Zavatra 7 maneho ny Maha-Zava-Dehibe Ny Fitsanganan'i Kristy Amin’ny Maty
Fiangonan'Andriamanitra Miray, Fikambanana iraisam-pirenena - Manolotra anao ny Fianarana Baiboly isanandro.
Anisan’ny fahamarinana fototra ao min’ny Filazantsara ny nitsanganana’i Jesosy tamin’ny maty (1 Korintiana 15:1-8: Niseho tamin’ny olona maro be Izy rehefa nitsangana):
1) Porofo io fa Izy no Zanak’Andriamanitra (Jaona 10:17-18; Romana 1:4).
2) Io no antoky ny fahombiazan’ny fahafatesany ho fanavotana (Romana 6:4; 1 Korintiana 15:17).
3) Io no manamafy ny fahamarinan’ny Soratra Masina (Sal 16:10; Lio 24:44-47; Asa 2:31).
4) Io no porofon’ny fanamelohana hihatra amin’ny ratsy fanahy (Asa 17:30-31).
5) Io no fototra iorenan’ny fanomezan’i Kristy ny Faahy Masina sy ny fiainam-panahy ho an’ny olony (Jao 20:22; Rom 5:10; 1 Kor 15:45) sady fanorenana ny asa fanompoany any an-danitra itondrany am-bavaka ny mpino (Heb 7:23-28).
6) Io no manome antoka ny mpino momba ny lovany rahatrizay voatahiry any an-danitra (1 Pet 1:3-4; 1 Tes 4:1…).
7) Ataony vonona avy hatrany eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny fanatrehan’i Kristy sy ny heriny mandresy fahotana (Gal 2:20; Efe 1:18-20).