitra izany na an’ny olombelona.

Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny firenena dia miaina amin’ny tahotra lalandava; fantany mantsy fa izay antsoina hoe fifanarahana na fifanekena momba ny fandriam-pahalemana dia tsy lafo vidy kokoa noho ny taratasy izay nanoratana azy ireny.

Moa fantatrao ve ny loharanon’ny lalàna rehetra sy ny fahefana rehetra? Hoy ny Baiboly : « Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery » (Jakoba 4:12). Io Mpanome lalàna io dia tsy iza fa ilay Andriamanitra Tsitoha.

Eo amin’ny fitadiavany izay heveriny ho “fiadanana” sy ny “fivavahana manome fahafaham-po” azy, dia hadinon’ny olona Andriamanitra lehibe izay mitantana ny onivera [izao tontolo izao] manontolo. Tsy mahagaga noho izany ny mahita ireo tanora ankehitriny – izay ho mpitondra rahampitso – manana fihetsika tsy milamina, mikorontana sy tsy mino an’Andriamanitra.

Hoy ny mpanabe iray: “Tsy manohitra aho raha maharitra milaza ny olona fa zava-dehibe ny Siansa, toy ny ataon’ny olona ankehitriny. Saingy isika dia mandoa vola mba hanampiana ireo sekoly, izay miasa toy ny hoe tsy misy Andriamanitra”.

Ny tsy fisian’ny soatoavina momba ny fitondran-tena, eo amin’ireo tanora, dia novokarin’ny fampianarana toy izany indrindra. Rehefa tsy mahalala an’Andriamanitra ny olona, dia tsy hita intsony eo amin’ny toetrany ny fitondran-tena mahazatra manaraka ny fitsipika mipetraka: Vokatr’izany ny faharatsian’ny fitondran-tena, ny fiainana fadiranovana, izany hoe ny fifanjevoana sy korontana ara-panahy.

Amin’izao fotoana izao, ny firehan’ireo antokom-pivavahana rehetra dia ny manandrana ny manavao an’Andriamanitra, na manao an’Andriamanitra ho entim-bahoaka; Izy ireo dia mitady hanala ny fahefana anànan’Andriamanitra amintsika.

Rehefa avy nampitovy tarehy ny andriamanitra tiany aminy izy ireo, ny olombelona dia tsy mahatsiaro ho matahotra na manaja an’io andriamanitra io. Tsy mangovitra eo anatrehan’io andriamanitra io izy, ary tsy mety hankatoa an’io zava-boahary noforonin’ny sainy manokana io izy.

Ny hafatr’i Kristy dia mikasika an’ilay Andriamanitra ambony indrindra izay namorona ny onivera sy mitantana azy. Io Andriamanitra io dia mitso-drano an’ireo izay mankatò ny Lalàny, ary manasazy kosa an’ireo tsy mankatò an’izany.

Ny lalana lavorary

Nitory ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy (Marka 1:14; Lioka 4:43). Notoriny ny vaovao mahafalin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy Izy: «…efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Marka 1:15)

Mba hamafan’ny rà nalatsak’i Jesosy Kristy ny fahotantsika, dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotantsika isika. Tsy maintsy mino Azy amin’ny fontsika tokoa isika, ary manaiky Azy ho Mpamonjy antsika.

Fa inona ny atao hoe fahotana? Izao no ambaran’ny Baiboly: « ny ota no fandikana ny lalàna » (1 Jaona 3:4).

Tsy maintsy mibebaka noho ny nandikantsika ny làlan’Andriamanitra aloha isika. Tsy maintsy mianatra matahotra sy manaja an’Andriamanitra isika, satria Izy no Tompontsika sy Mpanjakantsika, ary koa Izy no Andriamanjaka ambony indrindra eto amin’ny onivera.

Rehefa notsindrian’Andriamanitra i Solomona, ilay lehilahy hendry indrindra noho izay olona rehetra niaina, dia nanoratra hoe: “Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana [fahendrena]” (Ohabolana 1:7). Io fahatahorana io dia tsy hoe akory fahatahorana manokana, fa fanandrianana lalina, fanajàna fatratra ny fahefan’Andriamanitra, ny fahefany, ny fahendreny sy ny fitiavany.

Tsy feno ny olona raha tsy misy ny finoana an’Andriamanitra. Raha tafasaraka Aminy izy, dia tsy manana tanjona; foana sy mangaihay ny fiainany. Ny fomba hialàna amin’izay toetra foana sy mangaihay izay dia toa heverina hoe tsotra sy tsy manaitra eo am-boalohany, saingy marina sy mahomby izany. Tokony hijanona tsy hivavaka amin’ny andriamani-tsi-izy isika, ary hiverina hivavaka amin’Ilay Andriamanitry ny Baiboly – Ilay Andriamanitra mpamorona, Izay manjaka amin’ny onivera.

Raha fintinina ny lalana mitondra mankany amin’ny fahatanterahan’ny fanirian’ny olombelona fatratra ny hiaina am-pahasambarana, dia izao no nosoratan’i Solomona: «  Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra. » (Mpitoriteny 12:13).

Izany no vaha-olantsika rehetra, na ho an’ny tsirairay, na ho an’ny daholobe. Izany no fomba fiaina izay hampianarin’i Jesosy Kristy rehefa hiverina hampianatra an’izao tontolo izao Izy (Mika 4:2).

Moa azonao ve ny Didin’Andriamanitra?

Ny Mpanjaka Davida dia lehilahy araky ny fon’i Jehovah (Asa 13:22). Taorian’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy, dia hanjaka amin’ny firenen’Isiraely manontolo Izy mandritry ny Fanjakana Arivo Taona (Ezekiela 37:24), izay fotoana hitondran’i Kristy ny fandriam-pahalemana eto an-tany.

Izao no nosoratan’i Davida: « Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany » (Salamo 119:97). Nianarany sy nodinihany ny lalàn’Andriamanitra. Nianarany ny fomba hampiasany an’ireny nandritry ny androm-piainany; nanome fahendrena azy izany. « Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko » (andininy 98). Hoy koa izy : « Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao » (andininy 105).

Tamin’io Salamo io, dia nambaran’i Davida ny tena fitiavany ny Lalàna; Nampiasainy ho mpitari-dalana ny fiainany izany. Manao toy izany ve ianao?

Angamba mety nino ianao fa efa nofoanana ny Lalàn’Andriamanitra, satria tsy tsapanao fa manambara ny toetra fototra mampiavaka an’Andriamanitra izy ireny. « Ho masina ianareo, satria masina Aho», hoy Andriamanitra (1 Petera 1:16).

Ny tena kristiana, “ireo ondry vitsy”, dia voalaza fa ireo «  izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy » (Apokalypsy 12:17). Ary Andriamanitra dia manome ny marika ahafantarana ny toetran’ny olona masina: « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)

Ny Andriamanitr’Isiraely

Mba hahazoana tsara ireo Didy Folo ka hahatakarana tsara ny halehibeny, dia andao ho dinihina vetivety ny toe-javatra tamin’ny nanomezany an’izany. Ampahatsiahivina fa i Mosesy sy ireo Zanak’Isiraely dia nitahiry ny fahalalàna fa ny Andriamaniny dia ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany – Ilay nanao ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa.

Taorian’ny Safo-drano, Andriamanitra dia niantso an’i Abrahama, Isaka sy Jakoba mba hanompo Azy. Nomeny fampanantenana fizika izy ireo, ary koa fampanantenana ara-panahy, izay tsy maintsy ho tanteraka any aoriana amin’ny alàlan’i Kristy. Nentiny tany Egypta i Josefa, mba hahafahan’Isiraely ho velona mandritry ny fito taona nisy mosary maneran-tany.

Taorian’ny nahafatesan’i Josefa, dia nohandevozin’ny Farao iray izay tsy nahalala an’i Josefa ny Zanak’Isiraely, izay niseho ho fahavalony. Nijaly noho ny fampahoriana mafy nataon’ny mpifehy ny fanompoana izy ireo ary nataony ho toy ny andevo.(Eksodosy 1).

Saingy nohafahan’Andriamanitra tamin’izany fanompoana ny Egyptiana izany izy ireo; Noho ireo fahagagana tsy hita pesimpesenina, dia namoaka azy ireo avy tao Egypta Izy, ka nasainy niampita ny Ranomasina Mena izy ireo (Eksodosy 14). Nikarakara azy ireo Izy, ary nampahatsiahy azy ireo ny Lalàny izay efa betsaka no adinony. Talohan’ny nahatongavany tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nampialàny tao an-tsainy ny ahiahy momba ny andro Sabata, ka nanao fahagagàna maro Izy.(Eksodosy 16). Nitsara ny vahoaka araky ny fitsipika sy ny lalàn’Andriamanitra i Mosesy (Eksodosy 18:16).

Rehefa tonga tao an-Tendrombohitra Sinay ny Zanak’Isiraely, Andriamanitra dia namosa-kevitra, tsy hanome azy ireo lalàna vaovao, fa hanao fanekena - na fifanekena – miaraka Aminy; ho lasa olony izy ireo, ary Izy ho Andriamaniny raha mankatò marina ny Lalàny, ny fitsipiny ary ny didiny izy ireo.

Ny Didy Folo no maneho ny Làlana ara-panahy, dia lalàna fototra (Romana 7:14); Izany no ampahany amin’ny fifanekena nifanaovan’Andriamanitra sy ny olony.

Koa satria Lalàny masina izany, dia nomen’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fanehoana ampahibemaso ny fahefany izany; mba hanavahana izany tamin’ny ambin’ny fifanekena, dia nosoratany tamin’ny rantsan-tanany ireo. Mariho azafady ny toerana sy ny fomba nisehoan’ny Eksodosy faha-19. Nodidin’Andriamanitra mba hidio ny olony ary mba ho vonona amin’ny andro fahatelo, rehefa hidina eo amin’izy ireo Izy (andininy 10-11).

« Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. » (Eksodosy 19:16)

Rehefa nolazain’Andriamanitra tamin’ny feony mihitsy ny Didy Folo, dia naneho ny fahefany Izy. Rehefa nidina tamim-boninahitra teo amin’ny Tendrombohitra Sinay Andriamanitra, “dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra » (Eksodosy 19:18).

Tamin’io toerana misy voninahitra, fiandrianana sy fahefana io, dia notononiny ny Didy Folo tamin’ny vahoaka izay nangovitry ny tahotra mafy, teo am-pototry ny tendrombohitra. Ny feony misy fahefana dia mety nampihovitrovitra ara-bakiteny an’ireo olona ireo, ary koa nanakoako eran-tany toy ny kotro-baratra (Salamo 104:7).


 

NY DIDY VOALOHANY

Ary tamin’izany, dia nanomboka nanonona ireo Didy Folo Andriamanitra, nanambara indray ny lalam-piainana izay miteraka ny fahombiazana, ny fahasambarana sy ny fandriam-pahalemana.

Amin’izao androntsika anjakan’ny famakafakan’ny olombelona sy ny fampianarana filozofika manambara fa tsy takatry ny sain’olombelona Andriamanitra, dia zava-dehibe no hanamarihana fa ny Tsitoha dia tsy niresaka ny “maha-mpirahalahy ny olombelona” tamin’ny voalohany, fa ny fankatoavana sy ny fanompoana an’Andriamanitra aloha.

« Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. » (Eksodosy 20:1-3)

Io no Didy voalohany ary ny lehibe indrindra amin’ny Didy. Hianaro am-pahamalinana io; saintsaino io toy ny nataon’i Davida.

“Izaho no Jehovah Andriamanitrao” – io fehezanteny io dia manambara zavatra be lavitra noho izay azo heverina raha vao atao indray mijery izany. Ilay “Izaho” izay niteny tamin’ny hery tsy hita pesimpesenina no Ilay Mpamorona lehibe nanao ny lanitra sy ny tany. Tamin’ny fomba nanehoany ny Tenany, dia naneho ny fahefany Izy ka nandefa kotrokorana sy tselatra ary ny Tendrombohitra Sinay dia nihorohoro ara-bakiteny.

Ny teny hoe “Jehovah” dia avy amin’ny teny hebreo hoe Yahweh, ka ny fanononana an’izany dia tsy fantatra intsony ankehitriny, satria tsy mba nosoratana ny zana-tsoratra tamin’ny teny Hebreo. Ny dikan’io teny io dia hoe “Ilay Mandrakizay” na hoe “Ilay velona mandrakizay”.

Milaza Andriamanitra avy eo fa Izy no nitondra ny Zanak’Isiraely nivoka avy tany amin’ny tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana. Vao avy nanandrana izany fahafahana izany, sy ny fahefana nasehony tamin’ny nanafahany ny firenena rehetra tamin’ny fanandevozana izy ireo.

Hitan’izy ireo ny nandefasan’Andriamanitra areti-mandoza tany amin’ny tany Egypta. Hitan’izy ireo ny namonoany nahafaty ny voalohan-teraka rehetra tao amin’izany tany izany. Hitan’izy ireo ny rano tonga “fefy” ho azy teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany (Eksodosy 14:22), ka nampandehanan’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fomba mahagaga teo afovoan’ny Ranomasina Mena nandia tany maina.

Hitan’izy ireo, reny ary tsapany ny fiandrianany sy ny fahefany rehefa nanambara ny Tenany tao an-tendrombohitra Sinay mba hilaza ny Didy Folo Izy. Eny, nahit           a an’ity fanafahana mahagaga nataon’Andriamanitra ity izy ireo. Ankehitriny dia afaka tamin’ny fanenjehana, ny famaizana ary ny fanandevozana izy ireo. Tsapan’izy ireo fa ny fahefan’Andriamanitra dia ambony kokoa noho ny fahefan’ireo andriamanitr’i Egypta sy ny fahefan’ireo an’ny firenena mpanompo sampy hafa izay nanodidina azy. Fantatr’izy ireo marina izao fa ny Andriamanitr’i Mosesy no hany Andriamanitra marina!

Raha niteny hoe: “ « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany » Ilay Mpamorona, dia nasehony fa tsy afaka mangata-bonjy amin’Andriamanitra ambony noho Izy izy ireo – amin’ny fahendrena, ny fahafantarana, ny famindram-po, ny voninahitra na fahefana ambony noho ny Azy izy ireo.

Tsara ny manamarika fa na manana fisainana ara-nofo aza ny Zanak’Isiraely, dia nahatsapa izy ireo fa tsy tokony hisy “hasolo” an’ilay Andriamanitra marina mihitsy.

Izany no lesona izay ilain’ny firenena rehetra sy ny vahoaka rehetra hilofosana hianarana!

Raha vonona ny hanompo an’Ilay Andriamanitry ny Baiboly sy hankatoa Azy isika, dia hijanona ny fisian’ny ahiahy sy ny olana ho antsika. Mampa            lahelo anefa fa ny firenena sy ny tsirairay dia manana andriamanitra maro izay apetrany eo alohan’ny Andriamanitry ny Baiboly.

Tokony hibeb            aka amin’izany isika ary hijanona tsy hanohy hanompo andriamani-tsi-izy!

Ny didy voalohany sy ianao

Raha kristiana ianao, dia tokony ho tsiahivinao ny tenin’i Jesosy Kristy, Ilay mpanorina ny fivavahana kristiana, nilaza hoe : « Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra » (Matio 4:4). Noho ny fanampiany, dia tsy maintsy miaina araky ny Didin’Andriamanitra ianao mba hahazo fiainana mandrakizay (Matio 19:17).

Ahoana ary raha izany no ampiharana ny Didy Voalohany aminao? Hoy ny Mpamorona antsika : “Izaho no Jehovah Andriamanitrao…”

Moa ve Izy marina no Andriamanitrao izay tompoinao sy ankatoavinao? Moa ve nanao “andriamanitra” hafa ho anao ianao? Moa ve ianao manao fanompoana araky ny “fanaon’ny olona”, ka nilazan’I Jesosy fa ho “foana ny ivavahan'ireo” amin’Andriamanitra, “Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana” izy ireo (Marka 7:7).

Navoakan’Andriamanitra avy tao amin’ny “tany Egypta” ny kristiana, izany hoe tamin’ny fahandevozana. Ao amin’ny Baiboly manontolo, “ny tany Egypta” dia ampiasaina an’ohatra hilazana ny fahotana. Ireo izay tsy niova fo dia iharan’ny fitsiriritan’ny tenany sy ny fanandevozan’ity tontolo ity.

Rehefa niova fo marina ny olona iray, dia nivoaka an-tsitrapo tamin’io fanandevozana io izy.

Nandidy Andriamanitra hoe : « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany ». Moa ve nasianao olon-kafa na zavatra hafa teo amin’ny toeran’Andriamanitra? Moa ve ny fotoananao, ny tombontsoanao, ny asa ataonao lehibe kokoa eo imasonao noho Ilay Andriamanitra marina? Sampy inona no napetrakao teo anelanelanao sy Izy, teo anelanelan’ny fianarana ny Teniny sy ny fomba fiainana araky ny Didiny?

« Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany » (Salamo 19:1). Amin’ny andininy maro samihafa, ny Baiboly dia manambara fa Andriamanitra no Mpamorona ny onivera manontolo. Izy no manome ny aina amin’ny zava-boary rehetra (Genesisy 1).

Mieritreritra Azy marina ve ianao? Moa ve ianao mivavaka Aminy satria Mpamorona anao Izy ary manome anao ny rivotra izay hahafahanao miaina? Tokony hanao izany ianao, satria izany no anisan’ny vavaka izay tokony hatao amin’Ilay Andriamanitra marina.

Amin’izao androntsika izao, ny fitaka lehibe indrindra, dia ny fampianaran’ny mpanompo sampy momba ny evolisiona. Izy io dia fanandramana hanazava fa misy ny zava-boary nefa tsy misy ny Mpamorona izany. Mandà an’Ilay Andriamanitra marina izy io, ny Fombany sy ny Asany. Nefa dia io no fototra lehiben’ny “fanabeazana” eto amin’izao tontolo izao. Ny fahendren’ny olombelona dia fahadalàna eo anatrehan’Andriamanitra (1Korintiana 1:20).

Hoy i Davida : « mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô. Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy » (Salamo 18:1-2). Niantso Azy in-jato mahery izy mba hidirany an-tsehatra, mba hanafahany azy amin’ny raharaha sarotra sy ny loza samihafa.

Moa ve miantso an’Andriamanitra ianao rehefa misy zavatra toy izany mihatra amin’ny fiainanao, sa miantehitra fotsiny amin’ny herinao samirery ianao sy amin’ny asan’olombelona fotsiny ihany?

Tsy vitan’ny hoe Andriamanitra no Ilay mpanafaka antsika, fa Izy koa no manasitrana antsika (Eksodosy 15:26).

Teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, dia nanoratra i Davida hoe : « Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra » (Salamo 103:2-3).

Ny fanasitranana dia andraikitry ny fiambonian’Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao, tena vitsy ny kristiana izay miantso vonjy Aminy rehefa marary.

Ny lafiny hafa amin’ny fiainana moderina koa, izay tsy mitsaha-mitombo, dia izao : ny ankabeazan’ny olona no tsy miraharaha fivavahana sy ny fianarana ny Baiboly.

Ny fikasan’Andriamanitra

Nolazain’i Jesosy fa rehefa mivavaka isika, dia tsy maintsy miresaka amin’Andriamanitra izay “Raintsika” (Matio 6:9), Izay miahy ny zanany, mitso-drano azy ary miaro azy. Kapohiny ihany koa ireo izay tiany. (Hebreo 12:6).

Satria tokoa mantsy Rain’ny olombelona rehetra Andriamanitra. Raha namorona ny olombelona Izy, dia nanao hoe : “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano… » (Genesisy 1:26).

Natao tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona. Nahazo andraikitra sasantsasany izy; ohatra ny fanjakany amin’ny zava-boary rehetra mameno ny tany. Nomena fahefana voafetra sasantsasany izy mba hanao na hamorona zavatra sasantsasany.

Nanana fikasana Andriamanitra fa ho zanany isika any am-parany (1Jaona 3:2). Indray andro any, dia hateraky ny Fanahy ny olombelona, ho lasa fanahy (Jaona 3:6). Ho lasa mpikambana amin’ny Ankohonan’Andriamanitra izy.

Nefa, mba hahatongavana amin’izany, dia tsy maintsy mandresy ny toetr’olombelona ao amintsika isika, mandritr’ity fiainana ity; Tsy maintsy mianatra mitandrina ny lalàn’Andriamanitra isika, noho ny fanampian’ny Fanahy Masina. Rehefa izany, dia ho teraka ao amin’ny Ankohonany sy ao amin’ny Fanjakany isika indray andro any.

Kanefa, na dia eo aza izany, ny Siansa sy ny Sivilizasiona dia mitady handrafy an’Andriamanitra; lasa andriamani-tsi-izy izy ireo! Ny Siansa dia manandrana manome an’ny olombelona fahefana izay mihoatra lavitra ny fahafahany manokana hikirakira hery toy izany. Ho fanomezana farany, dia nomeny azy ny fahafahana hanala ny ain’olombelona eto amin’ity planeta ity.

Ny Sivilizasiona dia manohy ny fampianarany milaza fa, raha ny mariana, ny olombelona no mitsara izay tsara na ny ratsy. Na hahatsapa izany isika na tsia, io fihetsika ara-nofo io dia mamonto ny antanan-tohatra tsirairay sy ny endrika tsirairay an’ny Sivilizasiona amin’izao fotoana izao.

Iza ilay “Andriamanitra” tompoinao?

Ny ankabeazan’ny olona dia mihanona fotsiny amin’ny fandehanana tsindraindray any am-piangonana, amin’ny fieritreretana fa ny fivavahany dia mandeha ho azy, ary tsy mahalala, raha ny marina, ny atao hoe fivavahana marina. Tsy tsapan’izy ireo fa ny fivavahany dia tokony hiseho amin’ny fieritreretany, ny fiteniny sy ny fihetsiny tsirairay, mandritry ny androm-piainany.

Amin’izay heverinao rehatra, teneninao, na hataonao, na ianao manompo an’Andriamanitra, na ianao manompo ny fitsiriritinao manokana, na koa ianao manompo an’i Satana devoly.

Hoy ny Apostoly Paoly, noho ny tsindrimandrin’Andriamanitra : « Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? » (Romana 6:16).

Mandritry ny hafiriana ny fotoana atokanao hianaranao ny teny sy ny lalàn’Andriamanitra, ka misaintsaina izany toy ny nataon’i Davida? Mandritry ny hafiriana no ivavahanao amin-kafanam-po amin’Andriamanitra?

Ho an’ny ankabeazan’ireo milaza-tena ho kristiana, ny fivavahany dia tsy maka afa-tsy toerana kely fotsiny eo amin’ny fiainany. Mieritreritra kokoa ny hahafaly ny vadiny sy ny ankohonany izy ireo, fa tsy mieritreritra ny hahafaly an’Andriamanitra. Ny fiainan’ny olona moderina dia mihodina eo amin’ny vola, ny fananana ara-materialy, ny fialan-tsasatra. Liana kokoa amin’ny zavatra fizika sy amin’ny olona manodidina azy izy ireo. Manaraka an-jambany ny fombafomba, ny fanaon-drazana ary ny fomba fiainan’ny manodidina azy izy ireo. Iriny kokoa ny hitovy amin’ny vondron’olona manokana izay tiany harahina ny fomba fisainany, ary tiany ny miaraka amin’ireny, izany hoe amin’io vondron’olona io. Raha ny marina, ny hevitra sy ny fomban’io vondron’olona io dia matetika tsy mitovy amin’ny Lalàna sy ny lalan’Andriamanitra.

Hoy Andriamanitra : « Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. » (Jakoba 4:4).

Inona no tsy ampy eo aminao ?

Indray andro, ilay tovolahy iray izay nitandrina - araky ny fieritreretany - ny Didin’Andriamanitra, dia nandeha nitady an’i Kristy mba hanontaniany izay tokony hataony mba handovany ny fiainana mandrakizay (Matio 19:16-22).

Tena mpanan-karena be izy, ary vonona ny hametraka ny hareny “eo anatrehan”’Andriamanitra, ary ny hanompo ny hareny alohan’ny hanompoany an’Andriamanitra. Noho izany dia nasain’i Kristy nandeha nivarotra ny fananany izy, ka hanome izany ny mahantra, ary hiverina eo Aminy mba ho mpianany. « Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be. » (Matio 19:22)

Io tovolahy io, toy ny ataon’ny maro, dia nihevitra fa nitandrina ny Didin’Andriamanitra izy, nefa raha ny marina dia efa nandika ny Didy voalohany sahady izy fa nametraka zavatra hafa teo amin’ny toeran’Andriamanitra. Nodikainy koa ny Didy momba ny fitsiriritana, satria nitsiriritra harem-be izy. Nataony lasa sampiny ny hareny manokana sy ny toerany eto amin’izao tontolo izao. Kanefa, i Paoly dia nilaza fa ny fitiavan-karena be loatra dia fanompoan-tsampy (Kolosiana 3:5).

Ao amin’ilay atao hoe “toriteny tao an-tendrombohitra”, dia nasehon’i Jesosy Kristy fa ny olona dia mikatsaka ny zavatry ny tany, sy ny harena ary ny laharany eo anatrehan’ny mpiara-monina aminy (Matio 6:24-32). Hoy Izy : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany » (Matio 6:33).

Nampanantena Andriamanitra fa hanome izay rehetra ilaintsika ary hitsodrano antsika Izy, raha toa ka vonona ny hivavaka Aminy, sy hankatoa Azy ary hanao vain-dohan-draharaha ny fikatsahana ny lalany isika.

Eto amin’ity tontolo moderina izay misy fisafotofotoan-javatra ity, eto amin’ity tontolo be renty, fitaovana mahafinaritra manamora fiainana, ary misy harena ity, toa ho sarotra ny hanao an’izany! Na izany aza, io dia lalàna velona izay tsy maintsy ampiharina.

Inona no zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao? Fantatrao ve? Inoanao ve raha lazain’i Jesosy Kristy izany ? Inona ny zavatra lehibe indrindra izay didin’Andriamanitra hataonao?

Raha nametraka io fanontaniana io tamin’io Kristy ny olona, dia namaly toy izao Izy hoe : « Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany. » (Matio 22:37-38)

Dia nanohy toy izao Izy hoe : « Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany » (Matio 22:39-40).

Ny anjaran’ny firenen-drehetra sy ny olona rehetra dia miankina amin’ireo didy roa ireo. Raha vonona ny hankatoa an’ireo didy roa ireo ny olona, arak’izay hamelabelaran’ny Baiboly manontolo azy, dia ho tahiana izy ireo. Raha tsy izany, dia ho voaozona sy ho fadiranovana izy ireo.

Ny faminaniana rehetra voasoratra momba ny firenena tsirairay dia mampiseho fa Andriamanitra dia nahafantatra mialoha fa tsy hanaiky azy io firenena io ka hiodina amin’ny lalàny sy ny fitsipiny.

 

Tia an’Andriamanitra mihoatra ny zava-drehetra

Tsy maintsy tia sy manaja an’Andriamanitra sy manompo Azy amin’ny fonao rehetra ianao.

Io fomba fisainana io dia vahiny amin’ity tontolo moderina ity izay tafalentika amin’ny fisafotofotoana ; mieritreritra ny olona fa Andriamanitra dia any an-toeran-kafa, any alavitra any ; ka sady miresaka ny firahalahian’ny olombelona izy ireo, no mamorona fitaovam-piadiana mihe-mahery vaika hatrany, mba handringanana ny aina rehetra eto amin’ity planeta ity.

Nahoana no tokony ho tia an’Andriamanitra ianao?

Satria Izy no Mpamorona anao. Izy no manome anao ny rivotra iainanao. Izy no nanome anao izay rehetra anananao, ny talentanao sy ny fahaizanao.

Raha mamaky ny Salamo isika, dia azontsika ny antony hilazan’Andriamanitra fa Davida dia “lehilahy araka ny fon’i Jehovah”; Ireo Salamo ireo dia feno fiderana sy fanajana an’Andriamanitra. « Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. » (Salamo 145:1-2). Vakio manontolo io Salamo io, dia ho hitanao ny fomba nentin’i Davida nitsaoka sy nidera an’Andriamanitra.

Tsy maintsy tia an’Andriamanitra isika, satria tia antsika tany am-boalohany Izy ary nanome antsika ny Zanany mba ho sorom-panonerana ho antsika noho ny fahotantsika (1Jaona 4:10). Ny Zanany lahitokana dia nampietri-tena, ka tonga nofo aman-drà toa antsika. Tonga teto an-tany Izy mba ho fatin’ny fahafatesana mahatsiravina indrindra, noho ny fahotantsika.

Moa ve izany tsy mahatonga anao ho voatarika tsy azo toherina, mba hanaja Azy, hitsaoka Azy ary ho tia Azy?

Tokony ho tia an’Andriamanitra ianao noho ny lalàny lavorary, marina sy mahatalanjona, izay mampianatra antsika ny lalana mankany amin’ny fandriam-pahalemana sy ny fahasambarana. Ireo lalàna ireo dia manambara amintsika ny toetra fototra mampiavaka an’Andriamanitra. Izy ireo dia miankina amin’ny fitsipi-pitondrana hoe manome sy manompo – fa tsy amin’ny antony misy fitiavan-tena izay midika hoe mahazo, mifandrafy, na mitsiriritra. Hoy i Jesosy : “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray” (Asan’ny Apostoly 20:35).

Isaky ny mieritreritra zavatra tsara tarehy sy mahatalanjona ianao, isaky ny maheno resaka momba an’izany na mahita an’izany ianao, dia tokony hieritreritra an’Andriamanitra. « Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana. » (Jakoba 1:17).

Koa satria tia Azy ianao, koa satria fantatrao fa marina ny lalany, ary mitsaoka sy manaja Azy marina ianao, dia tokony hisaintsaina isan’andro ny lalàn’Andriamanitra sy ny Teniny ianao. Tokony hianatra tsy tapaka ny Baiboly ianao, mba ho velona araky ny teny rehetra mivoaka ny vavan’Andriamanitra (Matio 4:4). Tokony hivavaka Aminy isan’andro ianao, amin’ny fonao rehetra, toy ny nataon’i Jesosy, Izay nanome ohatra antsika tamin’izany.

Isaky ny mahatsapa ianao fa amin’ny Teniny, dia mandidy anao hanao zavatra iray Andriamanitra, dia tokony hiteny ianao hoe :”Eny ry Tompo”, fa tsy miady hevitra ka mitady hamotopototra na hanary dia amin’izany.

Tokony hanompo an’Andriamanitra ary hanaiky Azy ianao, amin’ny fo tena milamina (Romana 12:1).

Ny fihetsikao dia tokony hitovy amin’ny an’i Jesosy Kristy, ilay tahafinao, izay nonome ny Ainy ka niteny hoe : « nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao » (Lioka 22:42).

Izany no dikan’ny tena fivavahana! Toy izany no tokony hitandremana ny Didy voalohany sy lehibe indrindra.


 

NY DIDY FAHAROA

Efa hatry ny ela no nivavahan’ny olombelona tamin’ny andriamani-tsi-izy. Ka izany no anton’ny handalovany tsy ho ela amin’ny vanim-potoana tena mampatahotra misy hain-tany, tsy fahampian-tsakafo, mosary, areti-mifindra, ary famongorana olona marobe amin’ny ady mbola tsy fahitany!

Tao amin’ny toko talohan’ity, dia niresaka ny Didy voalohany isika. Hitantsika fa nametraka ny Fampianarany teo ambonin’ny Testamenta Taloha sy teo ambonin’ny Didy Folo i Jesosy Kristy. Hoy Izy: «  Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra » (Matio 4:4).

Tamin’izany fotoana izany, ny hany Teny voasoratra dia ny Testamenta Taloha.

Tamin’ny toriteny na fampianarana nataony teny an-tendrombohitra, dia hoy Izy : « Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo [na dia ny madinika indrindra amin’ireo didy aza] dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 5:19)

Nandritra ny hafatra nentiny antsoina hoe “Toriteny teo an-tendrombohitra”, dia nampiharihary, nanazava ary namelabelatra ny Didy Folo Izy. Nasehony fa mbola velona foana ireo lalàna ara-panahy ireo, ary raha misy mandika an’ireo, dia mizaka ny vokatr’izany izy.

Efa tsapantsika teo aloha fa raha mandika ny Didy Voalohany ny olona (« Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany » ), dia misarika famaizana tsy azo idivirana avy hatrany ilay olona, toy ny fijaliana sy ny fahantrana. Rehefa miodina amin’ny tanjon’ny fiainana izy ireo, dia manala ny tenany amin’ireo lalàna ahazoany fahasambarana, fandriam-pahalemana sy fifaliana.

Ireo izay tafasaraka amin’Andriamanitra dia fadiranovana; mahatsapa-tena fa foana ny fiainany sy diso fanantenana izy ireo. Na noho ny ady, na avy tamin’ny aretina na loza nihatra, ny anjara farany an’ireo izay nisaraka tamin’Andriamanitra dia fahafatesana misy fahafaham-baraka, ary tsy misy fanantenana ny hanana fiainana mandrakizay (Romana 6:23, Apokalypsy 21:8).

Ny Didy Faharoa dia milaza amintsika ny fandrika tsy maintsy ialantsika rehefa mivavaka isika.

« Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko » (Eksodosy 20:4-6).

Ny saina voajanaharin’ny olona dia mitady zavatra mba hanampy azy hifantoka amin’Andriamanitra rehefa mivavaka izy. Maniry hanana zavatra azo tsapain-tanana izy mba “hampahatsiahy” azy an’Ilay Andriamanitra tsy hita maso, “fanampiana” tsy voafetra mba hitsaoka an’Andriamanitra. Kanefa dia izany indrindra no raràn’io didy io!

Hoy i Jesosy : « Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany» (Jaona 4:23).

Ny tena mpivavaka ihany no afaka mivavaka amin’ny ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Ny sasany dia manandrana mivavaka amin’ny fomba tsy voafetra, satria mametra ny fivavahany amin’ny fahafantarana diso an’Andriamanitra izy; ny fivavahany dia foana amin’ny ankapobeny. “« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana » (Jaona 4:24).

Rehefa miantso vonjy amin’ny fanehoana an’Andriamanitra amin’ny fomba tsy voafetra ny olona, dia mandà ny tena Andriamanitra izy. Satria tokoa mantsy ny maha-izy an’Andriamanitra dia ny fahefana rehetra, ny fahendrena rehetra, ary ny fitiavana rehetra. Tsy manam-petra Izy. Raha vao manangana sarin’Andriamanitra ara-batana na ara-tsaina ny olona iray, dia asiany fetra fotsiny izao Andriamanitra, Izay tsy manam-petra, ao amin’ny eritreriny sy ny fivavahany.

Ny fototry ny fanompoan-tsampy

Raha vao avy namerina ny Didy Folo Andriamanitra, dia nampitandrina ny Zanak’Isiraely amin’ny endrika fanompoan-tsampy isan-karazany Izy. « Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny taninareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo » (Levitikosy 26:1). Tsy mba nankasitraka na oviana na oviana mihitsy Izy ny hanaovana sampy na amin’ny endrika inona na amin’ny endrika inona, na sary hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana.

Marihina fa Andriamanitra akory tsy manameloka ny asa-tanana na ny sari-sikotra, fa ny mametraka sary voahoso-doko, na sary na fanehoana tsy voafetra, ka “miankohoka” eo anatrehan’ireny zavatra ireny. Amin’ny filaharana voalohany ao amin’ny Eksodosy 20:4-6, dia tsy melohiny akory ny sary hoso-doko sy ny tsangam-bato rehetra, fa ny fiankohofana eo anatrehan’ireny zavatra ireny no melohiny : « Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy » (Eksodosy 20:5).

Lavin’Andriamanitra ny fampiasana ny fahaizan-javatra na ny sary sikotra hanaovana fanompoam-pivavahana. Ny fototry ny fanompoan-tsampy rehetra, dia satria ny olona, mikiribiby sy miodina, dia tsy mety manaiky an’Andriamanitra sy mitsaoka Azy amin’ny fomba tokony hanaovana ny fitsaohana. Koa satria tsy mahafantatra an’Andriamanitra ilay olona, sady tsy manana ny Fanahiny, dia mihevitra izy fa mila “sary iray mampiseho”zavatra tsy voafetra mba hanampy azy hivavaka amin’Ilay Mpanorona azy. Ity Didy Faharoa ity dia tsy miteny mivantana ny fivavahana amin’ny sampy iray; izany dia efa voararan’ny Didy Voalohany.

Ny tena raràny dia ny fampiasàna ny sary na marika fizika tsy voafetra natao mba hiankohofana amin’ilay Andriamanitra tsy hita maso.

Izay manaiky an’Andriamanitra ho Rainy – na miaina miaraka Aminy – dia tsy mila sary na marika na inona na inona mba hanampy azy hivavaka na hiankohoka amin’Andriamanitra.

Ny sary hoso-doko maneho an’i Jesosy

Koa satria i Jesosy Kristy dia Andriamanitra (Hebreo 1:8), ny fanaovana sary ny Tenany dia efa fandikàna ny Didy Faharoa sahady.

Ho an’ireo izay maniry “hamotopototra” na hiady hevitra”momba io taranja io, ny heverina ho sarin’i Kristy dia tsy mitovy velively amin’ny tena endriny. I Jesosy, raha mbola tamin’Izy olombelona ara-nofo, dia Jiosy (Hebreo 7:14).  Ny endrika izay aseho amin’ireny sary hoso-doko ireny, izay lazaina fa sariny, dia tsy sarin’olona Jiosy mihitsy.

Nanoratra ny Apostoly Paoly hoe: « Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany? » (1 Korintiana 11:14). Kanefa, saiky ny ankabeazan’ireo sary hosodoko dia mampiseho fa i Jesosy dia lehilahy lava volo, manana endri-behivavy malefaka, sy maso mitory fihetsehampo mampahadikidiky.

Tsy toy izany mihitsy Ilay Kristy resahan’ny Baiboly.

Tsy isalasalàna fa tena nanana endri-dehilahy i Jesosy. Mpandrafitra Izy ary tsy maintsy niasa teo an-tokotany. Nandany ny ankabeazan’ny fotoany teny ivelan’ny trano Izy, na dia nandritry ny fotoana nanompoany aza.

Tsy maintsy ho lanin’ny masoandro ny tarehiny, ary ny tsanganany dia tsy ho toa ny an’ny vehivavy izany mihitsy; Fohy ny volony, toy ny an’ny lehilahy rehetra tamin’ny androny. Tsy nanana hatsaran-tarehy loatra Izy: « tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy » (Isaia 53:2)

I Jesosy dia tena Jiosy tanora sy salama tsara. Olona mendrika sy resy lahatra amin’izay toriny Izy. Notoriany tamin-kerim-po ny hafatry ny Fanjakan’Andriamanitra.

Raha toa ka mieritreritra ny bikabikany isika , dia tokony mieritreritra ny toetra ananany ankehitriny, amin’ny ankapobeny. Manoritra Azy ny Apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy 1:14-16: « Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo…ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny. » (Apokalypsy 1:14-16)

Ny tarehin’i Jesosy ankehitriny dia mamirapiratra mafy sy mahery. Isika olombelona dia tsy ho afaka hijery hanatrika Azy.

Koa dia tsapanao arak’izany fa ny sary hosodoko maneho an’i Jesosy dia mifanohitra tanteraka amin’ny fanoritana Azy ao amin’ny Baiboly. Ireo sary ireo dia manome fientanam-po diso eo amin’ilay tena Jesosy Kristy.

Maro ny olona no milaza fa tsy tiany ireny sary hosodoko na sary ireny. Mety ho marina izany, nefa tsy azo lavina fa izany sary diso izany, na izany fiheverana diso an’i Kristy izany, dia tonga matetika ao an-tsainy rehefa mieritreritra Azy, na rehefa mivavaka izy ireo. Ireny sary hosodoko diso ireny, sy ireny tsangam-bato ireny, dia manelanelana Azy sy ireo mivavaka Aminy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4:24).

Ny fampiasana sary toy izany dia tsy inona akory fa fandikàna ny Didy Faharoa. Izany dia mametra koa ny fahalalantsika an’Ilay Kristy velona, Izay mipetraka amin’izao fotoana izao any amin’ny Voninahiny, eo ankavanan’Andriamanitra Ray, any an-danitra, Izay manana tarehy mamirapiratra toy ny famirapiratry ny masoandro amin’ny heriny rehetra.

Foana ny fivavahan’ireo

Ny seho tena mahazatra indrindra eo amin’ny fanompoan-tsampy moderina dia ny manao ny Fiangonana na ny fiaraha-monina izay misy ny tena ho karazan-tsampy. Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny fiaraha-monina, izay misy an’ireo adidy sy fombafomba tsy maintsy atao, ary ny fanaon-drazana, dia lasa “andriamanitra” ara-bakiteny. Heveriny fa tsy maintsy manaraka an’izany lalana izany izy.

Hoy Andriamanitra nandidy: « Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao (ny fiaraha-monina); fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina » (Romana 12:2). Ho an’ireo izay mihevitra fa ny lalana sy ny fanaon’ny fiaraha-monina dia tsara, dia mety ho tena sarotra aminy ny manaiky izany didy izany.

Maneho ny Baiboly fa tamin’ny andron’i Jesosy, maro ny olona no « tia ny voninahitra avy amin'ny olona … fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra. » (Jaona 12:43). Izany koa dia fomba fanompoan-tsampy hafa. Ny vondrona na trano fanabeazana iray dia mety ho lasa sampy aminao.

Ary na dia ny fomba fanao amin’ny fanompoan-pivavahana sasantsasany aza, na dia tsara sy mihaja indrindra aza izany, dia mety ho fanompoan-tsampy koa, raha mila ny retsi-pandrenesan’ny vatantsika izany, ary maka ny toeran’ny tena fivavahana amin’Andriamanitra, “amin’ny fanahy”.

Mampitandrina antsika ny Baiboly amin’ireo « manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny » (2 Timoty 3:5).

Ilay Mpamorona avo indrindra, Ilay Andriamanjaka tsy hita maso sy mandrakizay, dia miteny amintsika hoe: « Nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko. » (Isaia 66:2).

Tsy maintsy mitsaoka an’Andriamanitra amin’ny fo manetry tena sy vonona ny hanaja Azy isika. Tsy maintsy mianatra ny Teniny isika sy mamela izany hanitsy antsika. Tsy maintsy miankohoka mivavaka amin’Andriamanitra isan’andro isika. Tsy maintsy ho tonga mahafantatra Azy sy ho tia Azy toy ny “Raintsika” isika.

Toa an’i Enoka, Noa sy Abrahama, ny tena kristiana dia mila mianatra “mandeha miaraka amin’Andriamanitra”, manetri-tena eo anoloany, hiray Aminy mandrakariva sy mihaba. Raha tarihin’ny Fanahy Masina izy, dia tsy hieritreritra na dia kely akory aza ny hampiasa tsangam-bato, sampy na sary hoso-doko mba hanampy azy hivavaka na hitsaoka ny Ray any an-danitra.

Fanambarana ampahibemaso sy fampanantenana

Raràn’andriamanitra ny manamboatra sary na sampy izay maneho Azy, ka hoy Izy : «  fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. » (Eksodosy 20:5-6)

Koa satria Raintsika Izy ka maniry ny fiadanantsika, dia saro-piaro amintsika Izy ; Tsy omeny alàlana hanompo andriamani-tsi-izy ny Zanany, mba hahasoa azy ireo.

Raha mbola mitohy manaraka fomba fanompoan-tsampy tsy voafetra isika, dia lazain’Andriamanitra fa na ny zanaka, na ny zafikely sy zafiafintsika aza dia hijaly noho ny vokatry ny ratsy izay ataontsika. Izany fanambarana izany dia misy fiantraikany betsaka. Rehefa mivavaka isika, raha manisy sampy, sary na zavatra hafa eo amin’ny toeran’Andriamanitra isika, ka raha latsaka amin’ny fitaoman’ny fanompoam-pivavahana diso isika, dia hanisy ratsy ny tenantsika, ny zanatsika sy ny taranany isika. Izany hoe, ny hevi-disontsika eo amin’ny fomba fivavahana dia ho lovain’ny zanatsika, ka hanimba ny fiainany sy ny fahasambarany.

Tena zava-dehibe mahatsiravina ny mamela holovain’ny taranaka toy izany ny hevi-diso momba an’Andriamanitra. Tena zavatra iray faran’izay mahatsiravina izay ataon’ny olona izany.

Na izany aza, miaraka amin’ity fampitandremana ity, Andriamanitra dia manao fampanantenana feno antra amin’ireo vonona ny hivavaka Aminy araky ny didiny. Nilaza Izy fa “ mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia” Azy ka mitandrina ny didiny (Eksodosy 20:6).

Misy fifanoherana mahagaga eto: etsy an-daniny, Andriamanitra dia tsy manasazy ny faharatsiana afa-tsy hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra; etsy an-kilany, Izy dia “ mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby”.

Ny olona izany dia asainy hivavaka amin’ny Mpamorona azy araka ny tokony ho izy; Antsoiny ho amin’ny fanatrehany ara-panahy izy ireo. Noho izany, dia afaka mahafantatra an’Ilay Andriamanitra avo indrindra nanao ny onivera ho Raintsika isika. Afaka mandeha tsy tapaka miaraka Aminy isika, sy miresaka Aminy.

Izany no dikan’ny Didy Faharoa!


 

NY DIDY FAHATELO

Tena mitàna ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao tokoa ve Andriamanitra?

Ny fanadihadiana natao tamin’ny mpianatra mpandinika dimanjato sy arivo dia manaporofo fa aleon’izy ireo manaiky ny fitsipika nataon’ny tenany manokana, toy izay manaraka ny fitsipika nodidin’Andriamanitra.

Moa ve tsy hafahafa izany? Kanefa, nandritr’io fanadihadiana io ihany, ny sivy ampaha-folon’ny mpianatra mpandinika nanontaniana dia nanambara fa mino an’Andriamanitra izy ireo.

Izany tsy fihontsinana ara-panahy mahery lanja izany, sy ny tsy fanajàna an’Andriamanitra noho ny tsy fandinihana, dia mampiseho ny fironana mihaba ataon’ny olona, na dia eo amin’ireo izay mankany am-piangonana sy milaza tena fa kristiana aza. Tian’ny olona ny miresaka an’Andriamanitra, nefa tsy mahatsapa-tena fa tokony hanome fanajana lalina ny Anarany izy ireo.

Ity vay ratsy ara-panahy ity dia misy tsimok’aretina manapotika ny sivilizasionantsika.

Efa nianarantsika fa tokony hitandrina isika tsy hamboatra andriamanitra amin’ny olona na zavatra tsy voafetra, ary tsy hametraka an’izany eo amin’ny toeran’ilay Andriamanitra marina. Efa nianarantsika koa fa tokony “hiara-mandeha” amin’Andriamanitra isika, hiresaka Aminy amin’ny alàlan’ny fivavahantsika, hahafantatra Azy bebe kokoa, ary hivavaka Aminy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4:24).

Ny Didy Fahatelo dia mikasika ny Anaran’Andriamanitra – ny toerana misy an’Andriamanitra amin’ny maha-Andriamanjaka avo indrindra an’ny onivera Azy: « Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany » (Eksodosy 20:7).

Ao amin’ny Baiboly, ny anaran-tsamirery dia misy dikany tena manokana. Ilay lehilahy voalohany dia nantsoina hoe Adama, satria amin’ny teny hebreo, izany dia midika hoe “tany mena” – ilay vovo-tany nanamboarana azy. Ny anarana hoe Abrama dia novaina hoe Abrahama, izany hoe “Rain’ny firenena maro”. Izany mihitsy no ho avy amin’i Abrahama: Izy dia ray, na razan’ny firenena marobe.

Toy izany koa ireo anarana omen’ny Baiboly an’Andriamanitra.

Ny anaran’Andriamanitra

Ireo anarana tsirairay omen’ny Baiboly Azy dia manambara ny fombany sy ny toetrany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, Andriamanitra dia manambara ny maha-Izy Azy, ny toetrany, ka manondro ny tenany amin’ny anarana manokana.

Rehefa mampiasa ny anaran’Andriamanitra isika, ka lasa mandà ny tena dikan’izany na ny tena toetrany, dia mandika ny Didy Fahatelo.

Tamin’ny alàlan’Isaia, dia manambara Andriamanitra hoe: « Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny » (Isaia 48:1). Izany hoe, inona moa no ilànao mampiasa ny anaran’Andriamanitra, rehefa tsy manaja izay dikany ianao, na rehefa miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ianao?

Izao no fanampin’ny didy: « fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. » (Eksodosy 20:7). Ny teny hebreo nadika hoe “tsy manan-tsiny” dia midika ihany koa hoe “madio”.

Ny ahafantarana ny fahadiovana ara-panahy dia ny fihetsiky ny olona eo anatrehan’ny anaran’Andriamanitra. Madio ny olona iray, na tsy madio, araky ny fomba hampiasàny an’io anarana io: misy fanajàna sy fahamarinana, toy ny hoe mivavaka, sa noho ny antony fieboeboana fotsiny.

Aleo mihitsy mijanona tsy mampiasa an’io anaran’Andriamanitra io, toy izay miresaka an’izany, sy manonona matetika an’izany, nefa tsy misy fanajàna na fitsaohana izay tokony hatao Aminy.

Ny maha-lehibe ny anaran’Andriamanitra

Ny didy fahatelo dia mampianatra antsika hanamasina ny anaran’Andriamanitra, sy haneho aminy ny fanajàna Azy tanteraka.

Aoka aloha ho marihina eto fa ny manaja ny “anaran’Andriamanitra” dia tsy midika akory hoe miezaka miteny hebreo na grika, na mianatra manonona ny Anarany amin’ny fiteny ara-baiboly tany am-boalohany. Misy olona sasany izay manao an’izany ho zava-dehibe. Lazain’izy ireo fa ny Anaran’ny Ray dia Jehovah fotsiny ihany. Ny sasany dia milaza fa Yahwah no izy; ny hafa dia manana ny fombany manokana, matetika tsiambaratelo, mba hiantsoana Azy. Raha ny marina, satria ny zana-tsoratra dia tsy mba nampiasaina tamin’ny teny hebreo tranainy, dia tsy misy olona mahafantatra ny fomba marina fanononana ireo anarana samihafa an’Andriamanitra ireo.

Izy mihitsy aza no nanindri-mandry an’i Daniela sy Ezra hampiasa teny arameana hanononana ny Anarany ao amin’ny toko sivy ao amin’ny Baiboly, izay nosoratany tamin’io fiteny io; Ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao kosa dia nahazo tsindri-mandry mba hampiasa anarana Grika mba hiantsoana Azy.

Ny zava-dehibe amin’izany rehetra izany, dia tsy ny feo ampiasaina mba hanoritana an’Andriamanitra, fa ny dika marina izay fohazin’ny Anarany : ny raharahany, ny fiandrianany, ny fahefany, ny heriny, ny fiamboniany.

Ny fisehoana sy ny toetran’Andriamanitra

« Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. » (Genesisy 1:1). Ao amin’io andininy voalohany indrindra amin’ny Baiboly io, Andriamanitra dia manambara ny tenany amin’ny anarana hebreo hoe Elohim.

Ny Testamenta Vaovao dia milaza fa Andriamanitra Ray dia namorona ny zava-drehetra tamin’ny alàlan’i Jesosy Kristy, Izay niaraka Taminy hatramin’ny voalohany (Jaona 1:1-14; Efesiana 3:9).

Misy persona mihoatry ny iray izany Andriamanitra: Andriamanitra Ray sy ny “Teny” (Ilay Mpitondra-teny), Izay taty aoriana dia lasa Jesosy Kristy rehefa teraka ho olombelona ara-nofo. Io fifandraisan’ny Ray sy ny Zanaka io dia mampiseho fa Ankohonana na Fianakaviana Andriamanitra. Ny fomba nampiasàna ny teny hoe Elohim dia hita ao amin’ny andininy voalohany amin’ny Genesisy, ary any amin’ny toeran-kafa, dia maneho fa Andriamanitra dia Fanjakana na Fianakaviana.

Koa satria Mporona Izy, Izy koa dia Andriamanjakan’ny zava-boary. Tsapantsika fa raha vao vita ny famoronana ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, dia nomeny toromarika sy baiko izy ireo: «  Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy… » (Genesisy 1:28).

Antsoina hoe El Shaddai ihany koa Andriamanitra, izay midika hoe “Andriamanitra Tsitoha”. Loharanon’ny fahefana rehetra Izy. Tsy maintsy hajaina ny Anarany satria Izy no loharanon’ny hery rehetra, ny fanapahana rehetra, sy ny fahefana rehetra.

Ny anarana ampiasaina matetika ao amin’ny Testamenta Taloha, Jehovah dia nalaina avy tamin’ny teny hebreo YHVH, izay adikan’ny Baiboly Katolika hoe Iaveh . Io teny io koa dia ampiasaina sy omena dikany ao amin’ny Genesisy 21:33 : « Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay. »

Io Anarana io maneho ny toetran’Andriamanitra amin’ny maha-Andriamanitra velona mandrakizay Azy. Efa nisy hatramin’izay ka ho mandrakizay Izy. Manome tso-drano an’ireo izay mino Azy sy mankatò Azy Izy.

Mikasika ny toetrany fototra

Ao amin’ny Baiboly manontolo, ny Anaran’Andriamanitra dia mikasika ny toetrany fototra. Ny heriny, ny fisiany hatramin’izay ka ho mandrakizay, ny famindram-pony, ny fahatokiany, ny fahendreny sy ny fitiavany.

Mariho ny fomba ampifanarahan’ny mpaminany Davida ny Anarana sy ny hery mpamoron’Andriamanitra: « Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! Nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao…Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? » (Salamo 8:1-4).

Ireo andininy ireo dia maneho an’Andriamanitra Izay manandratra ny voninahiny eny ambonin’ny zava-drehetra. Koa tsy mahagaga izany raha tokony ho hajaina ny Anarany sy ny Raharahany.

Nanoratra ihany koa i Davida hoe: « Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô » (Salamo 9:2).

Moa fantatrao ve hoe nahoana no te-hankalaza [hihira] ny Anaran’i Jehovah i Davida? « Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. » (Salamo 9:3-4). Midera an’Andriamanitra i Davida satria Izy no Mpiaro sy Mpanavotra azy, Izy no loharanon’ny fahefana rehetra izay nitodihan’i Davida raha nitady famonjena izy. Nivavaka Taminy sy nidera Azy i Davida: « Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô » (Salamo 9:10).

Ireto koa ny anaram-boninahitra sy anaram-piandrianana izay omen’i Davida an’Andriamanitra: « Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. » (Salamo 18:2)

Nitsaoka an’Ilay Andriamanitra velona Izay nanafaka azy izy, Izay namonjy azy sy niaro azy tamin’ny fahasahiranana sy ny loza amin’antambo. Tsy nieritreritra Azy ho toy ny “Fanatrehana anaty” izy, na “nihevitra” izy hoe Andriamanitra dia mandeha any an-toeran-kafa any, ary tsy hiditra an-tsehatra indray andro amin’ny fomba mahagaga amin’ny raharahan’izao tontolo izao. Mifanohitra amin’izany, fa ny anaram-boninahitra nampiasain’i Davida, teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, dia maneho fa Andriamanitra dia Andriamanjaka miasa sy velona, Izay manjaka amin’ny zavatra nohariany, miaro sy mitantana ireo izay manompo Azy.

Isaia ihany koa dia manoritra ny fahefan’Andriamanitra, sy ny fomba namoronany ny zava-drehetra: « Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany » (Isaia 45:7).

Nasehony koa avy eo ny fomba nanirahany olona maro sy firenena maro mba hanao ny sitrapony. Hoy Andriamanitra tamin’ny firenena: “mivoria ka avia… »( Isaia 45: 20). Mihaika azy ireo koa Izy mba haneho andriamanitra hafa izay manana hery toa Azy; Hoy Izy: « Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra… » (Isaia 45:22-23)

Asehon’Andriamanitra eto fa Izy no tokony hivavahana sy hankatoavina.

Ny fampiasàna tafahoatra ny Anarany

Na fanahy iniana na tsia, maro ny olona no mampiasa tafahoatra ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fomba maro. Fotoana izao tokony hibebahana amin’izany, sy hijanonana tsy hanonononom-poana ny Anaran’Ilay Mpamorona!

Amin’ny ankapobeny, dia mihevitra ny olona fa “tsara” ny mianiana amin’ny Anarany, na mampiasa ny Anarany rehefa manompa. Ampiasaina koa io Anarany io any amin’ny téatra na sinema, amin’ny tsy misy antony sy tsy momba ny fivavahana, mba “hampifaliana” an’ireo mpijery.

Io fanevatevàna an’Andriamanitra io no anisan’ireo antony maro izay hidiran’Andriamanitra an-tsehatra mivantana tsy ho ela amin’ny raharahan’izao tontolo izao, mba hanafay ireo izay mikomy Aminy sy mandoto ny Anarany.

Hoy Andriamanitra: « … Nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko. » (Isaia 66:2)

Any amin’ny firenena maro, dia fomba fanao ny mianiana eo anatrehan’ny Tribonaly, ary miveli-rano amin’ny Baiboly, na miantso ny Anaran’Andriamanitra.

Nefa i Kristy dia nampianatra antsika hoe« Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany » (Matio 5:34-35).

Ny filazana marina na ny tenin’ny tena kristiana dia tokony hisy vidiny bebe kokoa noho ny fianianana an’arivony ataon’ny vavolombelona eo anatrehan’ny Tribonaly.

Momba ny fampiasàna ny anaram-boninahitra ara-pivavahana, dia hoy i Kristy: « Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra » (Matio 23:9). Mazava izany!

Ny hany Raintsika ara-panahy dia Andriamanitra. Ny mampihatra io fiteny io ara-pivavahana, amin’ny fomba samihafa, amin’ny olombelona, dia fitenenan-dratsy eo imason’Ilay Mpamorona. Mazava ho azy fa ara-pivavahana no resahina eto, fa tsy ireo ambaratongam-pihavanana amin’ny mpikambana amin’ny fianakaviana iray.

Ny fahotana tena mahazatra ny olona

Raha nampianatra nivavaka an’ireo Mpianany i Jesosy Kristy, dia nanipika Izy ny tokony hanajàntsika lalina an’Andriamanitra sy ny Anarany. Hoy Izy: « Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra » (Matio 6:9-10).

Io fanazavàna ny hoe “ety an-tany tahaka ny any an-danitra” ity dia tsy mifandraika fotsiny amin’ny hoe “Hatao anie ny sitraponao”, fa koa amin’ny hoe “Ho tonga anie ny fanjakanao” sy amin’ny hoe: “hohamasinina anie ny anaranao”.

Manamasina ny Anaran’Andriamanitra ny olona rehefa manoa ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra, sy manao ny sitrapon’Andriamanitra ary manaiky ny Lalàny.

Raha mahatsapa fanajàna lalina fotsiny rehefa mandre ny fanonona an’io Anarana io ny olona dia tsy mahavita afa-tsy ny ampahany amin’ny fanatanterahana an’io didy fahatelo io. Nanontany i Kristy hoe: « Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? » (Lioka 6:46).

Ny mivavaka amin’Andriamanitra nefa tsy mankatò Azy dia fomba hafa fanevatevàna an’Andriamanitra. Ireo izay manao izany fahotana izany dia tsy maintsy mibebaka amin’izany ary miova fomba fanao.

Tadidio koa fa izay mampiasa, amin’ny tsy misy antony na manaonao foana, ny Anaran’i Jesosy Kristy, dia mandika ihany koa ny didy fahatelo.

I Jesosy Kristy dia Andriamanitra. Ny Anarany, toy ny Anaran’ny Ray, dia maneho ny toetrany, sy ny andraikitra lehibe tanany amin’ny maha-Mpa  monjy, Filoha sy Mpanjakan’ny mpanjaka ho avy Azy. Andriamanitra Ray dia nanome anarana ho Azy « ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa » (Efesiana 1:21).

Izay milaza fa manaja an’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, nefa tsy mety mankatò Azy ireo, dia manao fahotana.

Hoy i Kristy : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra » (Matio 7:21).

Enga anie ianao hianatra hitsaoka an’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana! Enga anie ianao hahay hanome voninahitra sy hanaja ny Anarany masina, izay manambara ny Heriny, ny Fahendreny, ny Fitiavany, ary koa ny Hatsaram-panahiny, ny Faharetany sy ny Famindram-pony tsy manam-pahataperana!

Ny Anaran’Andriamanitra dia maneho ny toetra, ny andraikitra sy ny Fahamendrehan’Andriamanitra Avo Indrindra izay mitantana ny Onivera manontolo.


 

NY DIDY FAHA-EFATRA

Inona ary ny dikan’ny fiainana? Inona no tanjon’ny fisian’ny olombelona? Ary inona avy ireo lalàna mety hahatratrarana izany tanjona izany?

Ny ankabeazan’ny olona dia tena sahirana amin’ny fiahiany isan’andro ny “hitady izay harapaka” ka tsy mandany andro amin’izay resaka ara-panahy. Ho azy ireo, ny fianarana Baiboly sy ny fivavahana aza dia fandaniana fotoana.

Arak’izany, ny olona moderina sy mandroso dia tsy mahalala na inona na inona momba ny resaka finoana sy fivavahana. Mampalahelo izy ireny fa tsy mahalala na inona na inona momba ny fahamarinana fototra lazain’ny Baiboly.

Aminy dia toa alavitra azy Andriamanitra, ary heveriny fa “ny Baiboly dia tsy natao afa-tsy ho an’ireo antitra sy ireo mpitori-teny”. Izy indray dia manantena ny hiova ho tsara “indray andro any…”

Amin’ny fomba ahoana, ary rahoviana? Rahoviana izy no hanam-potoana hianarana Baiboly, hivavaka amin-kafanam-po, hisaintsaina ny lalan’Andriamanitra sy ny tanjon’ny fiainana?

Ny valiny angamba dia hoe “tsy hisy mihitsy izany”, raha tsy hoe mianatra manaiky ny didy faha-efatra izy. Ny fanekena an’io didy io, izay tsy tena azon’ny olona mihitsy, dia anisan’ny resaka manan-kery mba hampifanakekezana ny olombelona amin’Andriamanitra, mba hahafahan’Ilay Mpamorona mitso-drano azy sy mitarika azy.

Ny didy faha-efatra dia mameno ny fizarana voalohany amin’ny Didy Folo izay mandamina ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona. Mivaofy ny fitandremana ny fifamantaran’Andriamanitra sy ireo izay tia Azy sy manaiky Azy io didy io.

« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. » (Eksodosy 20:8-11)

Io didy io, izay lava indrindra amin’ireo Didy Folo, no didy faran’izay fotopotoran’ny olona indrindra amin’ny taranja, ary tena hiadiany hevitra indrindra; io indrindra koa no tiany ho foanana na sarahina amin’ireo didy hafa rehetra.

Mariho tsara fa manomboka amin’ny fandidiana ny olona “hahatsiaro” izy io. Manaporofo izany fa efa nomena taloha izy io. Mampahatsiahy ny vahoaka ny zavatra efa fantany Andriamanitra.

« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy... », izany hoe mba hitahiry azy ho masina. Ny olombelona meti-maty dia tsy afaka hahatonga na inona na inona ho masina! Noho izany, mba hahazoana tanteraka ny dikan’io didy io, dia tsy maintsy fantarintsika hoe iza no nahatonga an’io andro sabata io ho masina, ary oviana no nahatonga an’izany.

Hoy i Jesosy : « Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata, ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona. » (Marka 2:27-28)

Tsy nilaza Izy fa natao ho an’ny Jiosy ny sabata, fa ho an’ny olona, ho an’ny zanak’olombelona rehetra. Izy tenany, i Kristy, dia nambarany fa “Tompon’ny sabata”.

Nandritry ny fiainany tety an-tany, dia nitandrina tamim-pahatokiana ny sabata Izy; Nanome toromarika mazava ny mpianany Izy momba ny fomba fitandremana an’izany, mba hanafahana azy ireo amin’ny fomban-drazana izay nampian’ny Jiosy tamin’izany fitandremana izany.

Iza no nanao ny sabata?

Mba hahazoana ny hoe iza no nanao ny sabata, ahoana ny fitandremana sy ny “fanamasinana” an’izany, ary nahoana no ilaina ny mitadidy an’izany, dia ilaina ny miverina mijery ny tantara ao amin’ny Baiboly momba ny Fanorenana.

« Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. » (Jaona 1:1-3)

Eto, dia tsapantsika fa i Jesosy Kristy, “ny Teny” – na ny “Mpitondra Teny” - dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany, ary ny zava-drehetra dia nataon’i Jesosy Kristy avokoa (Efesiana 3:9).

Tao amin’ny Epistily ho an’ny Hebreo, i Kristy dia voasoritra hoe Zanak’Andriamanitra, ary ny Ray dia nanendry an’i Jesosy Kristy «  ho Mpandova ny zavatra rehetra” satria “Izy no nahariany izao tontolo izao, » (Hebreo 1:2). Ireo andalan-tsoratra masina ireo, sy ny maro hafa, dia mampiseho fa Izy no persona tao amin’Andriamanitra Izay lasa Jesosy Kristy taty aoriana. Izy Ilay niteny hoe: « Misia mazava; dia nisy mazava. » (Genesisy 1:3). Izy no namorona ny olombelona, ary nametraka azy tao amin’ny saha Edena.

« Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy » (Genesisy 2:2-3).

Eto dia tsapantsika fa natao ny sabata rehefa avy noforonina ny olombelonaNataon’Ilay lasa Jesosy Kristy izany.

Andriamanitra dia nitahy ny andro fahafito sy “nanamasina” an’izany - izay voninahitra tsy nomena na dia ho an’ny iray tamin’ireo andro mialohan’izany aza. Rehefa mitso-drano zavatra iray Andriamanitra, dia omeny ny fanambinany izany, ary mameno an’izany amin’ny fanatrehany Izy. Azo soritana ny teny hoe “manamasina” ka lazaina hoe “atokana mba hampiasaina ho masina na hanana tanjona masina.

Ny Sabata dia fitahiana

Tamin’ny alàlan’i Jesosy Kristy, dia nohamasinin’Andriamanitra ny andro fahafito amin’ny herinandro, noho ny fahefany amin’ny maha-Mpamorona Azy. Didiany isika hitohy hanamasina an’izany. Ny sabata dia fitahiana ho an’ny olombelona rehetra.

Fantatry ny Mpamorona antsika fa ilaintsika ny hanana fotoana fialan-tsasatra isan-kerinandro; Izany no antony namoronany ny sabata. Isika rehetra dia manana fitongilanana ho variana loatra amin’ny ahiahintsika, ny asantsika sy ny fahafinaretana isan’andro mandritry ny herinandro. Fa mandritry ny sabata, dia afaka – ary tsy maintsy – manadino ny fahazarantsika isan’andro isika, ary manatona an’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny fianarana, ny fandinihan-tena sy ny fivavahana.

Ilain’ny zanak’olombelona mihitsy io ampaham-potoana io mba hiraisany amin’ny Mpamorona azy. Maka fotoana mba hiheverana an’Andriamanitra sy hitsaohana Azy, hivavahana, hianarana ny Teniny ary hisaintsainana momba ny tanjon’ny fiainana ary koa ny Làlan’Andriamanitra. Izany rehetra izany dia manampy tanjaka sy dikany amin’ny fiainana.

Ny Sabata tokoa mantsy no anisan’ny fitahiana lehibe indrindra izay nomena ny zanak’olombelona!

Maro ny olona no mihevitra fa, satria ny sabata dia nomena tamin’ny Testamenta Taloha, dia natao ho an’ny Jiosy irery izany, ary tsy natao ho antsika ankehitriny, isika izay ao amin’ny Fanekena Vaovao.

Tsy misy zavatra lavitry ny fahamarinana toy izany! Andriamanitra dia nanamasina ny andro sabata tamin’ny Famoronana, taloha lavitry ny fisian’ny Jiosy, ary taloha lavitry ny Fanekena Taloha izay nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny zanak’Isiraely. Taorian’izay, dia nandidy ny fitandremana ny sabata in-droa Izy ka nanao fifanekena manokana niaraka tamin’ny olony mba hitandreman’ireo izany.

Hoy Izy tamin’i Mosesy: « Ary dia milazà amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. » (Eksodosy 31:13). Eto, dia misy resaka “famantarana” hamantarana Ilay tena Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana?

« Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra » (Eksodosy 31:17).

Ny sabata dia “famantarana” satria izany no hahalalàna an’Ilay Andriamanitra Mpamorona. « Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany » (Eksodosy 31:16).

Io fanekena mandrakizay io dia natao hamantarana an’Ilay hany Mpamorona marina. Andriamanitra ihany koa dia niala sasatra tamin’ny andro faha-fito, ary nanamasina azy ho fahatsiarovana ny sangan’asany.

Ny maha-zava-dehibe ny sabata

Ny tantaran’ny firenen’Isiraely sy Joda dia maneho fa notahiana izy ireo tamin’ny zava-drehetra raha mbola nivavaka tamin’Ilay Andriamanitra marina sy nanaja ny Sabatany. Nefa kosa, rehefa tsy niraharaha an’io didy io izy ireo, dia lasa nivavaka tamin’ny zava-boary fa tsy tamin’Ilay Mpamorona: Niodina tamin’Andriamanitra izy ireo mba handeha hanompo sampy ary hanao sorona olombelona. Dia lasa nanafay azy ireo Andriamanitra.

Teo anelanelan’ny taona 721-718 tal JK, dia lasan-ko babo ny Isiraelita ary nanjo azy ny famaizana lehibe indrindra izay nanjo ny firenena hatrizay. Nambaran’Andriamanitra mihitsy ny anton’izany.

Rehefa avy nanambara Andriamanitra fa namoaka ny vahoaka Isiraely tany amin’ny tany Egypta, ka nanome azy ireo ny fitsipiny sy ny didiny, dia nampiany hoe: « Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy. » (Ezekiela 20:12-13)

Im-betsaka Andriamanitra tao amin’io toko io no nanambara fa nikomy taminy ny firenen’Isiraely; Nomelohany izy satria nandika ny sabatany. Tsy nilaza Izy hoe “ny sabatan’ny Jiosy”, fa ny “sabatako”, izany hoe ny sabatan’Ilay Mpamorona Tsitoha.

Nataony fifanekena manokana sy mandrakizay eo aminy sy ny Zanak’Isiraely ny didy mikasika ny sabata. Ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy sy ny Apostoly dia maneho tsy misy isalasalana fa io “marika famantarana” io dia tsy maintsy tandreman’ireo rehetra mino Azy sy mankatò Azy – raha hafohezina, dia ireo Isiraely ara-panahy rehetra (Jereo Romana 2:28-29 sy Galatiana 3:7, 28-29; 6:15-16).

Andriamanitra dia tena misy ho an’ireo izay mitandrina ny sabata; fa ho an’ny hafa, dia tsy tena misy Izy – na masiaka sy mafy fo, izay mipetraka any amin’ny toerana lavitra tsy fantatra any!

Fanazavana an’io didy io

Ankehitriny, koa satria efa azontsika fa ny didy mikasika ny sabata dia mamatotra antsika sahala amin’ireo didy momba ny vono olona, ny fijangajangana sy ny lainga, andao ho jerena ny fiharany amin’ny fiainantsika manokana.

Io didy io dia misy fibaikoana fototra roa. Voalohany, « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy », avy eo : « Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra… »

Noho ny fahefan’Andriamanitra, ny andro enina voalohany dia napetrany mba hiasan’ny olombelona. Sitrapon’Andriamanitra no nahatonga an’itsy farany hahazo ny haniny isan’andro mandritry ny andro enina hiasàny isan-kerinandro.

Ny asa marina, nodinihana ary ikirizana, mandritry ny enina andro, dia toy ny asa fivavahana sy asa fankatoavana an’Andriamanitra.

Napetraka tamin’ny tontolo misy izay ilaina momba ny fiainany ny olombelona; nefa mba hahazoany an’izany, dia tsy maintsy miasa izy. Tao amin’ny Saha Edena, dia nasain’Andriamanitra “niasa” sy “nitandrina” ny tany izy, izany hoe nikarakara azy (Genesisy 2:15).

Ny olona izay tsy mandeha mivavaka amin’ny andro fahafito, araky ny nodidian’Andriamanitra, dia tsy afaka manome ny heriny rehetra ao amin’ny asany mandritry ny andro enina hafa. Izany dia mihatra amin’ny asa ataony sy ny hafaliana tsapany rehefa manao ny asany izy.

Koa satria ny Mpamorona mihitsy no nandidy an’izany andro fialan-tsasatra izany, dia afaka mitandrina izany isika, sy miha-vao ara-panahy, sady matoky tanteraka fa Izy mihitsy no hitso-drano anao sy hanome fahombiazana anao.

Tena andro tsy fiasàna nefa andraisam-bola

Raha ny tena izy, raha vao mijanona tsy miasa ianao mba hiala sasatra, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia fantatrao tsara fa ho tratry ny fahadisoam-potoana ianao amin’ny asanao, ary ho kely ny karamanao. Kanefa kosa, noho ny fahefan’ny Mpamorona mitantana anao, ny lalàn’ny Sabata dia milaza fa raha miala sasatra ianao ka mitsaoka an’Andriamanitra amin’ny adro fahafito, dia hahavita asa bebe kokoa amin’ny enina andro noho ny amin’ny fito andro! Midika izany fa manome antsika karazana fialan-tsasatra andraisam-bola isaky ny fito andro Andriamanitra.

Ny tanjon’io fialan-tsasatra io dia tsy hoe hialantsika sasatra ara-batana fotsiny, fa koa ahafahantsika manokan-tena ara-panahy ho an’Andriamanitra, hisaintsaina ireo tanjona sy ny lalàn’ny fiainana napetrak’Andriamanitra, ary mba hampihatra an’izany. Rehefa mitandrina ny andro fahafito izay nohamasinin’Andriamanitra isika, dia mifanakaiky amin’ny Mpamorona azy ny olombelona.

Ankehitriny isika dia miaina amin’ny andro tena be asa indrindra noho izay efa niainan’ny olombelona rehetra. Izany dia fotoana izay ahitana fa ny ankabeazan’ny olona dia toa tsy manana afa-tsy fotoana fohy – na tsy manana mihitsy – mba hisaintsainana momba ny tanjona ara-panahin’ny fiainana.

Raha tsy mitandrina ny sabata izany ny olona, dia manalavitra ny tanjom-piainana sy ny lalàna mifehy ny fahombiazan’ny fiainana; tsy afaka mahafantatra izy hoe iza izy, ho aiza izy, ary ahoana ny fomba hahatongavana any.

Amin’izao androntsika izao, mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra, isika dia mila mifandray amin’Andriamanitra ary koa mila mahazo ny zavatra ara-panahy, izay azontsika amin’ny fitandremana tsara ny sabata; Izany no ahazoantsika ny tso-drano sy ny fitarihan’Andriamanitra.

Ahoana no fitandremana ny sabata

Misy olona sasany nanandrana nampiseho fa ny didy momba ny sabata dia toy ny “zioga fanandevozana”, rehefa nampihatra tamin’ny fomba tsy mety ny fampianaran’i Jesosy izy ireo. Lazainy fa “an’ny jiosy” izany; Miresaka an’izany izy ireo ka milaza fa tena sarotra tandremana be ny sabata, ary toa ozona natao ho an’ny olombelona!

Mifanohitra amin’izany anefa, fa ny sabata dia andro misy fahafinaretana sy fifaliana, satria andro ahazoana feno ny fahalalàna ny tanjona ara-panahy.

Tamin’ny alàlan’Isaia, dia nanambara Andriamanitra hoe : « Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny » (Isaia 58:13-14).

Tokony hataontsika hoe fahafinaretana izany ny andro sabata, fa tsy mikatsaka fotsiny ny hanomezana fahafaham-po ny fifalian’ny tenantsika, fa manome voninahitra sy mitsaoka ny Raintsika any an-danitra amin’izany. Ny fitandremana ny sabata amin’ny fomba toy izany dia mitarika fifaliana sy fahasambarana lalina; Ho afaka hiala sasatra tanteraka amin’ny asantsika sy ny sorisorintsika isan’andro isika, ary hanompo ny Mpamorona antsika amim-pifaliana sy fahatoniana.

Na dia tsy maintsy miaina araky ny fanahin’ny lalàna aza ny kristiana, dia tsara ny maka toro-hevitra amin’ny fitsipi-pitondran-tena nomen’Andriamanitra an’ny Zanak’Isiraely momba ny fiomanana amin’ny sabata.

Ao amin’ny Eksodosy 16:22-23, dia nolazain’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely mba hanomana ny sakafony amin’ny andro ankatoky ny sabata. Koa satria ny andro dia manomboka sy mifarana rehefa maty ny masoandro (Genesisy 1:5; Levitikosy 23-32), ny kristiana marina dia tokony hamarana ny asany aloha kelin’ny maty masoandro, ny harivan’ny andro faha-enina.

Ny ohatra nomen’i Jesosy

Im-betsaka i Jesosy no naneho ny fomba fitandremana ny sabata. Ao amin’ny Marka 2:23-28, dia nasehony antsika fa tsy misy maharatsy ny mitady sakafo amin’ny andro sabata, raha toa ka tena ilaina izany.

Indray sabata, dia nasehony tamin’ny Fariseo fa tena manara-dalàna ny manao ny tsara, sy ny manafaka ny fijalian’ny hafa amin’izany andro izany. Afaka manao asa izay ilaina ihany koa isika, toy ny manome hanina ny omby aman’ondry, sy ny akoho amam-borona.

Jesosy Kristy no ohatra amin’ny fomba fiainan’ny tena kristiana; Tamin’ny fiainany sy ny asany, dia nampianatra Izy fa ny sabata dia andro fivorian’ny kristiana, fivoriana nodidiana, ho an’ny vahoakan’Andriamanitra (Lioka 4:16).

Noho izany dia mianara mitandrina ny sabata noho ny voka-tsoa omeny. Ampiasao ny andro fahafito izay nohamasinin’Andriamanitra, araky ny sitrapon’Andriamanitra, mba hialanao sasatra amin’ny asa fanaonao an-davan’andro, mba hivavahana, hianarana, hisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra. Maka fotoana hanaovan-tsoa amin’ny hafa.

Ataovy ho fahafinaretana ho anao ny sabata

Mahaiza mankasitraka an’Andriamanitra fa natokany isan-kerinandro io ampaham-potoana kely io mba hahafahanao miala sasatra sy mitsaoka Azy. Io fialan-tsasatra ara-batana io sy io fahatongavanao ho tanora ara-panahy io dia hanome tanjona sy dikany vaovao amin’ny fiainanao. Noho io fotoana io, dia afaka mametraka fifandraisana manokana amin’Andriamanitra isika - « fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika » (Asan'ny Apostoly 17:28)

Ny fiatombohan’ny fahamarinana rehetra, sy ny siansa rehetra, dia ny fahatahorana an’i Jehovah (Ohabolana 1:7). Tandremo sao mandika ny didy faha-efatra ianao!

Raha alainao io andro io mba hanaovanao ny raharahanao, na alainao hakanao fahafinaretana manokana io andro io, dia mangalatra amin’Andriamanitra ianao, ka ho lasa meloka amin’ny fandikàna ny didy faha-valo. Raha mitsiriritra an’io ampaham-potoana io, izay an’Andriamanitra fa tsy anao ianao, dia mandika ny didy faha-folo. Raha mametraka zavatra hafa eo amin’ny toeran’Andriamanitra ianao, dia meloka fa mandika ny didy voalohany, ary koa ny didy faha-dimy, satria tsy manajà ny Rainao ara-panahy!

Amin’izao fotoan’ny “Matérialisme” (izay fampianarana milaza fa tsy misy ny fanahy) sy ny safotofoto ara-pivavahana izao, ka mitombo izaitsizy ny vono olona sy ny herisetra, ka milanja ny fandrahonana tsy an-kijanona ny fandringanana ny taranak’olombelona isika, dia tena ilaina tokoa ny mankatò ny didy faha-efatra, mihoatra noho ny tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny tantara!

Ny andro faha-fito, ilay andro tokana izay nohamasinin’i Jehovah, dia ny ampaham-potoana izay nodidin’Andriamanitra sy notsofiny rano hialantsika sasatra sy hanaovana fanompoam-pivavahana. Tsy vitan’ny hoe anisan’ny tso-drano faran’izay lehibe izay nomen’Andriamanitra ny olombelona izany, fa koa marika ifankahafantaran’Izy sy ireo tia Azy.

Tadidio izany ary hamasino io andro io!

NY DIDY FAHA-DIMY

« Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao » (Eksodosy 20:12). Ny herisetra sy ny avonavon’ny tanora no mampiavaka ny fotoan’androntsika ankehitriny. Mitombo ny isan’ny tokan-trano rava; ny isan’ny vono olona sy ny heloka dia fatra-pitombo tokoa, ka ireo adolantsento no maro manao an’izany.

Ilay mpitsara atao hoe Samuel Leibowitz, izay mahalala fatratra ny olan’ny tanora, dia te-hahafantatra ny antony mahatonga ny tanora hahatsiaro-tena ho diso fanantenana. Rehefa nanadihady an’ireo manam-pahefana ambony ao amin’ny Polisy sy ny Fampianarana izy, dia nahatsapa fa, rehefa manaja ireo fahefana misy ny tanora, dia tena ambany ny tahan’ny heloka ataon’izy ireo.

Nambarany fa ny fiaraha-monina moderina dia toa manana teny filamatra hoe : “Ataovy izay rehetra tianao hatao”. Koa io fiaraha-monina io, izay mamela ny olona hanao an’izao rehetra izao, dia tsy mahatonga ny zaza ho sambatra sy hahay handanjalanja. Ny zaza dia mila ny “rindrina matevin’ny fifehezana sy ny lalàna » izay manodidina azy sy mamaritra ny tontolony, ka mampiseho azy ny fetra izay azony aleha. Manomboka tamin’izy mbola kely dia kely, dia tsy maintsy “ampianarina izy hanaja ny ray aman-dreniny sy hankatoa azy ireo”.

Namarana ny fikarohany ny mpitsara Leibowitz ka nanolo-kevitra an’ity vaha-olana tsotra ity hoe: “Avereno eo amin’ny toeran’ny loham-pianakaviana ny ray.”

Io vaha-olana io, izay tena tsotra tokoa, dia tonga any amin’ny loharanon’io olana io ihany: raha mbola kely ny zaza, dia tsy maintsy mianatra manaja ny fahefana misy.

Io fampianarana io dia tsy maintsy manomboka ao an-tokan-trano, mialohan’ny fahafantaran’ny zaza fa misy ny fiangonana, ny sekoly sy ny firenena; Izany dia manangana ao anatiny ny fihetsika mety hatao eo anatrehan’ireo izay lehibeny.

Rehefa novelarina hatramin’ny fanombohana izany fampianarana izany, ny endriky ny toetran’ny zaza dia hiseho eo amin’ny fieritreretany ny ny fihetsiny mandritry ny androm-piainany rehetra.

Ny didy efatra voalohany dia mikasika ny fihetsik’isika eo anatrehan’Andriamanitra: ireo enina hafa dia mikasika ny fihetsik’isika eo anatrehan’ireo manodidina antsika. Ny didy faha-dimy izany dia anisan’ity andiany farany ity – ary izy no teboka fototra, rehefa azo tsara ny tena dikany marina; Izy io no tsipi-panohizan’ireo andiany roa ireo, izay mahafeno ny Didy Folo.

Ny fankatoavana ny didy faha-dimy dia tsy azo ihodivirana fa mifandray indrindra amin’ny fanekena an’Andriamanitra Izy Tenany sy ny fomba fanajàna Azy. Io no voalohany amin’ny didy misy fampanantenana toy izao : « Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao » (Eksodosy 20:12).

Fa nahoana no tsy maintsy hajaina izy ireo?

Satria miankina amin’izany ny fahasambarantsika sy ny haha-ela velona antsika. Teo ambany fifehezan’ny Testamenta Taloha, ny sazin’ireo nandika an’io didy io, mahitsy sy miharihary, dia ny fahafatesana: « Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa …Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa » (Eksodosy 21:15-17).

Izany dia maneho fa zava-dehibe amin’Andriamanitra io didy io.

Ny fianakaviana no fototry ny fiaraha-monina; ny fifandraisan’ireo zanaka sy ireo ray aman-dreniny dia mampahatsiahy ny fifandraisana ara-panahy misy eo amin’Andriamanitra sy ireo tena kristiana.

Eo imason’ny zaza kely iray, ny ray aman-dreniny no mitàna ny toeran’Andriamanitra; izy ireo no mpiaro azy, tompony, mpanao ny lalàny, tia azy ary manome azy an’izay rehetra ilainy. Ny fampianarana fototra omena ny zaza, sy ny fomba fihetsiny eo anatrehan’ireo fifandraisana ireo, dia hisy fiantraikany lehibe tokoa amin’ny fihetsiny any aoriana any eo anatrehan’ny fifandraisany mihe-mitatra hiarahany amin’ny fiaraha-monina hisy azy. Amin’ny farany, dia hisy fiantraikany marina amin’ny fifandraisany amin’ny Rainy any an-danitra izany.

Im-betsaka ny Testamenta Vaovao dia manamafy an’io didy io. Hoy ny Apostoly Paoly: « Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana) » (Efesiana 6:1-2).

Tsy maintsy manaja ny ray aman-drenintsika isika mandritry ny androm-piainantsika. Fa amin’io andalana manokana io, izay nalefa indrindra ho an’ny ankizy, dia nafarana izy ireo hanaiky ny ray aman-dreniny “ao amin’ny Tompo”.

Tena tsy manana traikefa sy saina mandanjalanja ny zaza; Mila mianatra manaiky izy. Andriamanitra dia nametraka ny ray aman-dreny ho tompon’andraikitra amin’ny fampianarana sy ny fitarihana ny zaza arak’izay mety hatao.

Ny fanekena “araky ny Tompo”

Araky ny nanomezana azy, ny didy faha-dimy dia mandidy ny Ray aman-dreny ho mendri-kaja. Satria tokoa mantsy, mba hanajàna ny olona iray, dia tsy maintsy mendrika an’izany aloha izy.

Ny ray aman-dreny dia mila mahatsapa fa, eo imason’ireo zanany, dia solo-tenan’Andriamanitra izy ireo. Ny toe-piainany dia tokony hahatonga ny olona hanaja azy tanteraka.

Raha vao afaka mahazo resaka ny zaza, dia tsy maintsy ambaran’izy ireo azy ny fisian’Andriamanitra, dia Ilay Ray ara-panahy, Ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany.Tokony hianatra hanaja an’io Ra           y ara-panahy io ny zaza, hanaiky Azy amin’ny finoana sy ny fitiavana mbola madio kokoa noho ny fitiavany an’ireo Ray aman-dreniny eto an-tany. Ny lesona tena lehibe tokony hampianarina ny zaza – ary hampianarina amin’ny olon-dehibe koa aza – dia ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fanoavana ny Lalàny.

Ny hany hafatry ny Baiboly, momba ny fanoavan’ny zaza tanteraka an’ireo Ray aman-dreniny, dia ny fombam-pitenenana hoe “ao amin’ny Tompo”. Ny tiana ho resahina eto dia tsy ny toetra ara-panahin’ireo Ray aman-dreny akory. Raha vao nanomboka nisy ny fivavahana kristiana, dia nisy zaza izay, raha vao lehibe, dia niova fo, nefa ireo Ray aman-dreniny dia tsy nanao toy izany.

Arakaraky ny hitomboan’ny zaza, ka lasa mahafantatra an’Andriamanitra izy, ny fampianarana mikasika ny fankatoavana ny Ray ama-dreny “ao amin’ny Tompo” dia manan-kery.

Raha terena handika ny Didin’Andriamanitra izy, dia aleony manaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona (Asan’ny Apostoly 5:29). Nefa, na dia misy aza izany ohatra mihoa-pampana izany, dia tsy maintsy manome voninahitra sy manaja ireo Ray ama-dreniny izy, ary manaiky ny sazy izay heverin’izy ireo fa ilaina ny mampihatra izany aminy.

Tahaka izany no hahazoan’ny zaza fahazarana hanaiky – an’Andriamanitra sy ireo Ray aman-dreniny. Hanaja tanteraka ny lalàna rehetra sy ny fahefana rehetra izy.

Ny fitahiana noho ny fankatoavana

Tadidio ny tso-drano izay tsy afa-misaraka amin’ny didy faha-dimy manao hoe: « mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany» (Efesiana 6:3).

Raha nianatra nanaiky ireo fahefana sy nanaja ny lalàna hatramin’ny fony kely ny zaza, dia tsy ho lasa mpandika lalàna dieny mbola tanora izy na oviana na oviana. Tsy hieritreritra ny hangalatra na hamono olona antitra izy; tsy hieritreritra ihany koa ny hihantsy an’ireo manam-pahefana any an-tsekoly na ireo solon-tenan’ny fahefam-panjakana akory izy.

Miankina amin’ny fankatoavana ny didy faha-dimy ny famoronana fomba sy toetra haharitra mandritry ny androm-piainana. Ny tanora voaofana toy izany dia hanao izay tsy hisian’ny tsy fitandremana, ny herisetra, ny naman-dratsy sy ny fikomiana amin’ny lalàna – izay antony mahatonga ho maty tanora.

Raha ny dikany farany dia ity: ireo mianatra manaja ny Ray aman-dreniny, sy Andriamanitra ihany koa, dia inoana fa ho ela velona eto an-tany, ary handova ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy: « Sambatra ny malemy fanahy (izany hoe ireo manetry tena sy ireo mankatò); fa izy no handova ny tany» (Matio 5:5).

Maro ireo fanambinana ho azon’ireo manaiky ny Ray aman-dreniny, anisan’izany ny fahatsiarovan-tena ho misy mpiaro, izay tsy bitika velively. Araky ny efa notsipihan’ny Mpitsara Leibowitz, ny zaza dia tsy mahita ifaharana raha tsy lazaina aminy ny fetra azony aleha.

Ny zaza tsy mpankatoa dia zaza diso fanantenana; ny sainy dia mijaly lalandava noho ny fieritreretany fa meloka izy, fa mpikomy izy. Tsy toy izany ny mitranga amin’ireo izay tia ny Ray aman-dreniny, izay manaja sy mankatò azy ireo, satria izy dia tena ho tahiana. Hanao izay hananana fiainana sambatra izy, ary amin’ny ankapobeny, tsy misy fanahiana. Koa satria izy efa nanana fahazarana hanaja ny Ray aman-dreniny, dia ho mora aminy kokoa ny hanao fanompoana an’Andriamanitra.

Hatramin’izao, dia niresaka indrindra ny fampiharana ny didy faha-dimy amin’ny ankizy sy ny tanora isika; na dia izany aza, dia natao ho an’ny tsirairay koa izy io, na firy taona izy na firy taona.

Ny rehetra dia tsy maintsy manaja ny Ray aman-dreniny

Eo amin’ny fiainantsika, dia ho tonga ny fotoana tsy ilàna intsony ny hanekena an-tsakany sy an-davany an’ireo Ray aman-drenintsika, fa kosa tsy hisy na oviana na oviana ny fotoana hahafahana hijanona tsy hanaja azy ireo.

Ny teny hoe “manaja” dia misy dikany mihitatra kokoa noho ny teny hoe “manaiky”. Manondro fanajàna lalina ny olona iray izany, ary manamarika fihetsehampo misy fanombanana an’ilay olona ho ambony tokoa.

Ny olona izay nianatra nanaiky ny Ray aman-dreniny dia maneho, amin’ny manaraka, ny fomba fanajàna azy ireo satria nankafy lalina kokoa ny fiadanana sy ny fampianarana nomen’izy ireo azy nandritry ny fahazazany. Izany fomba fanajàna azy ireo izany dia miseho amin’ny fahalalam-pomba, ny hatsaram-panahy sy ny halemem-panahy andraisana azy ireo. Arakaraky ny maha-matotra antsika, dia mahatsapa isika fa ireo Ray aman-drenintsika ireo dia lany fotoana maro tamin’ny asa, ny fanahiana lehibe sy ny vavaka satria mandry an-driran’antsy tamin’ny fitsinjovana ny fiadanan-tsaina sy ny fahasalaman’ireo zanany. Tokony hahatsiaro sambatra isika amin’ny fanehoantsika ny fitiavana toy izay nomeny antsika koa.

Amin’ny andro fahanterany, maro ny Ray a man-dreny no maniry ny hahatsapa an’io fitiavana mitovy amin’ny azy io, ary hahatsapa fa miray loha   amin’ireo zanany izy ireo; Ny manaja azy ireo dia mety hahazoanao fitahiana lehibe tokoa.

Aoka isika hitadidy an’izany, ary hanapa-kevitra ny hanao toy izany!

Ny fahotana mahazatra ny olona

Tena henatry ny fiaraha-monina ankehitriny izay lazaina hoe kristiana, fa an’aliny ireo Ray aman-dreny antitra no voatery hivelona amin’ny “pension” kely omen’ireo servisy na birao manao ny asa fizarana an’izany! Amin’ny ankabeazan’ny tranga, ireo zanany dia afaka manome an’ireo Ray aman-dreniny ny fanampiana ilainy, nefa tsy vonona ny hanao an’izany mihitsy izy ireo.

Nomen’i Jesosy Kristy famporisihina tena mavitrika isika amin’izany.Tamin’izany fotoana izany, dia mahita “fialan-tsiny” ny olona mba tsy hiahiany an’ireo Ray aman-dreniny. Mihambo ny olona fa ny vola tokony hanampiana an’ireo Ray aman-dreniny dia efa “korbana”, izany hoe natao fanatitra ho an’Andriamanitra (Marka 7:11). Ireo vola ireo dia tsy anisan’ny ampahafolon-karena homena an’Andriamanitra, fa natao ho fanampin’ny fanatitra.

Hoy i Jesosy, nanome tsiny an’ireo izay niseho ho tena mpihatsara ivelatsihy sy mpakamamy fivavahana indrindra: «  Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa » (Marka 7:9-10).

Mariho kely azafady ny fomba fisainan’ireo olona ireo, mba tsy hanekeny an’io didy io. Nanohy niteny ihany i Jesosy hoe: « Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy, ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo… » (Marka 7:11-13)

Ireo teny ireo dia mampianatra mazava fa tsy maintsy manome fanampiana ara-pitaovana sy ara-bola an’ny ray aman-dreninao antitra ianao, raha tsy manana izy ireo, kanefa ianao manana.

Izany adidy izany dia anisan’ny fanekena ny didy faha-dimy.

Ny ohatra nomen’i Jesosy

Niainan’i Jesosy tanteraka ny hafatra nampianariny. Ny fiainany dia ohatra maha-te-hizaha amin’ny fanekena ny didy faha-dimy. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia nanambara Izy fa nitandrina ny didin'ny Rainy (Jaona 15:10). Tamin’ny nankatoavany ny Rainy Izay any an-danitra, sy ireo Ray aman-dreniny olombelona, Izy mbola “Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy” (Lioka 2:40).

Diniho koa ny tantara mahagaga momba ny diany tany Jerosalema mba hitandrina ny Paska, tamin’Izy vao roambinifolo taona. Taorian’ny andro fihinanana mofo tsy misy masirasira, dia nandeha nody tsy niaraka Taminy ireo Ray aman-dreniny. Noheverin’izy ireo fa niaraka tamin’ny olom-pantany sy ny havany akaiky Izy (andininy 43-44).

Natoky Azy izany izy ireo, satria fantany fa mahay mandanjalanja Izy; noheveriny tamin’izay fa ny zanany dia niaraka tamin’ireo tanora hafa niara-dia taminy, rehefa niverina ndeha hody tany Nazareta izy rehetra.

Kanefa, tsy nandry ny sain’izy ireo, ka niverin-dalana mba hitady Azy izy ireo, rehefa avy nandeha lalana indray andro; tsy tany amin’ny toerana fisakafoanana na tany amin’ny toeram-pilalaovana no nahitany Azy, fa tany an-Tempolin’Andriamanitra, « nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy » (Lioka 2:46).

Ny fahendren’i Jesosy mbola zatovo

Tamin’izany i Jesosy dia vao roambinifolo taona, fa ireo Ray aman-dreniny dia nampianatra Azy ny Soratra Masina. Nianatra tamin-kafanam-po Izy. Nitombo tamin’ny fahalalàna sy ny fahazoana ny lalan’Andriamanitra Izy. Nosoratan’i Lioka fa « talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany » (Lioka 2:47).

Rehefa nanontany Azy ny renin’i Jesosy hoe nahoana Izy no nijanona tany aoriana, dia namaly Izy hoe: « Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho? » (Lioka 2:49)

Manaja hatramin’ny farany

Taorian’izay, dia « niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. » (Lioka 2:51)

Tsy nijanona nanaja sy nanaiky an’ireo Ray aman-dreniny olombelona mihitsy i Jesosy tamin’Izy nitombo sy nanoman-tena hanao ny irak’Andriamanitra izay nanirahana Azy.

Na dia tamin’ny fotoana nahafatesany aza, raha mbola niaritra ny fampijaliana tena mahatsiravina izay noforonin’ny olombelona Izy, dia nanaja ny Reniny ka nanao izay hiantohana ny ho avin’ity farany: « Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin'izany ora izany dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy » (Jaona 19:26-27).

Nandray fepetra izany Izy mikasika ny Reniny, mba hikarakaran’i Jaona azy amin’ny manaraka. Tamin’ny fotoana izay tokony ho nitodihan’ny eritreritry ny olona hafa rehetra tamin’ny tenany manokana, dia mbola tadidin’i Jesosy ihany ny didy faha-dimy ary naneho fitiavana an’ilay olombelona izay niteraka Azy Izy. Nanaja an’ilay vehivavy izay namelona Azy sy nampianatra Azy araky ny fitsipik’Andriamanitra Izy.

Ny ohatra lavorary izay nomen’i Jesosy Kristy antsika dia ahafahantsika marina hahalala tsara kokoa ny fiantraikan’ny didy faha-dimy izay mandidy antsika ho tia, hanaja ary hanome voninahitra an’ireo Ray aman-drenintsika.


 

NY DIDY FAHA-ENINA

Ny fankahalàna sy ny herisetra dia manjaka eran’ny faritra rehetra amin’izao androntsika izao, izay misy fifanoherana, fifaninanana ary fihenjanana.

Ny zanak’olombelona dia manandrana mizatra amin’ny fisian’ny famonoan-tenan’izao tontolo izao. Koa tsy mahagaga raha mitondra vokatra mandrava ny fitsipi-pitondran-tena sy ny tanjona tsara kendren’ny olona izany.

Tsy fantatry ny olona moderina Ilay tena Mpamorona, sady tsy atahorany.Tsy tsapany fa rehefa mandika ny lalàn’Andriamanitra izy ireo, dia tsy maintsy manefa ny sazin’izany. Raha ny marina, raha mankatò ny Didy Folo izy, dia tsy hisy izao korontana ankehitriny izao.

Efa hitantsika ireo fanambinana vokatry ny fanajàna an’Andriamanitra, rehefa manome voninahitra ny Anarany isika, sy manamasina ny andro Sabatany.

Ny didin’Andriamanitra rehetra dia mifototra amin’ny fitiavana, ary mitondra fanambinana.

Nandritry ny kotrokorana, tselatra ary fihorohoroana mafy, ara-baki-teny, teo ambony tendrombohitra Sinay, Andriamanitra dia nanonona tamin’ny feo mahery ny didy faha-enina manao hoe: « Aza mamono olona » (Eksodosy 20:13).

Ireo manam-pahaizana ara-Baiboly dia samy mihevitra fa tokony ampiana hoe”Aza manao fanahy iniana mamono olona”, satria izany no tena dikan’ny teny hebreo momba an’io didy io. Satria tokoa mantsy mety mahafaty olona ianao, nefa tsy ninianao natao izany. Aoka ho marihina fa ny soratra misy ny Lalàn’Andriamanitra dia ny zanak’Isiraely taloha ihany no nomena izany; fa ny kristiana kosa, dia tsy maintsy miaina arak’io soratra io, ary koa araky ny hevitr’io Lalàna io, araky ny fanazavana nataon’i Kristy Tenany mihitsy.

Araky ny soratry ny Lalàna, ny vono olona niniana natao no voarara. Tadidio tokoa fa, tamin’ny Fanekena Taloha, dia nodidin’i Jehovah ho vonoina ireo izay manao heloka sasantsasany (Eksody 21:12-17); nefa kosa, ny fahafatesana nihatra tsy nahy dia tsy mba noheverina hoe vono ²olona. (Nomery 35:7-34). Ny vono olona tsy nahy dia miharihary fa heloka lehibe, ary ilay mpamono olona tsy nahydia tsy maintsy mipetraka mandritry ny taona maro any amin’ny tanàna fandosirana, mandra-pahafatin’ny mpisoronabe.

Araky ny soratry ny didy, ny famonoana ho faty noho ny vono olona niniana natao, sy ny ady nataon’Isiraely araky ny baikon’i Jehovah, dia tsy azo raisina hoe famonoana olona, fa fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny olombelona izay natao fitaovana. Ohatra fotsiny, Andriamanitra dia nandidy ny zanak’Isiraely mba handringana ny foko mpanompo sampy nipetraka tao Kanana (Deoteronomia 7:1-2).

Tsy ady noforonin’ny olombelona izany; tsy nisy resaka valifaty na halozan’ny tsirairay na ny firenena izany. Izany dia fanekena ny sitrapon’Andriamanitra, izay manome ny aina – ka Izy irery no manam-pahefana hanapaka ny fotoana hakany izany indray.

Marihina koa etoana fa ny tantara dia milaza fa ireo firenena izay nonina tany amin’ny tany Kanana dia faran’izay masiaka; Dorany velona ny zanany mandritry ny sorona olombelona atolotra an’ireo andriamanitra sampiny. Tsy nisalasala ny Mpamorona tamin’izany fotoana izany handidy ny fanafongorana azy ireo.

Ho setrin’izany, rehefa mandeha miady noho ny sitrapony manokana ny firenen’Isiraely, dia nandositra izy ireo ary voavonon’ny fahavalony. Amin’ny fotoana miavaka andidian’Andriamanitra azy ireo handeha hiady, dia hampiasainy ho toy ny fitaovan’ny fitsarany izy ireo, fa tsy mampiasa pesta na mosary Izy.

Raha jerena izay rehetra navela hataon’ny Isiraely taloha, dia tokony ho tadidiantsika fa ny Isiraelita dia firenena ara-nofo, fa ny Fanjakan’Andriamanitra kosa dia manana ny maha-Izy Azy ara-panahy. Raha manoritra ny maha-samihafa ny fomba fiasan’ny Lalàn’Andriamanitra tany amin’ireo Isiraely ara-nofo sy tamin’ny kristiana tarihin’ny Fanahy ny   Apostoly Paoly, dia nanambara izy: «  fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona » (2 Korintiana 3:6).

Tsarovy ny fitsipi-pitondran-tena izay novoasan’i Jesosy Kristy momba izay “navelan”’i Mosesy nataon’ny zanak’Isiraely tsy niova fo, amin’ny toe-javatra sasantsasany: « Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany » (Matio 19:8; Marka 10:5).

Tany am-piandohana, Andriamanitra dia nikasa fa tsy hamono olona ny olombelona. Ka na dia “navela hataon”’ny vahoaka Isiraely ara-nofo sy tsy niova fo aza izany vono olona izany amin’ny toe-javatra sasantsasany, dia ho hitantsika fa amin’ny vanin’andro ankehitriny, Andriamanitra dia mampitombo ao amin’ireo zanany “notorontoronin’ny Fanahiny” ny toetra mitarika azy ireo ho tia, hanompo ny hafa, ary hamonjy aina – fa tsy manesotra an’izany.

Ny loharanon’ny fiainana

Hoy Andriamanitra hoe: « Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka…» (Genesisy 1:26).

Nanome aina ny olombelona Izy; tsy ny olombelona no nanome an’izany ny tenany. Koa tsy manan-jo ny hanala an’izany amin’ny tenany izy, na koa hanala an’izany amin’ny hafa.

Amin’ireo zava-boary ara-nofo rehetra, ny olombelona ihany no manana ny karazam-panahy toy izay ananan’Andriamanitra. Andriamanitra no Andriamanjakan’ny zava-drehetra izay misy; na izany aza, Andriamanitra dia manamboatra zanaka ara-panahy avy amin’ny olombelona ara-nofo, izay hanjaka miaraka Aminy indray andro any.

Mila traikefa ny olombelona mba hampitombo ao anatiny ny toetra kasain’Andriamanitra ho azy. Mila fotoana vao manana traikefa; ny ain’ny olombelona dia misy fetrany. Nomen’Andriamanitra antsika ity fiainana ity mba hiomanantsika ho any amin’ny Fanjakany mandrakizay.

Ny fanomezana aina, fofon’aina ary fahafahana manao dia misy ny zava-drehetra. Izany no fanomezana tena mahatalanjona indrindra izay fantatra. Ny ma nala ny aina, dia mandevona ny zava-drehetra ; mamarana amin-kasiahana, ary amin’ny fomba tsy ampoizina, an’ireo nofinofy sy teti-kasan’ny olona iray izay natao tahaka ny tarehin’ny Mpamorona. Izany dia misandoka ny fahefana izay an’Andriamanitra irery ihany

Ny fampiharana ny didy

I Jesosy Kristy dia tonga mba “hahalehibe” ny lalàn’Andriamanitra sy “hahabe voninahitra” an’izany (Isaia 42:21). Nohazavainy ny Didy Folo; Nasehony teo amin’ny fiainana kristiana ny hevitr’izany ara-panahy.

Hoy Izy: « Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo» (Matio 5:21-22).

Eto dia hitantsika ny fiandoh an’ny vono olona, dia ny fankahalàna sy ny hatezerana.

Nanambara i Jesosy fa raha mameno ny fon’ny olona iray ny hatezerana, dia tafidi-doza izy fa ho enjehin’ny fitsarana. Raha ny fahatezerana no manosika azy hanaraby ny namany, na hahatsiaro te-haniratsira tanteraka azy, dia ho “miendrika hohelohina amin'ny Synedriona” izy, izany hoe ny fanamelohan’Andriamanitra. Raha toa, noho ny alahelony na noho ny fanebahany azy, misy olona miteny amin’ilay eo akaikiny hoe: “adala” ianao – izay fiteny manamarika ny fanamelohana tamin’ny teny grika tany am-boalohany – dia mendrika ny hatsipy any amin’ny farihy mirehitra afo izy.

Izany no fampiharana nataon’i Kristy tamin’ny didy faha-enina. Raha avelantsika hiditra ao am-pontsika ny fankahalàna sy ny fahatezerana, dia ho kolokolointsika ao anatintsika ny “saina” te-hamono olona.

Ny asa dia manaraka ny fisainana; Amin’ny voalohany isika dia mieritreritra, avy eo dia miasa. Ny Fanahin’i Kristy no mitarika antsika, tsy hoe ho tompon’ny asa ataontsika fotsiny ihany, fa koa ho tompon’ny eritreritr’isika sy ny fihetsik’isika.

Ny Fanekena Vaovao dia, amin’ny am-pahany, ny fomba hanoratan’Andriamanitra ny Lalàny ao am-pontsika sy ao amin’ny saintsika (Hebreo 8:10).

Hoy Izy, tamin’ny alàlan’ny Apostoly Paoly: « Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah » (Romana 12:19).

Tsy afaka hamaly faty ny olona ka hilaza tena ho hendry sy marina. Andriamanitra irery no manana fahendrena, fahefana sy “alàlana” hamaly faty am-pahamarinana amin’ny olombelona – ary koa, raha ilaina izany, hamono an’izy ireo. Andriamanitra dia misy; Ny fiarovany sy ny famaliany koa dia misy!

Mandresy ny ratsy amin’ny soa

Raha izany, ahoana ary no hanaovantsika an’ireo fahavalontsika? « Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany. Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy. » (Romana 12:20-21)

Tena mila herin-tsaina marina isika mba ho afaka hanampy sy hanompo ny olona akaiky antsika, rehefa nanandrana nanisy ratsy antsika izy. Mila fahendrena  isika mba hahatsiaro fa olombelona toa antsika io – natao araky ny endrik’Andriamanitra – izay diso hevitra fotoana fohy fotsiny, na tamin’ny eritreriny, na tamin’ny nataony.

Ka tsy tokony ho latsaka amin’ny firehana voa-janahary isika, izay mandrisika antsika hamaly ratsy an’izay nanao ratsy antsika, fa tokony hianatra fa « mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. » (Asan'ny Apostoly 20:35)

« Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana » (Jakoba 1:17). Ny fiainantsika, ny herintsika, ny saintsika, ny fahafahantsika miasa – izay rehetra ananantsika na antenaintsika hananana – dia avy Aminy. Mba hiainantsika am-pahasambarana, isika dia tsy maintsy mianatra manome, manompo, ary mitia. Izany no lesom-piainana lehibe. Vakio nyfanoritana ny fitiavana kristiana ao amin’ny toko faha-telo ambinifolo amin’ny Epistily Voalohany ho an’ny Korintiana nosoratan’i Paoly.

Ny sain’ny fahasiahana sy ny vono olona dia mifanohitra tanteraka amin’ny toetra fototra izay takian’Andriamanitra amin’ireo izay tia Azy. « Ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. » (1 Jaona 3:14-15)

Ireo sary mampiseho hasiahana

Mampitandrina antsika Andriamanitra amin’ny fitsiriritana, ny fankahalàna sy ny fitiavan-karena be loatra: « Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany » (1Jaona 2:15-16).

Ny olona izay variana mandritry ny ora maro amin’ireo tantara maro maneho fijangajangana, fakàna vadin’olona, halozana, vono olona izay mandeha ao amin’ny fahitalavitra na ny sinema, dia ohatra mahavariana momba ny fitsiriritana, ny herisetra sy ny fankahalàna izay kolokoloina sy hianarana.

Fotoana izao hianaran’ny kristiana mijanona tsy hameno ny sainy sy ny fony amin’ny fako toy izany, amin’ny herisetra sy ny vono olona!

Ny fiaraha-monina moderina dia mifototra amin’ny rafitry ny fifaninanana, ny fitsiriritana sy ny fitiavan-tena, ka izany dia betsaka fa tsy tsapan’ny olona akory. Izany hoe mifototra amin’ny sain’ny vono olona izany.

Tsy ampy ny toerana eto hitanisana ny endrika azo eritreretina amin’ny vono olona ataon’ny olona matetika, indrindra any amin’ny tontolo tandrefana.Na izany aza, dia tokony ho efa azontsika ny fitsipi-pitondran’ny didy faha-enina, ka tokony harahina izany.

Any amin’ireny orinasa ireny, dia misy fomba fanao matetika mba tsy hiraharaha ny voina misesisesy noho ny fampiasana tsy an-kijanona ny vokatra sasantsasany. Ilay mpamorona sy ny mpanao dokam-barotra dia manakimpy ny masony amin’ny loza lehibe mety haterak’izany ra            ha ampiasaina tsy tapaka izany vokatra izany.

Ho fialan-tsininy, dia henonao izy milaza hoe: “Inona moa no azo hatao? Izany no raharahanay!”

Andriamanitra dia miteny fa ny tokony ho raharahianao voalohany – ny tena lehibe – dia ny fanoavana ny Lalàm-pitiavany!

Andao koa ho resahina ireo mitetika ny hamono tena. Fandikana ny didy faha-enina koa izany, satria tsy misy manan-jo haka ny aina izay nomen’Andriamanitra azy. Ny olona toy izany dia mandà tsy hanatratra ny tanjona izay antony namoronan’Andriamanitra azy; Izany hoe manameloka ny Mpamorona izy ka manao fahotana lehibe fa nanao fitenenan-dratsy tena lehibe tamin’Andriamanitra. Ny “psychologie” - na fahaizana mikasika ny firafitry ny toe-tsaina – moderina izay manentana ny olona mba hanao izay hahafaly ny “ego” – na ny tena manokana – dia nitarika ny olona mba hanao vono olona amin’ny fomba hafa. Isan-taona, an’alina maro ireo zatovo vavy no meloka eo anatrehan’Andriamanitra - sy eo anatrehan’ny zanak’olombelona – izay heloka mbola lehibe kokoa noho izay heverin’ny ankabeazan’izy ireo.

Noho ny faniriany hitsaoka amin’ny andraikiny, na hanafina ny henatra izay mihatra aminy, dia iniany foanana an-tsitrapo fotsiny izao ny ain’ilay zaza entiny ao am-bohoka. Izany fomba izany, izay antsoina hoe “fanalan-jaza”, dia vono olona eo anatrehan’Andriamanitra!

Toy izany koa ny atao hoe “euthanasie” – na fahafatesana tsy mandre marary – na ny “mamono olona noho ny fitserana azy”. Izany dia midera izaitsizy ny vono olona avy amin’ny fanafody omena ny marary izay manana aretina tsy mety sitrana na mandre fanaintainana maro.

Ireo izay midera izany fomba izany dia tsy miraharaha an’Andriamanitra. Adinon’izy ireo fa Izy no nanome ny aina, ary Izy irery ihany no afaka maka an’izany indray. Amin’ny seho maro, dia minia tsy mahafantatra ny fahefan’Andriamanitra hanasitrana olona izy ireo – na inona na inona aretiny.

Misy koa karazana-vonoan’olona hafa, izay ny lela no fitaovana amin’izany. Izany dia ataon’ny olona izay manaratsy sy mitsara ny hafa, ka mahatonga an’ity farany harary ara-batana sy ara-tsaina; amin’ny seho sasany, dia mahatonga fahafatesana na famonoan-tenan’ilay olona izany. Andriamanitra dia nilaza fa izay nahavita zavatra toy izany dia “miendrika ho faty” (Romana 1:29-32).

« Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. » (Ohabolana 18:21)

Ny heloka lehibe indrindra ataon’ny zanak’olombelona

Ny loza amin’atambo vokatry ny ady angamba no heloka lehibe indrindra ataon’ny zanak’olombelona mitambatra. Tamin’ireo taona maro nifandimby, dia ain’olombelona an-tapitrisa maro, izay noforonina ho tahaky ny endrik’Andriamanitra, no nesorina tsy misy fiantràna, noho ny ady izay matetika tsy nahatratra tanteraka akory ny tanjona noheverina ho tratrariny.

Ilay Mpanabe lehibe indrindra teto an-tany, dia i Jesosy Kristy, Ilay Mpitondra-tenin’ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia niteny hoe: « Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo » (Matio 5:43-44).

Maro kokoa ireo maty tanora, ireo tokan-trano foana – fotoana maro sy fananana simba noho ny loza amin’atambo vokatry ny ady, noho ny vokatry ny fomba maro hafa nampiasaina nandritry ny tantara nifandimby. Tsy nitondra vaha-olana ho an’ny olombelona mihitsy ny ady, na nitondra fandriam-pahalemana maharitra. Ny ady dia miteraka ady hafa; « fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra » (Matio 26:52).

Tamin’ny alàlan’ny Apostoly Jakoba, dia nasehon’Andriamanitra fa ny ady dia vokatry ny karazam-panahy mifanohitra amin’ny fanahy izay tiany ho hita ao amin’ny kristiana. « Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo? Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka » (Jakoba 4:1-2).

Tonga nitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra i Jesosy Kristy; Izany dia mifototra amin’ny Didy Folo – Izay Lalànam-panahy. Rehefa ho tonga ety an-tany ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra, ny lalàny dia hamirapiratra ka ho lasa ohatry ny fitondran-tena ho an’ny firenen-drehetra (Mika 4:1-2). “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony » (Mika 4:3).


 

NY DIDY FAHA-FITO

Moa ny fiaraha-mientan’ny taovam-pananahana ve no tena zava-dehibe eo amin’ny fanambadiana? Amin’izao fotoan’androntsika maha-maro ny fahapotehan’ny tokantrano, ny zaza mandika lalàna ary ny firafitry ny saina moderina izao, maro ny olona hilaza fa marina izany.

Na izany aza, arakaraky ny hampiasàna betsaka an’izany fandinihana moderina izany no mampitombo bebe kokoa ny tahan’ny fisaraham-panambadiana sy ny zaza voatery hitombo tsy mba nahafantatra ny hatao hoe tokantrano mari-pototra sy sambatra.

Ohatra amin’izany, tany Frantsa, tamin’ny 1974, 13% ny fanambadiana no nifarana tamin’ny fisarahana; tany Soeda, dia 57% io taham-pisarahana io. Tamin’io taona io ihany, tany Etazonia, mpivady 970.000 no nisaraka, izany hoe ny ampaha-efatry ny fanambadiana. Ny fifampodiana dia vitsy, tena vitsy!

Araky ny Statistika, aorian’ny dimy na sivy taona nivadiana no misy an’ireo sokajin’olona te-hisara-panambadiana. Ny antsasa-manilan’ireo mpivady miandry fisaraham-panamba         diana no tsy niteraka, na efa niteraka iray. Ny ampaha-telon’nympivady nisaraka dia efa niteraka iray talohan’ny nivadiany.

Araky ny fandinihan’ireo manam-pahaizana ara-tsiansa moderina momba ny taovam-pananahana sy ny fanambadiana, ny antsasa-manilan’ny fanambadiana dia miafara amin’ny fisarahana. Mifarana ny fanambadiana, fa ny fijaliana sy ny tebiteby dia tsy mba mifarana toy izany.

Moa ve misy dikany marina sy manokana ny fanambadiana, izay ilain’ny olona moderina ho fantarina? Moa ve misy lalàna sy fitsipik’Andriamanitra afaka mitahy ny fiarahana ka hahatonga an’izany ho rafitra maha-sambatra?

Natokan’Andriamanitra ny roa amin’ireo Didy Folo mba hiaraovana ny fifandraisana misy eo anivon’ny fianakaviana. Efa noresahantsika ny voalohany, izay milaza hoe : “Manajà ny rainao sy ny reninao…”

Ny iray hafa dia fintinin’ny didy faha-fito izay hanambaran’Andriamanitra hoe: “Aza mijangajanga” (Eksodosy 20:14).

Ireo didy ireo dia miaro ny voninahitra sy ny fahamasinan’ny fanambadiana; izy ireo dia miaro ny fifandraisana tena avo indrindra izay misy eto an-tany. Ny fanambadiana sy ny tokantrano no fototry ny fiaraha-monina manan-kaja.

Amin’izao androntsika izao, izay toa azo hanaovana an’izay tiana hatao, dia zava-dehibe ny hampahatsiahivana fa ny fahafatesana no sazy voatokana ho an’ny fandikana ny didin’Andriamanitra. “Fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23).

« Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy » (Levitikosy 20:10).

Nahoana ny fahotana fijangajangana no tena heloka bevava ka mendrika ny fahafatesana, ary araky ny lazain’ny Baiboly, dia mendrika ny fahafatesana mandrakizay any amin’ny farihy mirehitra afo? Satria ny fanambadiana dia fitsipika napetraka izay sarobidy sy masina eo anatrehan’Andriamanitra.

Ny tanjon’ny fanambadiana

Tsy ho takatra mihitsy ny tena dikan’ny fanambadiana raha tsy azo, alohan’izany, fa ny taovam-pananahana sy ny fanambadiana dia nalahatr’Andriamanitra. « Tsy tsara raha irery ralehilahy;” hoy Izy, ka “dia hanaovako vady sahaza ho azy izy » (Genesisy 2:18). Tsy feno ny lehilahy raha irery; koa dia nanapa-kevitra Andriamanitra fa hanao namana mitovy amin-dralehilahy, izay afaka miara-miaina aminy.

Nalefan’Andriamanitra teo amin’i Adama daholo ny biby rehetra mba hanomezany anarana azy ireo tsirairay (andininy 20). Tamin’ireo dia tsy nisy zava-manan’aina mitovy amin’ny olombelona, izay mety hifampizara aminy ny alahelony sy ny hafaliany, ny fanantenany sy ny nofinofiny. Izany no anton’ny namoronan’Andriamanitra ny vehivavy, avy tamin’ny nofo sy ny taolan’i Adama. « Ary hoy ralehilahy (Adama): Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy » (Genesisy 2:23).

Noforonina mitovy amin’ny lehilahy i Eva, mba ho “mpanampy” sahaza ho azy, mba ho vadiny sy ho namany. « Ary noho izany,” hoy Andriamanitra, “ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo » (Genesisy 2:24).

Ny tanjona lehiben’ny fanambadiana dia ny hahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy ho feno, satria raha tsy eo ny iray dia tsy feno izy ireo. Raha irery ny lehilahy, dia tsy ho afaka hanatratra ny tanjona izay antony namoronana azy; tsy ho afaka hianatra ny leson’ny toetra izay efa nomanin’Andriamanitra ho azy izy. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy maintsy miara-miaina, ho mpivady eo anivon’ny firaisana ara-batana, mba hifampizara ny zava-drehetra eo amin’ny fiainany.

Ny tanjona faharoan’ny taovam-pananahana sy ny fanambadiana dia ny fahatorontoronan’ny zaza sy ny fampianarana azy ireo. Hoy Andriamanitra tamin’izy mivady: « Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy… » (Genesisy 1:28).

Ny fiterahana zaza dia midika fa vonona ilay olona hiatrika ny adidiny mba hiaro sy hampianatra azy io. Ny tokantrano sy ny fanambadiana sambatra dia tena ilaina mba hampianarana sy hanofanana ny ankizy.Hoy Andriamanitra hoe: « Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany » (Ohabolana 22:6).

Ny vehivavy dia tsy maintsy ho tia ny vadiny sy ny zanany, “hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra” (Titosy 2:4-5).

Fianarana hampandroso ny toetra

Ny fianarana toetra izay ianarana ao an-tokantrano – ny faharetana, ny fahalalana sy ny hatsaram-panahy – dia toetra izay irin’Andriamanitra ho hita ao amintsika mandritry ny mandrakizay; kanefa, dia ao an-tokantrano sambatra sy mijoro tsara no ianarana an’ireo lesona ireo tsaratsara kokoa noho ny any an-toeran-kafa, ary koa ny fahamaotonana, ny tsy fisiam-pitaka ary ny fahatsiarovan-tena ho tompon’andraikitra.

Noho izany, ny tanjona lehibe fahatelon’ny fanambadiana, ankoatry ny hahalasa feno an’ilay lehilahy, sy afaka hahatorontoronina sy hampianatra zanaka, dia ny fanorenana toetra noho ireo fifandraisana misy eo anivon’ny fianakaviana.

Ny lalàn’Andriamanitra dia mifototra amin’ny fitiavana. Hoy i Jesosy: « Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. » (Asan'ny Apostoly 20:35). Mba hanekena an’ireo lalàn’Andriamanitra mikasika ny fanambadiana, ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy maintsy mifanampy amin’ny antanan-tohatra tsirairay sy ny endriky ny fiainany tsirairay.

Nanoratra ny Apostoly Paoly hoe: « Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy. Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy. Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo. » (1 Korintiana 7:3-5).

Ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fiarahana ara-batana dia trosa izaytsy maintsy hefain’ny mpivady amin’izy samy izy. Fa trosam-pitiavana izany, izay matetika misy fitahiana, dia ny aina vaovao.

Ny tanjon’ny hery mahasarika ara-pananahana dia hampirehitra ny fitiavana, ary hampahery an’izany. Ny fitiavana, amin’ny dikany ambony indrindra, dia fikambanan’ny mpivady amin’ny ara-tsaina, ara-po ary ara-batana. Andriamanitra dia namorona ny fanambadiana mba ho marika tanteraky ny fifankatiavana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.

I Kristy sy ny Fiangonany

Ny fikambanan’ny mpivady dia tena masina tokoa; hany ka Andriamanitra, ao amin’ny Teniny, dia mampiasa an’izany ho ohatry ny fifandraisana misy eo amin’i Kristy sy ny Fiangonany.

Arak’izany, mariho azafady izay ambaran’ny Efesiana 5:22-24: « Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra ».

Noho izany, ny vavy dia tsy maintsy manaiky ny vadiny, izay lohan’ny tokantrano; Izy ireo dia tsy maintsy mianatra manaiky an’i Kristy. Amin’ny alàlan’izany fifandraisana masina izany, izy roa dia mianatra ny fifampitokiana maharitra ela.

Miresaka amin’ireo lehilahy indray Andrimanitra hoe : « Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany » (Efesiana 5:25, 28).

Tahaka an’i Kristy izay nanompo, nanampy sy niaro ny Fiangonany, dia toy izany koa, ireo lehilahy dia tsy maintsy miaro, mitantana, mamporisika, tia ny vadiny, ary manome azy an’izay ilainy.

Adidin’ny lehilahy ny mampiasa an’io toerany io mba hanompoana sy hitantanana ny vadiny sy ny ankohonany, hiarovana azy ireo sy hanaovana izay hahasambatra azy ireo. Andriamanitra dia nametraka azy ho tompon’andraikitra sy filohan’ny fianakaviana marina.

Eo amin’ny fiarahan’ny mpivady, ny lehilahy sy ny vehivavy dia lasa tena iray. Ny tanjon’ny fifandraisany dia ho tandindon’ny fifandraisana mandrakizay, feno fitiavana sy fifanompoana, eo amin’i Kristy sy ny Fiangonany.

Ny fanambadiana dia mampianatra antsika ny fahatokiana mandrakizay an’i Jesosy Kristy ho Filohantsika. Raha misara-bady izany dia midika hoe tsy nianatra an’izany lesona izany.

Ahoana no hahatonga antsika hatoky an’Andriamanitra, mandritry ny mandrakizay, raha toa ka, noho ny fitiavan-tenantsika, dia lavintsika ny ho mahatoky amin’ny vadintsika izay mifamatotra amintsika mandritry ny taona vitsivitsy mandritry ny fiainana an-tany? Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika mianatra ny lesona momba ny fihafiana, ny hatsaram-panahy, ny faharetana, ny famolahan-tena, ny fitiavana sy ny fahatokiana, izay mandrafitra ny fifamatorana masina ao amin’ny fanambadiana?

Ny fampianaran’i Jesosy Kristy

Rehefa nanontany an’i Jesosy ireo Fariseo mpihatsara ivelatsihy ny momba ny antony namelan’i Mosesy ny olona hisara-bady, tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, dia namaly toy izao Izy : « Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo, fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao, dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona; Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany. Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona » (Marka 10:5-9).

Ny vokatry ny divorsa dia mitarika fisaraham-panambadiana! Aoka ho hazavaina etoana fa somary tsy fantatra akory izany tamin’ny enim-polo taona lasa izay. Mampalahelo ankehitriny fa isika dia mijery ny zava-misy mampitomany sy mampalahelo fa ny iray ampaha-telo (ary any amin’ny faritra sasantsasany dia ny antsasany) amin’ireo fanambadiana rehetra dia mifarana amin’ny tsy fahombiazana eo anatrehan’ireo manam-pahefana mpikarakara an’izany.

Ary inona no mitranga aorian’izany? Ny Statistika dia manamarina fa ny ankabeazan’ireo nisara-bady dia mitady vady hafa indray; ny ankabeazany dia mahita vady fanindroany, fanintelony, na faha-efatra aza. Anisan’ny fikasan’Andriamanitra ny hahatonga an’io faniriana voa-janahary io ho voafefy sy hahazo fahafaham-po tamin’ilay fanambadiana voalohany.

Hoy i Kristy: « Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny. Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy » (Marka 10:11-12).

Nafatotr’Andriamanitra

Efa hitantsika fa ny fanambadiana dia tsy mba fitsipika napetraka izay nivoatra noho ny fisainan’ny olombelona. Nalamin’Andriamanitra Mpahary izy io, ho fifamatorana masina, maneho ny fahatokiana mandrakizay eo amin’i Kristy sy ny Fiangonany.

Ny fijangajangana dia tsy vitan’ny hoe manimba an’ilay vady voafitaka fotsiny ihany, fa koa manimba ny tokantranony sy ireo zanany. Fanevatevana ny fiaraha-monina izany. Alohan’izany, dia heloka eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fitsipika napetrany izay nodidiny sy nohamasininy izany.

Ny fakàna vadin’olona, ny tsy fivadihana, ny fitsiriritana dia asa fikomiana amin’ny Lalàn’Andriamanitra.

Azo kokoa ny maha-fahotana ny fitsiriritana, rehefa azo tokoa fa ny fampiasana tsara ny taovam-pananahana, ao anatin’ny fanambadiana, dia marina sy masina eo imason’Andriamanitra.

Niresaka an’io lafiny manokana io i Jesosy Kristy rehefa namelabelatra ny Lalàn’Andriamanitra Izy, ka niteny hoe: « Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady » (Matio 5:27-28).

Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mandika ny didy faha-fito ny olona rehefa mieritreritra fitsiriritana hijangajanga amin’olon-kafa. Ny asa no mandimby ny eritreritra. Ka noho izany, dia ampahany amin’ny fampivelarana ny toetran’ny olona matahotra an’Andriamanitra ny mianatra mitarika sy mampiseho fahamatoran’ny fieritreretana handositra ny karazam-pitsiriritana sy faniriana hijangajanga.

Ny heloky ny fiaraha-monina moderina

Ny teny apetraky ny fiaraha-monina moderina eo amin’ny seksa - izany hoe ny mampiavaka ny maha-lahy sy ny maha-vavy - dia tena mahamenatra sy faran’izay ratsy tokoa, na dia tsy tena tsapan’ ny ankabeazan’ny olona aza izany. Izany dia mahavonto lalina tokoa ny antanan-tohatra isanisany sy ny endriky ny fiainana tsirairay, ka tonga zatra an’izany ny olona.

Ny fomba fitafin’ny vehivavy moderina dia manipika mandrakariva ny seksa. Ny sora-baventy ao amin’ny gazety dia manisy tsindri-peo ombieny ombieny izay mikasika ny seksa – ary hararaotiny izany. Ny ankabeazan’ny gazety boky moderina dia misarika mandrakariva ny saina amin’ny seksa, satria matahotra ny mpanonta boky sao tsy haha-lafo betsaka amin’ny boky aeliny izy raha tsy soratany mandrakariva ao amin’ny boky soratany ny teny hoe seksa.

Na any amin’ny teatra na any amin’ny sinema, na any amin’ny gazety sy gazety-boky, na any amin’ny peta-drindrina na any amin’ny dokam-barotra alefa amin’ny fahita-lavitra, na any amin’ny lamaody aza, dia marihina be loatra ny zavatra mikasika ny seksa – ary amin’ny fomba maro.

Ankehitriny, mihoatra lavitra noho ny taloha, maro ireo boky sy tantara foronina no mahazo soa amin’ny seksa ranofotsiny. Ireo boky mora vidy, izay misy zava-betaveta matetika, dia mameno ny talantalan’ny trano fivarotam-boky, sy ny magazay lehibe isan-karazany. Matetika, ny fonon’ireny boky ireny dia mamohafoha ny filan’ny nofo; toy izany koa ny loha-teny izay mety hanitona be.

Izany karazan-javatra izany dia endrika faran’izay ambany amin’ny havetavetana, izay manaratsy ny olombelona. Kanefa dia mitobaka eran’ny tsena anie izany e!

Ny fiaraha-monina moderina dia mandoa sazy mahatsiravina amin’izany havetavetana sy fahotana izay mieli-patrana izany! Mihe-maro be ireo tokantrano mijaly noho ny fijangajangan’ny iray amin’ny mpivady, na noho ny ataon’izy roa mihitsy. Mitombo be ny isan’ny tokantrano rava sy mifarana amin’ny fisaraha-panambadiana.Ny vokatr’izany dia marobe ireo ankizy tsy mahazo fitiavana avy amin’ireo ray aman-dreniny, ary tsy tarihin’izy ireo intsony. Ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna mialohan’ny fanambadiana dia lasa fanao mahazatra an’ireo tanora maro ankehitriny.

Izany zavatra rehetra izany dia fandikàna ny didy faha-fito daholo.

“Mandosira ny fijangajangàna…”

Nanambara Andriamanitra hoe: “Mandosira ny fijangajangana” (Korintiana 6:18).

Amin’izao vanin’andro fitaomana ny olona hijangajanga sy hitsiriritra ny firaisana ara-nofo izao, dia tena manan-danja tokoa ny manaraka an’io toro-hevitra io raha maniry te-hiditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona, ka hanana anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny seksa dia tsy “kilalao” azo hanaovana fanandramana. Io dia fitahiana nomen’Andriamanitra ao anatin’ny fanambadiana. Tokony ho eritreretina amim-panajana izany, ho fanambarana ny fitiavana mikarakara ny hafa, eo anivon’ny fikambanana izay tandindon’ny fahatokiana mandrakizay misy eo amin’i Kristy sy ny Fiangonany.

Ireo izay manam-bady, na eo an-dalan’ny fanambadiana, dia tokony hijery izany fikambanana izany toy ny fanambarana ny fitiavana misy hevitra hoe manome – fa tsy hoe maka amin’ny fomba feno fitiavan-tena. Tokony hihevitra ny fianakaviana ho toy ny toeram-panazarana izy ireo, mba hamorona ny toetrany, ka ho afaka hiditra any amin’ny fiainana mandrakizay, ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tokony tsy hisy zavatra na inona na inona hampiodina azy ireo amin’ny fifampitokiany, amin’ny fitomboany eo amin’ny resaka faharetana, fahalalàna, hatsaram-panahy, fifehezan-tena, fahendrena sy fitiavana.

Ny mpiara-belona amintsika dia faran’izay mila mianatra ny lesona momba ny fifampitokisana eo amin’ny fanambadiana. Tokony hanaiky ny soratra sy ny sain’ny didy faha-fito isika, izay mandidy hoe: “Aza mijangajanga”.

NY DIDY FAHA-VALO

 

Raha tsy isaina ireo fandikan-dalàna momba ny fitsipiky ny fifamoivoizana, dia 1.800.000 ny heloka sy fandikan-dalàna isan-karazany no vita tany Frantsa nandritry ny taona iray. Ka noho izany dia 33,68 ny isan’ny meloka (nanao heloka sy fandikan-dalàna ) tamin’ny mponina 1.000.

Tamin’ny taona 1963, 582.000 ny isan’ny heloka sy fandikan-dalàna natao, ka 13,58% ny tahan’ny heloka. Ny vola hatrany no ozatry ny heloka; Ny 90% ny fandikan-dalàna voaisa dia natao noho ny filàna tombony na fitiavan-karena; Koa noho izany, ny halatra misy fitaovam-piadiana, izay fomba tena mahomby mba hahazoana an’izany, no tena mitombo an’isa tokoa.

Araky ny efa hitantsika tamin’ireo toko teo aloha, ny fanekena ny lalàn’Andriamanitra no lalana mitondra amin’ny fandriam-pahalemana, fahasambarana, sy fiainana misy fitahiana. Na izany aza, rehefa dikain’ny olona izy ireny, dia tsy maintsy mizaka ny vokany ara-batana sy ara-panahy ny olona.

Ny didy faha-valo dia miaro ny fananana sy ny harena manokana. « Aza mangalatra. » (Eksodosy 20:15).

Mampalahelo anefan fa dikain’ny olona matetika io didy io; Ohatra amin’izany, rehefa avy niady hevitra momba ny fomba hamonoana antoka ny mpifanandrina na ny mpividy entana ry zareo, dia nisy « lehibe » nipi-tsoroka, ary nanambara hoe : « Atao ahoana e !izany no fomba fiasa !”

Na koa, rehefa avy nanatitra entana izay ratsy voatra, na nisy dokam-barotra mamitaka izy, dia nisy mpanao afera iray nihiaka hoe: “Na izaho na olon-kafa no nanao io fitaka io, inona no maha-samihafa an’izany?”

Rehefa mamitaka ny fitondram-panjakana ilay mpandoa hetra iray, na nanao fanambaram-pananana diso, mba hampanginana ny feon’ny fieritreretany dia mieritreritra toy izao izy: “Anjaran’ny fitondram-panjakana indray izao! Raha ny marina, dia efa be loatra ny vola alainy aminay.”

Na izany aza, rehefa halatra dia halatra, na inona na inona hanamarinanao an’izany.Hoy Andriamanitra hoe: “Aza mangalatra.”

Ny lalàn’Andriamanitra dia velona sy miasa; Rehefa dikaina izy ireny, dia tonga ho azy ny sazy marina.

Ny zo hanana fananana

Araky ny Baiboly, tsy misy afa-tsy fomba roa no mety hananan-javatra.

Ny voalohany dia ny mahazo fanomezana avy amin’olon-kafa na avy amin’Andriamanitra mihitsy. Ny faharoa dia vokatry ny asa am-pahamarinana, izay mampahazo zavatra ho karama ara-dalàna.

Ny didy fahavalo dia manaiky ny fahazoana ara-dalàna ny fananana, ary koa mandrara ny halatra. Zava-dehibe ny anamarihana fa, araky ny fototra, io didy io dia manameloka ny fomba rehetra mandà ny zon’olombelona hisitraka fananana, na ho an’ny tsirairay izany, na ho an’ny vondron’olona.

Raha araky ny fitsipi-pitondràna, na dia ny “miloka” aza dia fandikàna ny didy faha-valo. Satria tokoa mantsy, ilay nahazo ny volan-doka dia mampiditra ao am-paosiny ny vola izay tsy nisasarany tamin’ny asa marina.

Efa tsapa tokoa mantsy, fa eo amin’ny toerana lehibe misy filokana, dia miakatra tsy misy toy izany ny isan’ny fivarotana zava-maha-domelina (toy ny rongony), ny fivarotan-tena sy ny heloka bevava.

Ankehitriny, dia mihanaka amin’ny sehatra rehetra ny halatra. Tsy vitan’ny hoe misy mangalatra ny entana an’aliny maro eny amin’ny trano fivarotana, any amin’ny hotely, sekoly ary koa any amin’ny fiangonana, fa indraindray dia karakaraina koa ny sehatra avo lenta hanaovana fitaka amin’ny fitsapana na fanadinana any an-tsekoly sy any amin’ny oniversite. Koa satria matetika fantatra ny fisian’izany, nefa tsy taitra loatra noho izany ny olona, dia mihitatra tsy misy toy izany io fomba io. Ny “fanambakàna” toy izany dia midika hoe mangalatra valim-panadinana sy mahazo diplaoma amin’ny fomba tsy ara-dalàna; izany dia midika hoe mangalatra.

Ny halatra any amin’ny indostria moderina

Ny mpanao taozavatra na ny mpivarotra izay mampiasa refy na lanja tsy marina, na fitaovana ratsy kalitao na efa simba mba hamitahana ny vahoaka, dia meloka fa mandika ny didy faha-valo, toy ny mpangalatra tsotra. Miezaka maka vola misimisy kokoa noho izay tokony ho azony amin’ny ara-dalàna avy amin’ny vokatra nataony izy. Raha ny marina dia halatra izany.

Ny fomba fambolena moderina, ary koa ny fikarakarana ny zava-pihinana sasantsasany, dia anisan’ny fomba fangalarana hafa, izay tsy tsapan’ny olona. Ny mpamboly maro dia mangalatra amin’ny tany ny akora maha-velona izay, raha tsy natao toy izany, dia hamokatra sakafo ma         ha-salama, satria mandà izy ireo ny hamela ny tany hiala sasatra araky ny nodidian’Andriamanitra (Levitikosy 25:3-4). Esorina amin’ny sakafo, arak’izany, avy amin’ireo saha tsy misy akora mahavelona, ny vitamina voa-janahary, ny akora mineraly sy ny singa ara-tsakafo izay nisy tao.

Mijaly tanteraka arak’izany ny fahasalamantsika sy ny fototry ny aintsika. Ho porofon’izany dia ny firehan’ny besinimaro hihinana karazam-panafody misy vitamina, na hividy mofo sy ronono “nohatsaraina” tamin’ny fanampiana vitamina nataon-tanana. Ireto farany, (izay matetika tsy afaka ampiasain’ny vatantsika), dia tsy ho nilaina raha nambolena ara-dalàna ny sakafo izay hohanintsika.

Toy izany koa ny momba an’ireo”mikarakara” ny sakafo, izay atosiky ny fitia te-hahazo vola bebe kokoa, dia manala amin’ny sakafo ny akora mahasalama (ohatra ny lafarina fotsy be). Amin’ny tranga maro, dia ampiana fanafody simika ny sakafo, nefa ireo fanampy ireo dia matetika mampidi-doza amin’ny fahasalamana.

Tsy ampy ny fotoana sy ny toerana mba hamelabelarana hatramin’ny fotony ity resaka ity. Zava-dehibe anefa ny mahatsapa fa ny ankabeazan’ny olona, indrindra any amin’ny tany efa mandroso, no mijaly noho ny vokatry ny aretina tsy fahampian’otrikaina izay ataon’ny olombelona ihany. Izany dia mitranga amin’ny ampahany noho ny tsy fahalàlan’ny olona izay tokony ho hanina, ary amin’ny ampahany vokatry ny fitia te-hanan-karena an’ireo mpamokatra sakafo fihinana, izay nanala tamin’izany ny singa mahavelona.

Ny halatra amin’ny alàlan’ny dokam-barotra misy fitaka

Ny fahotan’ny mpivarotra tena mahazatra amin’izao fotoana izao dia ny manao dokam-barotra mamitaka. Ohatra fotsiny amin’izany, dia amporisihina ny mpividy hitelina fanafody iray mba hampahia na hampatavy azy arak’izay ilainy, mba hampatanjaka azy, na hampaniry ny volony izay efa lasa manify, na koa hanome vaha-olana azy amin’ny fahasorenana mihatra aminy.

Amin’ny ankabeazan’ny fotoana, ireny dokam-barotra ireny dia mifototra amin’ny lainga daholo. Izany fomba izany dia mahatonga ny olona hividy an’izany, satria matoky izay nampanantenaina azy.

Matetika tokoa aza, tsy ny vola ihany no angalarina amin’ireo niharan-doza tratr’izany fitaka goavana izany, fa angalarina aminy koa ny fahasalamany, ny fiadanam-pony sy ny fahasambarany. Maro ireo mpandraharaha tonga mpanan-karena be noho izany karazana fitaka sy halatra mihatra amin’ny olona maro izany!

Tokony hifoha mihitsy ny zanak’olombelona mba tsy ho tratra aoriana! Hoy Andriamanitra Tsitoha: « Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga…sy ny mpangalatra…dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra » (1 Korintiana 6:9-10).

Harena maloto

Ny fitsipi-pitondràna izay nakàna ny didy faha-valo dia voadika mandrakariva koa, eo amin’ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa.  Rehefa nahazo toro-hevitra tamin’Andriamanitra ny Apostoly Jakoba dia nampitandrina ny mpampiasa ratsy fanahy ka nanao hoe: « Indro, ny karaman'ny mpiasa …izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro » (Jakoba 5:4).

Amin’izao fotoana izao dia misy fitondran-tena mihe-simba; marina koa fa misy mpikarama mangalatra amin’ny mpampiasa azy! Raisiny ny karamany, nefa izy tsy manao tanteraka izay tena anjara-asany marina. Halatra izany! Tsy mahalana ny andrenesana ny mpikarama miteny amin’ny namany hoe: “Moramora ihany ry zalahy; Miasa mafy loatra ianao. Raha mitohy miasa mafy toy izao ianao, dia tsy maintsy manao toy izany koa izahay!”

Ny didy faha-valo dia misy hafatra nalefa ho an’ny mpampiasa sy ny mpikarama. Ho an’ny mpampiasa, dia manafatrafatra Izy hoe: “Karama marina isan’andro ho an’ny asa marina indray andro.” Ho an’ny mpiasa, dia hoy Izy: “Asa marina indray andro mba hahazoana karama marina indray andro.”

Ao amin’ny Malakia 3:8, dia nanambara Andriamanitra hoe: « Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra» (Malakia 3:8). Miampanga ny zanak’olombelona Andriamanitra ho mamitaka ny Mpamorona azy. Tsy mahagaga izany raha misy korontana maro toy izao eo anivon’ny fiaraha-monina.

Hoy Andriamanitra avy eo: « Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao » (Malakia 3:9).

Ary ity ny fampanantenany: « Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo » (Malakia 3:10).

Io no fanamby alefan’Andriamanitra amin’ny olona rehetra!

Milaza marina Izy fa hitso-drano anao raha manome Azy ny ampahafolon-karena ianao, araky ny didiny, raha matoky Azy sy ny Teniny ianao. Afaka mitanisa tranga an-jatony momba ny fitahian’Andriamanitra lalandava aho – na ara-panahy na ara-nofo - ho an’ireo mandoa ny ampaha-folon-karena. Tsy midika kosa anefa izany fa hataony eo no ho eo izany. Tsy maintsy manaiky lalandava an’Andriamanitra sy matoky Azy ianao. Izy kosa dia hanatanteraka ny fampanantenany.

Ity ny taratasy nalefan’ilay olona nanaja an-tsakany sy an-davany ny fampanantenan’Andriamanitra:

“Herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nampanary toky ny fidiram-bolako. Indray andro, dia nisy nanome ahy arivo ariary. Voan’ny fakam-panahy aho hitahiry ny am-pahafolony ho ahy, fa tamin’ny farany dia nanapa-kevitra aho ny hanome ny am-pahafolony ho an’Andriamanitra. Andro vitsivitsy taty aoriana, dia nahazo iray alina ariary aho. Teo indray, dia voan’ny fakam-panahy aho hitahiry ny am-pahafolony ho ahy satria nisy nilako vola maika. Ary izao indray dia vao nahazo roa hetsy ariary aho, ka dia alefako haingana aminao ny am-pahafolony. Nahatoky aho, tahaka an’Andriamanitra nanatanteraka ny fampanantenany tamiko. Koa aoka tsy hisy olona hilaza amiko fa tsy mitàna ny teny nomeny Andriamanitra!”

Ny fampiharana marina ny didy

Ny fampiharana mazava sy tsy misy isalasalàna ny didy faha-valo dia voalaza ao amin’ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Efesiana: « Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana » (Efesiana 4:28).

Amin’ny an-daniny, dia melohina ny halatra amin’io andininy io; amin’ny an-kilany, ny miasa mba hahafahana manampy ny hafa dia lazainy fa lalam-piainana mazava asain’io didy io ho tanterahana.

Tsy maintsy mividy ireo fananantsika amin’ny vokatry ny asa madio isika, tsy hoe hahafahana hahazo an’ireo zavatra ilaintsika fotsiny, fa koa hanampiana an’ireo izay sahirana.

Araky ny hevitra voalazan’io didy io, ny atao hoe mangalatra dia tsy hoe maka amin’ny olona iray ny fananany fotsiny ihany, fa koa mandà tsy hiasa mba hanampiana an’ireo izay sahirana.

Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fanjakana izay mamorona sy mamokatra. Andriamanitra dia mamorona sy miasa mba hanomezany antsika izay rehetra ilaintsika. « Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana… » (Jakoba 1:17).

Jesosy dia namintina ny lesona marina avy amin’ny didy faha-valo manao hoe: «  Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » (Asan'ny Apostoly 20:35).

Raha, amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina ka afaka miaina arak’izany fampianarana izany isika, dia ho afaka hiaina araky ny hevitry ny didy faha-valo.


 

NY DIDY FAHA-SIVY

Miaina amin’ny vaninandron’ny kolikoly isika izao. Izany dia fotoan’ny lainga tsara lahatra sy manaraka ny fitsipika mipetraka roa ara-dalàna. Olona an’aliny maro no mino ny evolisiona, sady mandeha tsy tapaka any am-piangonana izay mino ny tantaran’ny famoronana ho fahalalàn-javatra!

Nomelohin’i Kristy tamin’ny androny ireo mpihatsara ivelatsihy; Inona re no holazainy amin’ny taranaka ankehitriny e?

Matetika ny fiaraha-monina dia vonona ny handray ny haratsian-toetra rehefa mitondra tombom-barotra ho azy mivantana na tsia izany. Ireo mpitondra “manan-kaja” dia vonona hitondra fanampiana ho an’ireo izay mivelona amin’ny loka na ny varotra zava-maha-domelina isan-karazany – raha toa ka mety hahazoany tombon-tsoa ara-bola izany.

Raha fintinina ny resaka, izao tontolo izao dia miaina amin’ny lainga! Ho gaga toko           a isika raha mahafantatra fa ny fiaraha-monina “kristiana” mihitsy dia mifototra amin’izany karazana fihatsaram-belatsihy izany!

Hoy Andriamanitra: « Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao » (Eksodosy 20:16).

Ny olombelona dia afaka mahalala an’Andriamanitra raha toa ka mikatsaka ny fahamarinana izy, ary manome voninahitra Azy amin’ny zavatra ataony; Ny tenin’Andriamanitra no fahamarinana (Jaona 17:17). I Kristy dia nanambara fa: « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana » (Jaona 14:6).

Na inona na inona anefa kilemany sy fahalemeny, raha vonona ny hiaina tsy misy lainga ny olona, raha hilaza ny marina izy, raha hanaiky ny fahamarinana rehefa ambara aminy izany, dia handresy ny firehany maha-olombelona azy izy.

Nefa kosa, ny olona izay tsy azo itokiana ny teniny, izay zatra mandainga amin’ny hafa sy amin’ny tenany, dia lasa manana toetra tena ratsy, ka tsy hahazo na hahalala na oviana na oviana ny fahamarinan’Andriamanitra izy.

Noho izany, na dia samy manana ny heviny aza ny olona eo amin’ny sehatra samy hafa, dia zava-dehibe ny manapa-kevitra ny hiaina sy hiteny araky ny fahamarinana.

Ny fiaraha-monina ankehitriny dia mihe-feno tsy fahamarinana isan-karazany sy fihatsaram-belatsihy. Mba hanorenana ao anatintsika ny toetran’Andriamanitra, ka handovantsika ny fiainana mandrakizay indray andro any, dia tsy maintsy mandinika ny didy faha-sivy amin’ny lafiny samihafa isika, ary mianatra manaiky an’izany.

Ny loza azo avy amin’ny fanaovana vavolombelona tsy marina

Mba hiarovana ny olona marina sy mahitsy, ny didy faha-sivy dia manampy azy mba haha-tsara laza azy. Angamba tsy misy fahotana mendrika ho tebahina toy ny an’izay manoso-potaka olona, izany hoe mamoron-dainga ary manao fanahy iniana manely an’izany mba hanaratsiana ny hafa.

Ny mpangalatra dia maka fananana azo tsapaina, izay matetika azo soloina, fa ny vavolombelona tsy marina izay manoso-potaka ny hafa dia mangalatra aminy ny fankasitrahana azy sy ny lazany, izay matetika tsy mety ho tafaverina aminy intsony.

Ny toetran’olombelona tia ady dia mahatonga azy handray anjara amin’ny asa maro feno fahotana. Fa ny fahotana iray tena mahazatra, sy tena mahafa-baraka, dia ny mampiely tsaho sy manaparitaka fanosoram-potaka. Andriamanitra irery no mahalala ny isan’ny aina, ny tokantrano sy ny raharaha potika noho izany fahazarana tia manala baraka izany.

Ny Apostoly Jakoba, teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, dia nampitandrina antsika amin’ny loza ateraky ny lela: « Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy » (Jakoba 3:6).

Ny fampiharana fototra voalohany amin’ity didy ity dia ny ady atao amin’ny vavolombelona mandainga – izay atao hoe fianianan-tsy to. Fandikan-dalàna izany, satria ny fitsarana dia mifototra amin’ny fahamarinana.

Kanefa anie ka lehilahy sy vehivavy an’aliny maro no tsy mahalala menatra fa sahy miantso ny anaran’Andriamanitra mba ho vavolombelon’ireo lainga ratsiny sy ireo fanolanany ny fahamarinana! Vokatr’izany, dia tsy maintsy mandany ora fiasana an-tapitrisany sy vola an-tapitrisany mba hanaporofoana ny fahamarinan’ireo izay mitàna andraikitra lehibe eo amin’ny antanan-tohatry ny asa. Eo amin’ny fiaraha-monina, izany dia miteraka fihetsika mialikalika fanahy sy fanarian-toky.

Izany no misy dia satria nodikaina ny didy faha-sivy.

Ny vidin’ny fahamarinana

Ny zavatsoa azo avy amin’ny fahafahana matoky ny tenin’ny olona iray; dia tsy vitan’ny hoe afaka miaro tsara ny lazan’ny olona marina, fa koa manafoana ny ora maro very mba hanamarinana izay nambara sy ireo tatitra tsirairay. Ary koa, izany dia miaro mba tsy hametraka olona tsy mendrika amin’ny toerana misy andraikitra lehibe – izany hoe hahafahana “manadio” ny fiaraha-monina.

Eran’izao tontolo izao, dia misy mpitondra izay toa saribakoly, izay misondrotra satria nampanantena an’ireo mpanaraka azy fa hanome valisoa azy ireo “tsy misy takalony”. Amin’ny alàlan’ny propagandy fitaka, izy ireo dia mampanantena ny vahoaka ny zavatra fantany fa lainga be. Manaraka eo, dia misy fisalasalana, tebiteby, ary fahatsapana fa diso fanantenana, mandra-pisian’ny loza amin’atambo mikapoka amin’ny farany, ka ny toe-draharaha dia mampiseho ny fahamarinana.

Hevero kely ange ny fomba mahagaga hahazoan’ny besinimaro tombony eo amin’ny sehatry ny indostria sy ny fandraharahana, raha toa ka milaza ny fahamarinana ny kompania tsirairay amin’izay vokatra iandraiketany, ary raha mikatsaka am-pahamarinana ny hanome fahafaham-po ny filan’ny mpihinana izy ireo!

Ny ohatra raisintsika fotsiny dia momba ny famokarana koba famotsiana nify, izay tsy hala-tahaka fotsiny na karazany hafa tsy misy ilàna azy, fa izay karazany tokana sy tsara indrindra noho ireo namany – izay amidy amin’ny vidiny marina, ka hanaovana dokam-barotra mari-pototra! Raha toa ka ampiharina izany foto-kevitra izany amin’ny antanan-tohatra eto amin’ny fiaraha-monina, ny vokatr’izany rehetra izany dia hitovy amin’ny fiaraha-monina nofinofy!

Tsy hoe tolo-kevitra “peta-toko” fotsiny izany, araky ny fiteny. Izany no fitahiana hisitrahan’ny fiaraha-monina raha toa ka manaraka ny didy faha-sivy marina ny mpiara-monina. Nandidy Andriamanitra hoe: « Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika » (Efesiana 4:25).

Ny fitahiana vokatry ny fanekena an’io didy io dia tsy azon’ny saina vinavinaina. Ohatra resahina fotsiny, na propagandy fifidianana iray, na vaovao avoakan’ny gazety, na dokam-barotra momba ny vokatra maro samihafa, na fifanekem-barotra, na resaka – ireo rehetra ireo dia hifototra amin’ny fahamarinana daholo! Izany no nitenenan’i Kristy hoe: « ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo » (Jaona 8:32).

Ny fampiharana ny Didy Faha-sivy

Ny fireharehana no fototry ny fahotana. « Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! » (Mpitoriteny 1:2).

Ny antony anarian’ny ankabeazan’ny olona an’Andriamanitra, dia satria maniry ny ho “andriamanitra” eo imasony manokana sy eo imason’ireo mitovy aminy izy ireo. Fireharehana koa izany!

Mandainga ny olona satria mihevitra kokoa ny fitiavan-tenany izy, sy ny fiheverany ny tenany ho ambony, ary tsy miraharaha ny fahasambaran’ireo olona mitovy aminy. Milaza lainga izy ireo satria matahotra ny fiheveran’ny hafa, mihoatra noho ny fiheveran’Andriamanitra azy ireo. Araky ny nolazain’ny Apostoly Paoly hoe: « Fa tia ny voninahitra [fankasitrahana na dera] avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra » (Jaona 12:43).

Matetika ny olona dia mahatsiaro ho menatra rahefa “tsy nahomby” ny fandraharahany. Hanambaka, hanao zavatra ankosoka sy handainga izy ireo mba hialàna amin’izany, na koa handramany ho takonana izany.

Amin’ny lafiny maha-izy azy “marina”, sy ny vidiny mandrakizay, ny zavatra tokony hatahorana mafy dia ny fahotana. Satria tokoa mantsy, « Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? » (Romana 8:31).

Hoy i Jesosy: « Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko » (Matio 5:11).

Aleontsika rehetra dia mijanona tsy miraharaha akory izay mety ho eritreretin’ny olona meti-maty amintsika, ka hisahirana bebe kokoa amin’izay mety ho eritreretin’Andriamanitra. Izany dia manampy antsika tsy hampiasa fihatsaram-belatsihy, na eo amin’ny sehatra fandraharahàna na eo amin’ny fiainana ara-piaraha-monina.

Tadidio fa Jesosy Kristy anie ka novonoina tamin’ny alàlan’ny ota, ny vavolombelona tsy marina sy ny lainga. « Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany » (Marka 14:56).

Koa satria ny olona, noho ny fireharehany, dia maniry ny hino an’izay “malaza” amin’ny fotoana hihainany, dia ho lasa hino an’ireo teori   a ara-pivavahana sy araky ny siansa, izay tsy misy fototra iorenany.

Andriamanitra dia mampitandrina antsika amin’ireo mpihatsara ivelatsihy; « Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy » (Romana 1:18).

Ireo mpahay siansa sy teolojiana maro, izay mino ny fampianarana momba ny evolisiona, dia tokony hahalala izay ho eritreretiny amin’izany; nefa faly fotsiny izy ireo ny manao izay hahafaly ny olombelona; Noho izany dia miaina ao amin’ny lainga izy ireo.

Araky ny nolazain’ny Baiboly, dia mendrika hotsinina izy ireo noho izany!

Ny fampianarana tsy an-kijanona ny lainga toy izany, na ara-tsiansa izany na ara-panahy, dia mahatonga ny faritra lehibe indrindra amin’ny tany ho jamba manoloana ny toetra marin’Andriamanitra sy ny tena tanjony marina ho an’ny tany.

Mba miaina ara-pahamarinana!

Fantaro fa zava-dehibe ny milaza ny marina, ny mino an’izany sy miaina arak’izany. Mitandrema tsara mba tsy hampiorina ny fiainanao eo ambonin’ny lainga mifanesy – na izany fanolanana ny marina ataon’ny olona, ny mpanao politika, ny mpahay siansa na ny mpitondra fivavahana.

Amin’ny resaka ataonao, dia tandremo tsara izay lazainao. Lazao foana ny marina. « Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. » (Ohabolana 18:21)

Tadidionao fa ny olona tsy ambony vidy noho ny teniny. Raha lasa zatra mandainga izy, dia tsy afaka ampiana, satria tsy azo itokisana izy, na inoana izay lazainy.

Ny toetra lehibe indrindra ananan’Andriamanitra, dia Izy milaza ny marina mandrakariva. Raha tsy afaka matoky ny Teniny isika, dia tsy ho manana antoka akory momba ny famelàny ny fahotantsika, na momba ny fanampiany rehefa mila an’izany, na momba ny valisoa ho avy, na ny fiainana mandrakizay.

Ny tena mifanohitra indrindra amin’ny toetran’Andriamanitra dia ny toetran’i Satana. « Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga » (Jaona 8:44). Anjara mahatsiravina no miandry an’ireo manaraka an’i Satana amin’ny fandavany hiaina araky ny fahamarinana. « Fa ny osa sy ny tsy mino…ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)

Eo imason’Andriamanitra, dia tsy misy lainga “masina” na “fotsy” na “tsy manan-tsiny”. Rehefa lainga dia lainga. Ny antsasa-pahamarinana, ny fanolanana ny marina sy ny fitaka dia voaheloka ao amin’ny Teniny.

Miezaha isika noho izany hiaina araky ny fahamarinana, mba hahafahana handova ny fiainana mandrakizay any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!


 

NY DIDY FAHA-FOLO

Arak’ireo fanadihadiana natao, ny tebiteby ara-bola mamely matetika ny ankabeazan’ny fianakaviana dia amin’ny ankabeazany tsy vokatry ny karama kely loatra; Izany dia matetika vokatry ny fanirian’ny olona hanana ny rendrarendra, ka mandany vola be lavitra noho izay azony, ary koa satria izy ireo dia zatra mividy zavatra amin’ny trosa.

“Mividiana dieny izao, ary aloavy ny vola aoriana”, izany no heno lazaina amin’ny olona. Nefa, moa ve tena ilaina ny zavatra vidiana dieny izao? Ary moa ve ianao matoky fa afaka handoa an’izany “aoriana”?

Ny dokam-barotra maharesy lahatra sady matetika dia mamporisika ny olona hiaina ambony lavitra kokoa noho izay efan’ny vola miditra aminy. Izany dia mahatonga azy hihevi-tena ho manao “revin’antitra”, na hoe diso lalana, raha tsy miezaka ny hifaninana amin’ny namany izy, ary raha tsy mitsiriritra ny fananan’io namany io izy.

Ny hevitra ankapobeny dia ny hoe “mividy an’izay azo vidiana raha mbola azo atao”.

Ny fitaomana tsy an-kijanona atao aminao mba “ho tafavoaka” ianao – izay midika hoe, araky ny mahazatra, mahazo vola bebe kokoa, sy fananana bebe kokoa - dia lasa karazana fanompoan-tsampy. Izany dia manajamba ny saina sy ny fon’ny olona.

Hoy ilay Afrikana iray :”Talohan’ny nahatongavako nianatra tany amin’ireo Fotsy Hoditra, dia tena kristiana tsara aho. Nofinofisiko tamin’izany ny ho lasa mpitondra fivavahana sady mpitsabo. Amin’izao fotoana izao dia lasa tsy mivavaka intsony aho.”

Rehefa nanontaniana azy ny anton’izany, dia izao no navaliny: “Hatramin’ny nahatongavako taty, dia hitako fa manana andriamanitra roa karazana ny Fotsy Hoditra: ny iray izay nampianariny anay, ary ny iray izay tiany izaitsizy. Lazainareo ahy fa ny fampianaran’ny fokon’ny razako, izay nivavaka tamin’ny tsangambato ary nino ny mosavy, dia diso sy mampihomehy… Nefa aty ianareo dia mivavaka amin’ny sampy lehibe kokoa: ny fiarakodia sy ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Raha ny amiko aloha, dia tsy hitako izay maha-samihafa an’ireo!”

Ary marina izany!

Isika dia miaina eo amin’ny fiaraha-monina milaza-tena hoe kristiana, nefa raha ny marina, dia tena mifototra amin’ny fitsiriritana sy ny filan-dratsin’ny nofo. Ny ezaka tsy an-kijanon’ny olona mba hifaninana amin’ny hafa, sy hihaotra an’azy dia tsy vitan’ny hoe loharanon’ny ankamaroan’ny olana ara-bola, fa koa fototry ny aretina maro ara-batana sy ara-tsaina. Vokatr’izany dia marobe ireo tokantrano potika sy fiainana diso fanantenana.

Ny tena mampalahelo amin’izany toe-draharaha izany dia ity: io endrika fanompoan-tsampy io dia mahatonga ny olona tsy hanam-potoana - na haniry - ny hahafantatra an’Andriamanitra.

Ny hevitry ny Didy faha-folo

Efa hitantsika fa ny Lalàna ara-panahy, ny Didy Folo, dia manambara amintsika ny lalana mitondra amin’ny fandriam-pahalemana, amin’ny fanambinana sy ny fiadanana – izany hoe any amin’izay irin’ny olombelona. Fa amin’ny ankapobeny, ity farany dia te-hahazo ireo vokatra ireo araky ny fombany, izay ratsy. Koa noho izany, dia mijaly izy.

Hoy Andriamanitra: « Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza » (Eksodosy 20:17).

Amin’ireo didy rehetra ireo, ny fahafolo dia mikasika bebe kokoa ny fifandraisan’ny olombelona. Ny herin’io didy io dia ao amin’ireto teny ireto: “ny namanao” sy “izay mety ho an'ny namanao”.

Tsy misy maha-ratsy ny maniry, amin’ny ara-dalàna, vady, na mpanompo, na omby, na boriky, fa kosa tsy izay an’ny namanao. Ary rehefa mihoatry ny fahefa-mividin’ilay olona izany, io figagàna io, izay mifanojo amin’ny faniriana te-hanana, dia mandika ny didy.

Ny fanerena ara-panahin’io didy io, amin’ny lafiny sasany, dia henjana kokoa noho ny an’ireo didy hafa, satria izy io dia manisy fitsipika na dia amin’izay eritreretintsika aza.

Matetika dia tsy heverina ho ota raha tsy ny zavatra azo tsapain-tanana. Tsy tsapantsika fa ny toetra masina izay heverin’Andriamanitra hitoetra ao anatintsika dia mitaky koa ny fahadiovan’ny eritreritr’isika.

Raha any amin’ny takona, dia arianao ny fitsipika napetrak’Andriamanitra sy ny lalany, raha mitsiriritra zavatra tsy mety hanananao ianao – na tsy anananao ara-dalàna miaraka amin’ny tso-dranon’Andriamanitra – izany fikomiana ara-tsaina izany dia hiteraka ota.

Io didy io dia mihoatra ny toetra kristiana tsy lalim-paka, ary mahatonga anao hahita raha nametraka ny sitrapony eo ambany fahefan’Andriamanitra ilay olona. Tsy maintsy mianatra manaiky an’izany ianao raha te-handova ny fiainana mandrakizay sy ny voninahitra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra indray andro any.

Mazava ho azy fa Andriamanitra dia tsy hanome fiainana mandrakizay ho an’ireo olona izay, na ao an-tsainy na ao am-pony, manao ho tsinontsinona ny fomba fiaina izay eritreretiny ho an’ireo izay te-ho mpikambana amin’ny Fanjakany. Na ho lasa ho tia an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra ianao amin’izany – Izy sy ny lalany ary ny Lalàny;- na koa ianao hilaza fa ratsy ny Fahefany sy ny Fanapahany amin’ny fiainantsika.

Eo no hidiran’ny Didy faha-folo an-tsehatra; asehony ny fahefan’Andriamanitra amin’ny saintsika takona indrindra. Izy io dia mampianatra antsika hisaina toa an’Andriamanitra: « Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa » (Filipiana 2:5).

Amin’ny alàlan’ny Fanahin’Andriamanitra, dia tsy maintsy tohanantsika ny adin’ny finoana – hanala ao amintsika ny toetra mitsiriritra – ary mahomby amin’ny farany « mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy » (2 Korintiana 10:5). Izany no tanjona farany an’ny kristiana marina; Izany tanjona izany dia tsy maintsy ho tratra amin’ny fotoan’ny fitsanganana amin’ny maty.

Mandritry ny fiainana ankehitriny, dia tsy maintsy mitombo amin’ny toetran’Andriamanitra isika. Araky ny nataon’ireo olo-marina toa an’i Enoka, Noa, Abrahama, sy ny mpanompo hafa an’Ilay Avo Indrindra, dia mila mianatra”mandeha miaraka amin’Andriamanitra” isika. Tsy maintsy manaraka ny Lalany isika, mianatra ny nataony, ary mieritreritra toa Azy.

Na izany aza, ny saina voajanaharin’ny olombelona dia feno fitiavan-tena, fireharehana, saina tia mifaninana, fitsiriritana, fankahalàna, ary filan’ny nofo. Izany saina izany dia ivelan’ny lalana sy ny fisainan’Andriamanitra (Isaia 55:8-9).

Izany no antony ilan’ny saintsika hiova, miova fo sy madio : « Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra » (Matio 5:8).

Aiza ho aiza isika izao?

Ny fiodinan’ny fiainana dia lasa mandeha mafy eo amin’nyfiaraha-monina tandrefana, indrindra hatramin’ny Ady Lehibe Faharoa. Matetika dia te-hahazo vola misimisy kokoa isika. Maika isika ny hahazo fandanian’andro tsara, sy haka an’izay azo alaina amin’ny fiainana. Amin’ny toerana rehetra, dia ampianarina isika hifanandrina amin’ny olona mitovy amintsika.

Lasa maniry fatratra, ara-bakiteny, ny kojakoja materialy izay, amin’ny ankabeazan’ny tranga, mbola tsy fantatra akory tamin’ny andron-dry nenibe.

Entanina isika handany vola bebe kokoa noho izay azontsika – ary hilalao misimisy kokoa. Ny dokam-barotra fetsilahy dia manao izay inoantsika fa tsy maintsy omena an’izany ny tenantsika; mampanaiky antsika izy io fa adala isika raha tsy mividy fiara matanjaka kokoa, raha tsy misakafo eny amin’ny toerana lafo sakafo kokoa, raha tsy mandeha mitsangatsangana any amin’ny toerana lavitra kokoa sy lafo kokoa.

Omena vahana ny “izaho” – sy ny mahazo

Miady sy mamono olona ny olona noho izany toe-pony izany. « Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo? Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo » (Jakoba 4:1-3).

Matetika loatra, ny mpampiasa dia mila vola bebe kokoa noho izay mety ho azony raha manome karama tsy misy fiangarana izy. Ka noho izany dia mangalatra amin’ireo mpikarama sy ny mpiasany izy ka manome karama kely azy ireo, ary tsy mandany afa-tsy vola tsy ampy izy amin’ny fanatsarana ny asa sy ny fitandrovana ny ain’ny mpiasa.

Dia toy izany koa, ny mpiasa moderina dia mianatra mitsiriritra vola bebe kokoa noho izay tokony ho azony amin’ny fomba marina. Mitady izay hahazoana vola nefa tsy manao na inona na inona izy.

Izany dia fandikàna ny Didy faha-folo, ary manimba, tsy ilay mpiasa izay manao an’izany ihany, fa manapotika ny fahafahan’ilay firenena hahomby amin’ny fifaninana amin’ireo firenen-kafa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Amin’ny farany, izany fomba mitsiriritra sy mihatsara ivelatsihy izany dia hitondra loza.

Nahoana ireo olona an-tapitrisany no lasa tia miloka? Marina fa tsy faniriana hahazo amin’ny fomba marina ny sakafony isan’andro izany ka hahatsiarovany fireharehana ara-dalàna noho izany. Izany dia vokatry ny faniriany hahazo zavatra tsy nisasarana, izany hoe mitsiriritana karama tsy mendrika azy ara-dalàna.

Nahoana ireo “mpanoratra” maro no manoratra tantara foronina mora vidy, mifototra amin’ny zava-betaveta, maloto sy amin’ny hafokàna tsy misy fahamatorana? Nahoana ny mpanonta boky sasany no manonta boky toy izany, izay manala-baraka ny fitiavana, ny hatsaram-panahy sy ny fahalavorariana, ary manambany ny fihetseham-pon’ny olona ho eo amin’ny sehatra ambany kokoa noho ny an’ny olona donendrina sy donto saina?

Moa ve amin’ny faniriana hanompo an’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona aminy, hanome zavatra misy vidiny sy ilaina, ho takalon’ny tso-drano mety ho azo avy amin’ny karama tsara kokoa? Ny tantara “vetaveta” dia vokatry ny endrika faran’izay maharikoriko sy ratsy indrindra an’ny fitsiriritana, vokatry ny faniriana feno fitiavan-tena mba hahazo zavatra nefa tsy manome zavatra tsara ho takalony.

Eo amin’ny fiaraha-monina, dia misy ohatra fitsiriritana hafa an-jatony. Fa mivonona ianao hahita ny fitsiriritanao manokana, hibebaka amin’izany, ary hangataka amin’Andriamanitra ny fitiavana sy ny hery ilaina mba handresena an’izany.

Ny valin-teny avy amin’i Kristy

Hoy i Kristy: «  Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany » (Lioka 12:15).

Mariho tsara izany! Ny tena fahombiazana sy ny tena fahasambarana dia tsy miankina amin’ny fanombanana ny harenao amin’ny fiara vaovao na matanjaka entinao, na amin’ny karazan-trano hipetrahanao, ny fitafiana hanaovanao, na ny sakafo ho haninao.

Ny fahasambarana dia avy amin’ny toe-tsaina. Izany dia avy amin’ny Fanahy sy ny sain’i Kristy ao anatinao.

Ny fitiavana, ny hafaliana sy ny fiadanana izay nomen’i Jesosy ho ohatra dia avy amin’ny fanomezana sy ny fanompoana, fa tsy avy amin’ny zavatra azo tsapain-tanana tsy voafetra izay mety ho azonao.

I Jesosy dia afaka nandresy ny fireharehana sy ny fitsiriritan’olombelona, satria nitady izay hanompoana an’Andriamanitra alohan’ny zava-drehetra Izy. Rehefa avy nilaza ny fomba fitadiavan’ireo olona tsy nibebaka ny zavatra ilaina sy ny fiadanana ara-batana Izy, dia nandidy hoe: « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)

Ny fatotra iombonana

Rehefa tonga eo amin’io tanjona io isika, dia mahatsapa fa ny didy farany dia mifandray amin’ny didy voalohany. Satria tokoa mantsy, na inona na inona zavatra tadiavinao, raha mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany, dia tsiriritinao. Raha ao an-tsainao sy ao am-ponao, dia maniry mafy hanana zavatra ianao, bebe kokoa noho ny fanirianao hankatoa an’Ilay Mpamorona, dia lasa sampy io zavatra io? « ny fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; » (Kolosiana 3:5)

Izay zavatra ataonao sampy, dia ataonao eo amin’ny toeran’Andriamanitra, ary mandika ny didy voalohany ianao amin’izany « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany » (Eksodosy 20:3).

Hoy ny Apostoly Paoly: « Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? » (Romana 6:16).

Raha mitsiriritra zavatra materialy ianao, dia manompo an’izany. Mandany ny andronao amin’izany ianao, mandany ny herinao sy ny volanao. Lasa andriamanitra ara-bakiteny ho anao ireny. Satria tokoa mantsy, raha manompo an’izany ianao sy “mivavaka” amin’izany raha dinihina, dia tsy mahita fotoana hanompoana an’Ilay Andriamanitra marina amin’ny herinao rehetra, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.

Ny fitsiriritana dia zavatra mampatahotra; manala anao amin’ny fisakaizàna, amin’ny fitahiana sy amin’ny fitiavan’Ilay mpamorona izany, Izay nanao izao rehetra izao mba hampiasaina amin’ny Asany sy amin’ny Voninahiny izany famoronana izany.

Ny fitsiriritana dia mandika ny fitsipika fototra momba ny fomba-fiaina voalazan’ny didin’Andriamanitra. Nofintinin’i Jesosy izany fitsipika izany raha niteny Izy hoe: «Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » (Asan'ny Apostoly 20:35).

Raha miezaka ianao ny hijery ny fomba ahazoanao manome ny hafa sy manompo azy, dia ho hitanao ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana sy amin’ny fiainana mandrakizay. Raha mianatra manompo ny namanao am-pitiavana sy fahatsorana ianao – ary mivavaka amin’Ilay Andriamanitra marina – dia hahatsapa fa mahafaly ny miaina. Ary, any amin’ny Tontolon’ny Ampitso, ianao dia handova ny fiainana mandrakizay any amin’ny voninahitra.

Izany ary ny fanazavana an’ilay Lalàna ara-panahy lehibe – ny Didy Folo – izay napetraka mba hifehezana ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra sy amin’ireo namany.

 

Popular posts from this blog

Ahoana no hanoherana ny fanangolen'i Satana sy ny fahotana?

Sinay

Misy ve Andriamanitra? Porofo 7 fa misy Andriamanitra

Kristianisma - Fomba Fiainana

Ahoana no ahafahako mampianatra ny didy folo amin’ny zanako?