Misy olona tsy manana ota intsony ve?
Matetika isika no mihevitra fa rehefa mino an'Andriamanitra na vita batisa isika dia tsy manota intsony. Fiheveran-diso sy mampidi-doza izany.
Inona no lazain'ny Baiboly momba izany?
Ohabolana 20: 9. Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
1 Jaona 1: 8. Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
10. Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
Inona àry no tokony hataontsika?
Tokony hiaiky ny fahotantsika isika, ary mibebaka sy miezaka miala amin'ny ota, amin'ny alalan'ny fanampiana sy hery avy amin'Andriamanitra.
1 Jaona 1: 9. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
Tokony hanohitra ny fakam-panahy sy ny fitaoman-dratsy isika, ary mangataka amin'Andriamanitra mba hanana hery hiadiana amin'izany. Izany hoe mivavaka, toy izay nampianarin'i Jesosy Kristy ao amin'ny Matio 6:13, manao hoe: "Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy."
Amin'izany dia mila miady amin'ny fakam-panahy sy manohitra ny sain-dalina sy famitahan'ny devoly, ary manaiky sy mankatò an'Andriamanitra.
Jakoba 4: 7. Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
Ahoana no fomba handresena ny fitaoaman-dratsy sy ny fakam-panahy?
- Mila mivavaka isika ary mangataka amin'Andriamanitra hanafaka antsika amin'ny fitaoaman-dratsy sy ny fakam-panahy.
- Mila manohiitra ny devoly iiska.
- Mila manaiky ny tenin'Andriamanitra, ny didiny sy ny fitsipiny ary ny Lalàny rehetra isika, amin'ny fanetren-tena sy fanahin’ny fankatoavana.
- Mila mandray ny fiadiana rehetra atolotr'Andriamanitra isika, amin'ny fanahy mahatoky sy finoana.
- Mila maka ny toetry ny zaza isika, mba hadio am-po sy ho tia Ilay Andriamanitra Raintsika any an-danitra.
Ireo fiadiana atolotr'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Efesiana 6: 10-18 no entina miatrika izany.
Efesiana 6: 11. Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
Efesiana 6: Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy
Efesiana 6 : 10. Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. 11. Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. 12. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. [ Gr. lanitra] 13. Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. 14. Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15. ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16. ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18. ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, 19. ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara.