Skip to main content

Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?

 


FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY

FIAMI

UCG MADAGASCAR

FARITRA AFRIKA ATSINANANA

FANDALINANA SORATRA MASINA

 

INONA NY FANJAKAN’

ANDRIAMANITRA ?

 

« Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra » (Marka 1:14) « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Marka 1:15)

« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apokalypsy 20:4)

« Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apokalypsy 5:10)

 

Noforonina hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy ny olombelona!


TENY FANOLORANA

 

« Mahazoa Fahendrena, Mahazoa Fahalalana; Fa Aza Hadinoina Na Ihemorana Ny Teny Aloaky Ny Vavako. » (Ohabolana 4:5)

 

« Tsy Tsara Raha Tsy Manam-Pahalalana Ny Fanahy; Ary Izay Miezaka Mosalahy Dia Ho Diso Lalana. » (Ohabolana 19:2)

 

Ny fandraiketanao an-tsaina izay rehetra voarakitra amin’ity boky ity dia ho tombo-pahalalana ho anao amin’ny Fanjakana, nomanin’i Jehovah ho lovainao miaraka amin’i Jesosy Kristy rahatrizay.

 

« Ringana Ny Oloko Noho Ny Tsi-Fisian'ny Fahalalana. Satria Ianao Efa Nandà Ny Fahalalana, Dia Mba Holaviko Kosa Tsy Ho Mpisoroko Intsony; Ary Efa Nanadino Ny Lalan'Andriamanitrao Ianao, Ka Dia Mba Hohadinoiko Kosa Ny Zanakao. » (Hosea 4:6)

 

FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY (FIAMI)

UCG MADAGASCAR

FARITRA AFRIKA ATSINANANA

Mitory ny Filazantsara

Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra

Manomana ny Ankohonan'Andriamanitra


INONA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ?

 

Inona marina ilay Fanjakan’Andriamanitra notorin’i Kristy? – Dia rahoviana izany no haorina eto an-tany? Ny fiangonana maneran-tany ve izany? Ny fanjakana arivo taona ve izany? Ao ampon’ny olona rehetra ve no hita izany sa tsorina fotsiny hoe izay rehetra “tsara ao anatin’ny tsirairay”? Ireo hevitra ireo no inoan’ny olona an-tapitrisany, nefa fahadisoana avokoa izany rehetra izany! Miteraka fifanjevoana sy tsy fifanarahana amin’ny tsy antony izany. Inty ary ny fanazavana tsotra atolotry ny Baiboly.

 

Dr. RAKOTONDRAVONY Daniel

UCG MADAGASCAR

FARITRA AFRIKA ATSINANANA

Edition Août 2019



INONA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ?

FIZAHANA PEJY

FAMPIDIRANA..................................................................................... 6

INONA NO ATAO HOE FILAZANTSARA?............................................. 8

INONA NO TANJON’NY TENA KRISTIANA ?.................................... 11

Tahaka Ny Inona Moa Ny Fanjakan’i Kristy ?............................ 13

Governemanta Voalamina Tsara................................................. 16

Inona No Hataon’ny Olona Masina Aorian’ny Fitsanganany? 18

Ho Lasa Mpampianatra Ireo Olo-Masina................................... 21

Handeha Hamboatra Fitoerana Ho anareo Aho........................ 25

FAMPITANDREMANA ENTITRA MBA TSY HANOVANA NA HAMADIHANA NY FILAZANTSARA  30

Nahoana ?..................................................................................... 32

NY HAFATR’I JESOSY: FILAZANA MIALOHA..................................... 34

Ny Fiainana Aorian’ny Fahafatesana.......................................... 36

Hafatra Mikasika Ny “Fitondram-Panjakana”........................... 37

Jesosy Kristy Dia Nateraka Ho Mpanjaka!................................. 38

NITORY NY FILAZANTSARA NY MPAMINANINY REHETRA............. 39

Daniela Dia Nahazo Tsara............................................................ 41

Famaritana Ny Atao Hoe “Fanjakana”........................................ 44

Ilay VehivavY ao Amin’ny Apokalypsy 17.................................. 47

Miditra Amin’ny Fanjakana......................................................... 56

POROFO FITO FA TSY MBOLA ETO AN-TANY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA               57

1. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia « ao Anatinareo ».............. 58

2. Famaritana ny: “ Fanjakan’Andriamanitra”.......................... 59

3. Mahita ny Fanjakana............................................................... 61

4. Ny Fiandrianana Maneran-Tany Amin’Izao Androntsika Izao?    63

5. Ahoana ary ny Filazan’ny Kolosiana 1:13?........................... 64

6. Ho Tonga Anie ny Fanjakanao................................................. 66

7. Tadiavina Ilay Fanjakana......................................................... 66

FISAINAN-DISO................................................................................. 66

Ny Fanjakan’Andriamanitra Ao Am-Pon’ny Olona?.................. 70

Ny Fanjakan’Andriamanitra Tao Am-Pon’ireo Fariseo?........... 71

Fa nahoana ary?........................................................................... 72

NY  FANJAKAN’ANDRIAMANITRA DIA «  EFA AKAIKY »?............... 76

Ireo Olona Masina Hiara-Manjaka Amin’i Kristy....................... 77

Fanoharana Ny Amin’ny Farantsa.............................................. 81

Rahoviana Ny Fanjakan’andriamanitra No Hapetraka ?..............

NY EZAKA ATAON’NY OLONA TSY MAHAPETRAKA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA   86

« Ho Tonga Anie Ny Fanjakanao ».............................................. 91

FEHINY: TSY MAINTSY TONGA NY FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA....

 

 

FAMPIDIRANA

 

Nirahin’Andriamanitra teto an-tany Jesosy Kristy, hitory ny fanjakan’ Andriamanitra ary hampianatra sy hamonjy ny olombelona amin’ny fahotany.

Nampinatra: Jaona 3:3, 8: 3 « Tsy maintsy ateraka* indray ny olona, vao mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » 8 « Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. »

NamonjyJaona 6:54: « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » Jaona 13:15: « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. »

 

Ireto teny ireto no mampahatsiaro ny nanirahina Azy hitory ny Fanjakan’ Andriamanitra.

ð Marka 1:1: Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.  Marka 1:14-15: « Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra », « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. »

 

ð Lio. 4:43: « Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. » Lio. 8:1: « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. »

 

ð Lio. 9:1: « Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. » Lio. 9:2: « Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. » Lio. 10:1: « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. »

 

ð Asa 1:3: Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy dia « niseho tamin’ny mpianany tamin'ny famantarana maro fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » Marka 16:15-16:  « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.   Izay mino sy atao batisa no ho vonjena; fa izay tsy mino kosa no hohelohina. »

 

ð « Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; » (Marka 16:17) « handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny » (Marka 16:18).

 

èFanamarihanaIzay mino ny fanjakan’Andriamanitra sy mibebaka ary atao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy no hovonjena hiditra ao sy handova izany fanjakana izany!

Tsy izay mino fotsiny hoe Jesosy no Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy ny olombelona, na hoe iray ihany no Andriamanitra! Fantaro fa ny devoly koa mino izany, ary dia mangovitra izy: « Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany, - ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. » (Jak. 2:19). Ohatra: « Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana? » (Matio 8:29)

 

Fehin’izany: Ny olona mino ny Fanjakan’Andriamanitra sy mibebaka amin’ny fahotany ary manaiky hateraky ny rano sy ny Fanahy (atao batisa) no hatsangan’i Jesosy Kristy hanana fiainana mandrakizay amin’ny andro farany, ary hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy handova izany miaraka amin’i Kristy.

INONA NO ATAO HOE FILAZANTSARA?

 

Jesosy nilaza hoe« Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara. » (Marka 1:15).

Fa inona ilay Filazantsara?

Ny ankamaroan’ny olona tsy dia mihevitra an’io resaka io mihitsy. Ny fahamarinan’ny Filazantsara dia voafina amin’ny masom-panahin’ny ankamaroan’ireo milaza ho Kristiana. Hatramin’ny taonjato voalohany, dia nisy teti-dratsy hamitahana ny lovatsofina Kristiana mikasika ny atao hoe Filazantsara. Na dia mampikorontan-tsaina aza io fanambarana io, dia izany indrindra anefa no niseho.

 

Mino ny ankamaroan’ny olona fa ny Filazantsara dia miresaka ny tenan’i Kristy. Tsy mahagaga mihitsy izany satria lehibe ny anjara asan’ny Kristy, nefa dia tsy Izy akory no ilay Filazantsara. Ny Baiboly mampiseho fa tsy afa-misaraka amin’ny Filazantsara i Jesosy Kristy.

Ny olona sasany mitory « Filazantsaram-pamonjena », na « Filazantsaran’ny famelan-keloka ». Ny hafa kosa mino « Filazantsaram-pahagagana », na « Filazantsara sosialy », na « Filazantsaran-tsakafo », na « fanasitranana », na « finoana ».

 

Izany rehetra izany dia hevitr’olona ihany izay tsy hita ao anaty Baiboly. Famantarana manaraka izay mino ireo, na dingam-pamonjena fa tsy Filazantsara akory! (Marka 16:17-18).

Mariho anie izay lazain’ny Lioka: « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. » (Lio. 8:1). Io Filazantsara io no notoriny. Araka izany no nilazany hoe: « … mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara. » (Marka 1:15).

Filazantsara inona? Ilay amin’ny FANJAKAN’ANDRIAMA-NITRA. Arak’izany koa ny Marka 1:1 hoe: « Ny niandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy ». Ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy dia miresaka ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ary tsy misy hafa! Tokony hino sy hahazo io Filazantsara io isika raha te ho voavonjy. Tsy mila hosoka na solony.

 

Ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy dia manazava ny fizotry ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny zava-boahary rehetra sy ny fomba hametrahan’Andriamanitra ny Fanjakany eto an-tany. Amin’io no hampianarany ny fomba hahatongavantsika ho zanak’Andriamanitra, miara-manjaka amin’i Jesosy Kristy, mandova ny Fanjakany mandrakizay amin’ny zavatra rehetra noforoniny. (Marka 1:14-15; 16:15-16; Matio 25:34)

 

« Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra » (Marka 1:14) « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Marka 1:15)

« [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] » (Marka 16:15) « [Izay mino* sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16) (*Mino ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra).

« Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; » (Matio 25:34)

 

Fanamarihana: Ny fikasan’Andriamanitra hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona dia efa hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao. Noho izany, ny tanjon’ny famoronana ny olombelona dia ny hahatonga azy ho zanak’Andriamanitra manana fiainana mandrakizay sy miara-manjaka aminy. (Apokalypsy 21:3)

« Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apokalypsy 21:3)

Ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah no mampianatra ny Planin’Andriamanitra hahatongavana amin’izany Fanjakany izany, satria mirakitra ny dingam-pamonjena rehetra (“fa ny tenany dia an’i Kristy”; Kol. 2:16-17). Naverin’i Jehovah in-telo ny fandidiana fiantsoana fivoriana masina amin’ny fotoany avy amin’ireo fotoam-pivavahana notendreny ireo:

 

[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah] « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Lev. 23:1, 2, 4, 37)

ü  « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy. » (Lev. 23:2)

ü  « Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy. » (Lev. 23:4)

ü  « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, » (Lev. 23:37).

 

Zava-dehibe izany satria i Jehovah no manamasina ny andro firavoravoana ary mandidy azy ireo ho lalàna mandrakizay, araka ny nanolorany azy ireo tamin'i Mosesy, hotehirizin'ny zanak'Israely mandritra ny taranaka rehetra mifandimby, ary avy eo dia ampitaina amintsika, ny kristiana ny Testamenta Vaovao. « Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho Lalàna mandrakizay. » (Eks. 12:14)

 

INONA NO TANJON’NY TENA KRISTIANA?

 

Mety ho vofitaka ve ianao? Saika ny olona rehetra milaza ho Kristiana no mino fa raha vao maty izy dia miakatra any an-danitra ny fanahiny, tsy hanao na inona na inona, fa « hihantona » na hidonana-poana any fotsiny mandrakizay!

Ny fanambarana toy izany, izay tena mivaona tanteraka, dia mahatonga anao hihevitra fa ny kristianisma dia hevitra tsy matotra ary tsy mandaitra ary tsy marina. Ny fomba fijery tsy voafaritra toy izany momba ny ho avy dia manakana ny olona tsy hanaparitaka fitiavana an'Andriamanitra, eny fa na dia eo amin'ny mpino tsotra aza.

Na inona na inona miseho, ireo hevitra ireo dia tena diso tanteraka.

Tsarovy fa ny hany loharanon-kevitra azo itokisana momba ny ho avin’ny Kristiana dia tsy misy afa-tsy ny Baiboly. Andriamanitra no ilay mpiadidy izay nanome ny Baiboly antsika, ary efa tanteraka ny faminaniany, mandraka ankehitriny! Tsy mampianatra mihitsy ny Baiboly fa "ny fanahin'ny maty dia mandeha any amin'ny toerana rehetra na miantona eny an-danitra." Ny eritreritra toy izany dia mamorona sary diso momba ny zavatra notorin'i Jesosy Kristy, ary ny sary diso amin'ny tena "fiantsoana" ho an'ny Kristiana: manafina ny tena tanjon'ny kristianisma izany!

Tonga mba hitory ny "Filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra" i Jesoa Kristy (Marka 1:14). Indraindray ity Evanjely ity dia antsoina hoe "Fanjakan'ny lanitra", indrindra ao amin'ny Matio; na izany aza dia tsy midika akory izany fa ny "fanjakana dia any an-danitra." Ny lanitra dia misy ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ary avy ao Izy no manjaka amin'ny zavatra rehetra! Ity no voasoratra ao amin'ny Salamo 115: 16: « Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona. »

Ny Kristiana tany am-boalohany dia nazava tsara tamin'ny hevitra, satria voalaza ao amin'ny bokin'ny Asa sy ny Epistily rehetra. Na izany aza, maro ny Kristiana tany am-boalohany no nanantena fa handroaka ireo mpanjanaka romana i Jesosy Kristy ary hanangana ny "Fanjakany" na ny governemantany. Na izany aza dia nolazain'i Jesosy mazava fa mbola tsy tonga ny fotoany. Na izany aza, tsy nilaza mihitsy Izy fa ny fanjakany na ny fitondrany eto an-tany dia tsy ho governemanta ara-bakiteny. Mariho izay nolazain'ireo mpianatra taorian'ny nananganany Azy tamin'ny maty: « Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? » (Asa 1:6).

Inona no navalin’i Jesosy azy ireo?

« Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] » (Asa 1:7).

 

Tsy isalasalana, ny valin-teniny dia manamafy fa hiverina i Jesosy hanangana fanjakana eto an-tany. Taty aoriana, rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy, dia hoy ny anjely tamin'ny mpianatra: « Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. » (Asa 1:11).

 

Ao amin'ny Evanjelin'i Lioka, dia nanome famantarana maro i Jesoa mikasika ny zavatra hitranga amin'ny Andro Farany, alohan'ny fiaviany faharoa eto an-tany. Rehefa avy nilaza ny fikorontanana hiseho manerantany Izy dia nanambara hoe: « Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lio. 21:31). Jesosy dia tsy nilaza fa ny Fanjakany dia efa mipetraka eto an-tany, na "ao am-pon'ny olona"; ny mifanohitra amin'izay kosa, nambarany fa ny "Fanjakana" tsy maintsy ho “tonga” ety ambonin'ny tany.

Ny ankamaroan'ny manam-pahaizana momba ny Baiboly dia mahafantatra momba izany, na dia saika tsy nitory momba izany mihitsy izy ireo. Izy io dia indrindra satria ireo hevitra diso toy izany, izay milaza fa ny fanahy dia hidonanam-poana na hihantona any an-danitra aorian'ny fahafatesana, dia matetika no itoriana amin'ny olona fandevenana ny "kristiana." Noho izany, mahalana ny mpitory ny miresaka momba ny fiavian'i Jesosy Kristy eto an-tany mba hanorina fanjakana ara-bakiteny! 

Tahaka Ny Inona Moa Ny Fanjakan’i Kristy?

Rehefa tafapetraka ny fanjakan 'Andriamanitra - eo ambany fitantanan'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra - dia hanao ahoana izany? Ho lasa inona ireo Kristiana nahatoky izay hatsangana amin’ny maty (1 Korintiana 15:51-52)? Manao ahoana no firafitr’ilay Fanjakana? Manao ahoana no fifandraisan’ireo olona masina natsangana tamin’ny maty sy ireo olona tsy niova fo izay mbola velona eto an-tany?

Ny Baiboly dia manome andalana maro be momba ny Fanjakan'i Kristy ho avy. Ny fanjakana dia misy ambaratongam-pahefana izay tapahin’i Jesosy Kristy hatrany ambony ka hatrany ambany, amin’ny maha-Mpanjakan'ny mpanjaka Azy. (Apokalypsy 19:16) Azontsika vakiana koa ny Apokalypsy 11:15: « Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. » !

 

Amin’izany fotoana izany, ireo olo-masina dia hanao « hira vaovao » ho an’i Kristy manao hoe : « Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; » (Apokalypsy 5:9) « Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apokalypsy 5:10).

 

Araka izany, amin’ny andro farany, ny Fanjakan’i Kristy dia tsy hapetraka any an-danitra fa eto an-tany. Izany no ninoan’ny fiangonana voalohany sy nampianariny. Tsy hevitra vaovao mahagaga izany!

 

Mifanohitra amin’izany anefa, io fahamarinana io dia « voafafa » tsikelikely, vokatry ny nampidiran’ny fiangonana Katolika hevitra tsy Kristiana, mikasika ny lanitra, ny afobe sy ny fomban’ny fanahy. Koa rehefa tafapetraka tsara ny fiangonana Katolika, dia navela tanteraka any ivelany ireo fahalalana ny fahamarinana nisy teo amin’ny Fiangonana Voalohany izay naorin’i Kristy. Ny foto-pinoana momba ny Fanjakan’i Jesosy Kristy eto an-tany dia nolazaina aloha fa fanoharana lalina, avy eo dia hoe tsy azo antoka, tsy ilaina, ary nolavina sy nariana tamin’ny farany, satria nolazaina fa famoronan-kevitra fanoherana (herezia) sy firehidrehetana amin’ny hevi-diso (fanatisma).

 

Raha nanoratra ho an’ny Kristiana tany Korinto ny Apostoly Paoly, dia nilaza ny valisoa homena ny Kristiana marina : « Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? » (1 Korintiana 6:2) « Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. » (1 Korintiana 6:3).

Hitantsika amin’izany fa ny olo-masina dia hitsara « izao tontolo izao » - fa tsy hidonanapoana any an-danitra tsy manao na inona na inona akory aorinan’ny fitsanganany!

Tamin’ny andron’i Kristy, ireo mpianany dia « nino fa hiseho haingana ny Fanjakan’Andriamanitra » (Lio. 19:11). Koa mba hanitsiana ny tsy fahafantaran’izy ireo, Jesosy nanome azy ny fanoharana momba ilay andriandahy nankany an-tany lavitra handray fahefana hanjaka dia hiverina. Ao anatin’io fanoharana io, Jesosy mitantara ny fomba handraisan’ny mpianany sasany valisoa arakaraky ny fahaizany nampiasa ny talentany.

Rehefa tonga ny iray tamin’izy ireo nilaza hoe: « Tompoko, ny talentanao iray nahazoako tombony talenta folo » Jesosy namaly hoe : « Tsara izany, ry mpanompo tsara, satria nahatoky tamin’ny kely ianao, dia manapaha tanàna folo ». Tonga koa ny mpanompo faharoa nilaza hoe nahazoany tombony talenta dimy ny talentany iray, dia hoy Jesosy taminy hoe: « ianao koa, manapaha tanàna dimy » (Lio. 19:16-19).

Mazava hoazy, ny teolojianina moderna sasany miezaka « manazava ara-panahy » ireo fanoharana ireo. Nefa, hatrany amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy, ny Soratra Masina mampivohitra mazava fa hametraka Governemanta ara-bakiteny eto an-tany Andriamanitra, eo ambany fitantanan’i Jesosy Kristy! 

Ny mpanjaka Davida, izay hatsangana amin’ny maty miaraka amin’ireo olona masin’Andriamanitra hafa, dia hanapaka ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely, eo ambany fahefan’i Kristy mivantana! Rehefa mitantara ny fomba hamerenana an’Isiraely avy tany amin’ny fahababoany aorian’ny fiverenan’i Kristy ny dia nanoratra toy izao i Jeremia:

 

« Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao* intsony; [Heb. azy] » (Jeremia 30:8) « Fa ianao hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao* sy Davida Mpanjakanao*, Izay hatsangako ho anao. [Heb. Mpanjakany] » (Jeremia 30:9).

 

Tadidio fa ny Mpamorona dia nanolo-tsaina ny mpaminany Hosea koa hitantara io fahamarinana fototra momba ny firafitry ny Governemantan’i Kristy izay ho avy io:

 

« Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy. » (Hosea 1:3) « Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely. » (Hosea 1:4) « Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely. » (Hosea 1:5).

Governemanta Voalamina Tsara

 

ð  Andriamanitra nanolo-tsaina ny mpaminany Ezekiela koa hanipika izany rafitra izany, ka nilaza hoe : « Amin’ny andro farany», ny firenen’Isiraely rehetra hitambatra ho firenena iray :

« Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany. » (Eze. 37:24).

 

ð  Ny mpanjaka Davida ve hanapaka mivantana ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely – ny firenena – taranak’i Jakoba? Tsia. Hisy fitsinjaram-pahefana mirindra, tantanan’ny mpitondra fidin’ny mpanjaka lehibe sy tendreny, fa tsy mivoaka avy amin’ny vatom-pifidianana, na vokatry ny kajikajy politika. Araka izay nolazain’i Jesosy tamin’ny Apostoliny tamin’ny faran’ny fiainany teto an-tany hoe :

« koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy, » (Lio. 22:29) « mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo, » (Lio. 22:30).

 

ð  Ny fanjakana amin’izao tontolo izao amin’ny ho avy dia hapetrak’i Kristy, Mpanjakan’ny mpanjaka. Eo ambany fahefany, ny mpanjaka Davida dia hanjaka amin’ny firenen’Isiraely manontolo. Eo ambany fahefan’i Davida kosa, ny Apostoly roa ambin’ny folo hatsangana amin’ny maty dia samy hanjaka hitantana tsirairay ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely.

 

ð  Ireo « olo-masina » marin’Andriamanitra nino izay ampianarin’ny Baiboly, dia hanana anjara amin’ny fitantanana ny tanàna samy hafa eto amin’izao tontolo izao araka ireo rafi-pitantanana ireo. Koa satria ilay rafi-pitantanana dia mifantoka voalohany indrindra amin’ny Jiosy, dia vao amin’ny Jentilisa, koa matoky isika fa io karazan-drafitra io ihany no hapetraka amin’ny firenena Jentilisa manerantany. Araka izany dia governemanta ara-bakiteny tantanan’i Jesosy Kristy, ilay « Mpanjakan’ny Fiadanana », no handidy fiadanana maharitra, sy fomba fiaina feno fifaliana amin’ny tany rehetra.

 

ð  Isika tsirairay, raha maharitra ho Kristiana mahatoky, dia handray anjara amin’ny fametrahana izany fifaliana izany amin’ny firenena rehetra amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy! Hoy Izy: Izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko » (Apokalypsy 2: 26-27).

 

ð  Izany rehetra izany no Vaovao Mahafaly tsy mampino Io no Filazantsara marina, tantarain’ny Baiboly. Izany indrindra no fototry ny nandrotsahan’i Jesosy ny rany, nanaovany sorona ny tenany hisolo ny fahotantsika, hampihavanana antsika indray amin’Andriamanitra. Ireo Kristiana marina, vita fihavanana amin’Andriamanitra sy nandray ny fanomezana saro-bidin’ny Fanahy Masina, dia miomana hanampy ny Mpamonjy azy ireo hitantana ny tany rehetra.

 

ð  Mandritry ny Fanjakana arivo taona tantanan’i Kristy, ny tany dia ho afaka amin’ny herin’i Satana, ary fotoana feno fiadanana, fandrosoana sy fifaliana no hameno ny tany. Ny fomba fiaina marin’Andriamanitra dia hapetraka indray eto an-tany. Ny Soratra Masina manazava fa Andriamanitra handefa indray an’i Jesosy Kristy araka ny voasoratra hoe :

« ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, » (Asa 3:20) « Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra. » (Asa 3:21).

 

ð  Hitantsika fa ny mpaminany masina rehetra dia nilaza ny Vaovao Mahafaly momba ny « andro fampodiana ny zavatra rehetra » – izany hoe ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izay ho avy. Izany tokoa, ny Testamenta Taloha dia feno filazana momba ny Mesia, izay ho avy hanjaka amin’ny tany rehetra!

Inona No Hataon’ny Olona Masina Aorian’ny Fitsanganany?

Efa hitantsika fa ny olo-masina natsangana tamin’ny maty dia ho « mpanjaka sy mpisorona » ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hapetraka eto an-tany. (Apokalypsy 5:10). Azontsika vakina koa fa eo am-piandohan’ny Fanjakana arivo taona (Milenioma), Satana dia « ho fatorana » mandritry ny “arivo tona” […] « mba tsy hamitahany ny firenena intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona » (Apokalypsy 20:2-3). Manaraka izany, hitantsika fa ireo izay nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany dia ho « mpisoron’Andriamanitra sy Kristy, ary hanjaka miaraka aminy mandritry ny arivo taona » (Apokalypsy 20: 6).

Ny Soratra Masina mampahatsiaro antsika mandrakariva fa ireo mpisorona, teo amin’Isiraely fahiny, dia mpampianatra ny olona. Izy ireo no nampianatra ny lalàn’Andriamanitra sy ny fomba fiainan’ny vahoakan’Isiraely. Miharihary izany fa ny Kristiana, izay ho tonga mpisorona ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho avy, no hampianatra ny mponin’ny tany araka ny fombam-piainan’Andriamanitra. Rehefa « voafatotra » i Satana, dia hiala ny fahajambana izay nandrakotra ny tany. Ny olona dia hahazo ny fahamarinana ary ho tonga mora ampianarina. Azo tsoahana amin’izany fa hihamora kokoa ny asantsika noho ny amin’izao fotoana izao izay mbola ipetrahan’i Satana amin’ny maha « mpanjakan’izao tontolo izao azy ». (2 Korintiana 4 :4).

Im-betsaka, ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra no miteny amintsika hoe : « amin’ny andro farany » – izany hoe amin’ny fiverenan’i Kristy – Jesosy sy ireo olona masina no hampianatra ny lalàn’Andriamanitra Tsitoha eto amin’ny tany rehetra.

 

Handeha hojerentsika ohatra ireto voalaza manaraka ireto: « …Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Mika 4:2). Dia toy izany koa : « Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony. » (Mika 4:3).

Marina izany, “tsy hianatra” miady intsony ny tanora lahy sy vavy.

 

Ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny, eo ambany fahefan’i Satana, dia mandany ny ankabeazan’ny hareny amin’ny ady sy ny fitaovam-piadiana. Raha ampiasaina amin’ny tanjon’ny fandriam-pahalemana ny haren’ny firenena iray, tsy sarotra ny mieritreritra ny fahatsaran’ny tanàna sy ny valan-java-boahary ary ny tontolo iainana hananan’izao tontolo izao, amin’ny ho avy! Ho hita koa ny tsy fitovian’ny tontolo ho avy amin’ny ankehitriny izay ahitana olona tsy manana na trano, na izay ilainy. Ny Soratra Masina manambara amintsika, fa amin’izao tontolo izao tantanan’i Jesosy Kristy, ny tsirairay dia samy ho tompon’ny fananany, araka ny voasoratra hoe:

« Samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny. » (Mika 4:4).

 

Izao no voasoratr’Isaia mpaminany:

« Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra* misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana**; [Ny *Fanjakan’Andriamanitra dia ho ambony noho ny fanjakana** rehetra]. Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. » (Isaia 2:2) « Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Isaia 2:3).

 

Inona ireo lalàna nolazain’Isaia ireo ? -  Ny lalàn’Andriamanitra ara-panahy ireo, dia ny Didy Folo ! Marina izany satria mandritra ny Fanjakan’i Kristy eto an-tany, ny rehetra dia hianatra ny fombam-piainan’Andriamanitra manontolo, izay miankina amin’ny Didy Folo !

Teolojianina maro no mampiasa hevi-petsy hilazany fa efa « nofoanana » ny didin’Andriamanitra. Nefa io Didy ara-panahy lehibe io dia ho fototra iorenan’ny fiaraha-monina rehetra tsy ho ela intsony. Misy ny boky fianarana momba ny Didy Folo izay ho dinihina amin’ny manaraka raha ilaina izany.

Hanao ahoana ny fiainana any amin’ny tontolo izay hahafantaran'ny tsirairay sy hampiharany ny lalàn’Andriamanitra? Ny Fanjakan’i Kristy dia ho taom-piadanana hahitana fa na ny bibidia aza dia ho malemy fanahy, araka ny voalaza hoe:

 

« Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa] » (Isaia 11:6) « Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; » (Isaia 11:7) « Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason'] » (Isaia 11:8).

 

Noho izany:

« Tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Isaia 11:9).

Ny Soratra Masina manambara fa tsy handao na hahafoy ny olony intsony Andriamanitra, rehefa voavonjy amin'ny fahababoana sy fahoriana mahatsiravina izy ireo, izay hozakainy mandritra ny Fahoriana Lehibe, ateraky ny fifandringanan’ny olona sy ny Andron’ny Tompo famaliana:

« … Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; » (Isaia 30:20) « Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. » (Isaia 30:21).

Fotoana tapahin’ny lalàn’Andriamanitra, feno fiadanana sy fahasambarana, ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izay ho avy:

« Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy. » (Isa 35:9) « Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. » (Isaia 35:10).

 

 

 

Ho Lasa Mpampianatra Ireo Olo-Masina

Amin’izany fotoana izany, ny « olo-masina » natsangana tamin’ny maty hampianatra ny mponina rehetra eto an-tany ny amin’ny fombam-piainan’Andriamanitra, mifototra amin’ny Didy Folo. Izany dia hiteraka tontolo feno fiadanana sy fifaliana mandrakizay. Koa satria Kristy no « santatra amin’ny voaloham-bokatra », ho azontsika atao ny maka Azy ho ohatra mba hahafantarana ny fomba hisehoan’ireo olona masina atsangana amin’ny maty sy hiasany mandritry ny Fanjakana arivo taona (Milenioma). Amin’izao fotona izao, Jesosy Kristy dia velona amin’ny voninahitra tsy hay lazaina. Nandritra ny fahitana, ny Apostoly Jaona dia nahita Azy tamin’ny voninahiny:

« Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; » (Apokalypsy 1:14) « ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. » (Apokalypsy 1:15).

Ny Apostoly Jaona nanoratra toy izao koa:

« Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jaona 3:2).

Marina izany, fa « ho tahaka an’i Jesosy Kristy » tanteraka isika! Ho feno « voninahitra » isika amin’ny fitsanganana amin’ny maty satria zanak’Andriamanitra amin’ny fahafenoany, rahalahin’i Jesosy Kristy amin’ny fahafenoany ! Ary izany dia satria ny Baiboly manambara fa Kristy tsy maintsy ho « Lahimatoa amin’ny rahalahy maro » (Rom. 8:29).

Manao ahoana no nampianaran’i Kristy ny olona rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy? (nandray voninahitra). Taorian’ny nitsanganany, niseho im-betsaka tamin’ny Apostoly sy olona hafa Jesosy.  Nefa izy ireo tsy nahalala Azy avy hatrany – Niova ny toetrany, miohatra noho ny tamin’ny naha-nofo aman-drà Azy. Na izany aza, Kristy tafatsangana tamin’ny maty niseho saika toy ny olombelona hatrany, niresaka toy ireny, koa dia azon’izay rehetra nifampiresaka taminy izay nolazainy, tsy nisy natahotra Azy.

Tsarovy ilay tantaran’i Maria-Magdalena, izay tsy nahafantatra Azy tamin’ny voalohany, tsy nahatsapa fa nahita an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty izy. Fotoana vitsy taorian’izay, rehefa niresaka tamin’ny feo natoraly sy nampahafantatra ny tenany Jesosy, dia vao nanatona Azy i Maria, nefa Jesosy nilaza taminy hoe: « Aza manendry Ahy » (Jaona 20 :14-17).

Taorian’izany, Jesosy niseho tamin’ny mpianany tao amin’ny toerana izay nivorian’izy ireo: « Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jaona 20: 26) « Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. » (Jaona 20: 27)

Mazava tsara fa ireo rehetra izay « maharesy » sy ho isan’ny olo-masina tafatsangana amin’ny maty, dia ho mendrika ny hampianatra ny mponina maneran-tany, amin’ny fisehoan’ny tenany manokana, toy izay nataon’i Jesosy Kristy tamin’ireo Apostoliny.

Azo antoka fa ireo Kristiana atsangana amin’ny maty, hiasa eo ambany fahefan’i Kristy mandritry ny Milenioma (Fanjakana arivo taona), dia hiseho indraindray amin’ny voninahitra lehibe, fa amin’ny fotoana hafa kosa dia hohenon’ny olona, nefa tsy hita maso toy izay voatantara ao amin’ny Isaia 30. Kanefa, matetika, izy ireo hiseho amin’ny bikan’olombelona, toa an’i Jesosy Kristy niseho teo afovoan’ireo Apostoly, na koa toy izay niarahany nisakafo tamin’izy ireo teo amoron’ny ranomasina Galilia (Jaona 21 :12-15).

Tsy isalasalana fa hisy fotoana hifanenan’ny olombelona amin’ny olo-masina natsangana tamin’ny maty, ary hilaza amin’ny namany amim-paha-talanjonana izy, manao hoe: « Iray tamin’izy ireo izay »!

Mety ho ianao ve ny « iray amin’izy ireo »? Anjaranao ny mamaly izany sy maniry izany, rehefa nanomboka nahazo ny Planina marin’Andriamanitra. Raha antsoin’Andriamanitra ianao ho isan’ireo voaloham-bokatra, dia homeny anjara mahagaga tsy ampoizinao. Satria izao no nolazain’i Jesosy Kristy :

« Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; » (Apokalypsy 2:26) « ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. » (Apokalypsy 2:27) « Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. » (Apokalypsy 2:28)

 

Ny Kristiana ankehitriny tsy maintsy « mandroso » marina, mba hampiseho amin’Andriamanitra fa mitady ny Fanjakan’Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra izy ireo. Izany no tsy maintsy tarigetra voalohan’ny Kristiana iray ! Tadidio ny didin’i Jesosy manao hoe : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33).

 

Ny Fanjakan’Andriamanitra tena misy tokoa. Ho avy tsy ho ela izany. Tsy maintsy fantarintsika lalina ny momba azy, ary miomana isika handray anjara ao, satria hanana anjara hampianatra an’ity izao tontolo izao mijaly ity, rovitry ny ady: hampianatra ny làlan’ny fiadanana sy fifaliana lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

Tsy maintsy mankatò tanteraka an’i Kristy isika, mba hamelantsika Azy hiaina ny fiainany misy fankatoavana ato anatintsika, sy hamela Azy hametraka ny « fanekena vaovao » ao amintsika, noho ny maha-Isiraely ara-panahy antsika, araka ny voatantaran’ny teniny manao hoe :

« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. » (Jeremia 31: 33).

Enga anie hampahafantarin’Andriamanitra anao ny Planiny sy ny fikasany mahagaga izay tanterahiny ankehitriny. Enga anie Izy hanome antsika ny fahazotoana hanomana ny fotoam-panjakan’i Jesosy Kristy eto an-tany, hananantsika anjara hanampy Azy, hanompo Azy, sy hampianatra ny didin’Andriamanitsika. Ny tarigetran’ny Kristiana marina tsirairay dia ny ho tonga zanak’Andriamanitra ateraky ny Fanahy indray andro any, ary ho mpikambana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra – na governemantan’Andriamanitra – izay hapetrak’i Jesosy Kristy tsy ho ela eto an-tany ! 

Handeha Hamboatra Fitoerana Ho anareo Aho

 

Jesosy Kristy nilaza hoe : « Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa] » (Jaona 14:1) « Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. » (Jaona 14:2)

 

Jesosy Kristy milaza ny fomba hiarovana ny fontsika tsy halahelo. Marina fa mety misy ny olona hanana eritreritra mandà ny filazantsara sy mamoy fo indraindray; nefa tsy maintsy miady isika na oviana na oviana, raha toa ka sendra izany. Ireto andininy manaraka ireto dia manome antsika ny fomba azo antoka ho amin’ny fahatoniana, izay mitarika ny fametrahana ny tanjontsika ao amin’ny tranon’i Jehovah.

 

Aiza Ny Tranon’ny Ray?

Teo Amin’ny Zanak’Isiraely

Jesosy niteny foana hoe: ny Tranon’ny Ray dia ny Tempoly ao Jerosalema. Ohatra: Isaia 56:7; Lio. 2:49; Marka 11:17; Jaona 2:16.

 

« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isaia 56:7)

« Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon*'ny Raiko Aho?[*Na: eto amin'ny raharahan'] » (Lio. 2:49)

 

« Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isaia 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jeremia 7. 11). » (Marka 11:17)

« dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. » (Jaona 2:16)

 

Mandritry Ny Milenioma

Mandritra ny Milenioma (Fanjakana arivo taona), ny Tranon’ny Ray dia ho ny Tempoly ao Jerosalema. Nefa raha niteny i Kristy hoe “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro”, dia nilaza momba ny fotoana aorian’ny Milenioma, satria ny asa hataontsika mandritry ny Milenioma dia haharitra mandrakizay! Ny Apokalypsy 3: 12 milaza fa “tsy hiala amin’io tempoly io intsony” isika.  Hiasa mandrakizay avy ao amin’ny tranon’ny Ray isika! 

 

Ny tempoly izay narafitry ny olon’Andriamanitra dia nalaina ohatra avy amin’ny tempoly any an-danitra. Ny Ezra 8: 29 miteny momba ny efitrano na birao ao anatin’ny tranon’ny TOMPO. Jeremiah 36: 10 miteny momba ny efi-tranon’i Gemaria izay mampiseho fa nanana fiandrianana izy, sy efi-trano na birao mifanandrify amin’io fiandrianany io ao amin’ny tranon’i Jehovah.

Jeremiah 35: 2 miteny momba ireo efi-trano, na birao ao anatin’io Tranon’i Jehovah io. Ny 1 Mpanjaka 6: 5 koa mampahatsiaro an’ireo efi-trano manodidina ny Tempoly nataon’i Solomona--dia birao manodidina ny Tempoly. 

 

Aorian’ny Andro Lehibe Farany

Ny tranon’i Jehovah Ray dia miorina any an-danitra. Hampidinina eto an-tany izany miaraka amin’i Jerosalema vaovao aorian’ny fotoana tsy hisian’ny olona nofo aman-dra intsony ety an-tany. Izany dia fotoana tsy hisy afa-tsy fanahy intsony ety an-tany, aorian’ny andro Lehibe Farany.

 

Jerosalema vaovao dia ho feno BIRAO TENA IZY ho an'ireo olon'Andriamanitra! Hiaina sy hiasa mandrakizay ao anatin’io trano tsara tarehy, mahagaga sy kanto io isika, miaraka amin’ny Raintsika sy ny Vadintsika! 

Kristy nilaza fa « handeha hamboatra fitoerana ho anareo », ho an’ny TSIRAIRAY ! (Jaona 14:3). Tsy maintsy samy mandray izany mitokana isika. Andriamanitra miantoka fa samy hanana toerana – birao sahaza - ny tsirairay. NY TRANON’I JEHOVAH DIA VOAVOATRA, HO ANTONONA ANTSIKA HIARA-MIASA AMIN’I JESOSY KRISTY ! Ny toerana hotazomin’ny tsirairay dia miankina amin’IZAY ATAONTSIKA. Isika dia HOMENA VALISOA mifanaraka amin’ny ASA vaovao IANDRAIKETANTSIKA SY IZAY NATAONTSIKA taloha NANAMPIANA NY ASAN’ANDRIAMANITRA. Tena izany mihitsy no fomba fanao. Hevero tsara izany eo am-panampianao amin'ny asan’Andriamanitra ankehitriny.

 

Ny Tempoly Amin’ny Andro Ho Avy

 

Ny Apokalypsy 21:1-4 milaza momba io tempoly amin’ny andro ho avy io. 

[Ny amin'i Jerosalema vaovao] « Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » « Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » « Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » « Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. »

 

Izany no karazana birao izay omanin’Andriamanitra ankehitriny ho antsika rehefa miasa isika! Nanomana birao ho an’ireo voaloham-bokatra nandritry ny fotoana rehetra Izy. Ny ANDRAIKITRA HOTAZONINAO DIA MIFANARAKA TSARA AMIN’NY TOLONA NA ADY VITANAO SY NY FANDRESENAO, ary Andriamanitra hanendry andraikitra ho anao arakaraky ny talentanao. Tena fitsarana ara-drariny tanteraka izany.

 

Araka ny lazain’ny 1 Korintiana 15:41 hoe: SAMY HAFA NY KINTANA ARAKA NY VONINAHINY, dia toy izany koa ny voninahitra hananantsika amin’ny ho avy satria samy hafa araka ny asantsika izany. Hifanaraka amin’ny fahazotoan’ny fontsika tamin’ny nanaovana ny asan’ Andriamanitra ny voninahitra hananantsika amin’ny ho avy.

 

Ny voninahitrao mandrakizay dia ambony indrindra noho ny zava-drehetra amin’izao tontolo izao. Aza mety ho voafitaky ny hatsaran-tarehy na ny zavatra hita maso. Ny hatsaran-tarehy izay hiantefan’ny fientanam-ponao dia ny “HATSARAN-TAREHY MANDRAKIZAY!” Tamin’izany no namonosan’i Kristy ny fanahiny. Izany no zava-drehetra ho Azy!

Kristy nilaza toy izao koa ao amin’ny Jaona 14:3 « … Ho avy indray Aho, ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. » Handray antsika Izy – isika tsirairay. 

 

Nalahatra Indray Ny Planin’ny Famoronana

 

Nalahatra indray ny planin’ny famoronana manontolo taorian’ny fotoana nikomian’i Losifera. Rehefa izany dia nifototra tamin’ny famoronana ny olombelona ny planin’ny onivera* manontolo (*“univers”)! Ireo zanak’Andriamanitra indray ankehitriny no ivon’ny fiahiana. 

 

Ny famoronana manontolo – izay rehetra hitanao – dia halahatra manodidina ny tranon’Andriamanitra ! Hivelatra manerana ny onivera ny fitantanan’ny tranon’Andriamanitra. Tsy ho hitantsika intsony ireo fahasimbana misy eto an-tany amin’izao fotoana izao. Ny tany ho foibem-pitantanana mandrakizay. 

 

Ny loza faran’izay lehibe dia ny miamboho ny zavatra ho avy!

Kristy miteny momba ny tranon’ny Ray. Koa zanak’Andriamanitra miandry fahaterahana isika, ary Andriamanitra nanome zo antsika ho teraka ao anatin’ny fianakaviany sy honina miaraka aminy ao an-tranon’ny Raintsika!

 

Famintinana: Hafatra Momba Ny Fianakavian’ Andriamanitra

 

Tsy maintsy mitazona ny tanjon’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, toy izay nataon’ny Teny (Jesosy Kristy). Ny Teny dia tonga nofo, ary tamin’ny fotoana nonenany teto an-tany, dia nifantoka mandrakariva tamin’ny Ray Izy, sy tamin’ny fomba nanitaran’ny Ray ny Fianakaviany, ka nampidirany ny olombelona ho amin’ny ankohonany. Hafatra momba ny Fianakavian’Andriamanitra izany! Hafatra momba ny Ray koa! Tsy maintsy manakaiky an’i Jesosy Kristy toy izany koa isika mba hahatsapantsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika! Fantaro sy ampiharo avokoa ny antsipirian’ny dingan’ny Planin’ny famonjeny antsika, dia ho ao an-tranon’ny Ray mandrakizay isika. Kristy no vavahady.

 

Ny maha-voaantso azy amin’ny fanjakan’Andriamantra no anjara faran’izay tsara indrindra sy mahagaga ananan’ny olombelona iray! Raha tsy tsapan’ireo izay nahafantatra ny Ray izany, ka tsy notanterahiny ny zavatra ilaina momba izany, dia hahita loza amin’antambo izy ireo!

Jesosy Kristy niezaka namerimberina io fahamarinana io tao amin’ny fanahintsika mba tsy hahavery izany mandrakizay! Miezaka manorina ny fitiavany amintsika Izy mba hahafahantsika maka faka sy manalavitra ny fireharehana sy fanoherana, mba hifantohantsika amin’ny asany, sy HIJANONANTSIKA MIARAKA AMINY HATRAMIN’NY FARANY!

 

Nbiraontsika ao amin’ny tranon’Andriamanitra dia tena marina sy mandrakizay noho ny efitra ao an-tranontsika eto an-tany. Ny loza voajanahary iray mety hanapotika ny tranonao natao tanana, fa ny biraonao ao an-tranon’Andriamanitra dia tsy ho rava mandrakizay, raha mijanona mahatoky an’Andriamanitra ianao mandra-pahatonga any. 

Misaora an’Andriamanitra isan’andro noho ny maha zanak’Andria-manitra sy maha vadin’i Kristy anao ! Tsy misy zavatra azo ampitahaina amin’izany.

 

FAMPITANDREMANA ENTITRA MBA TSY HANOVANA NA HAMADIHANA NY FILAZANTSARA

 

Ny marina momba izany resaka izany dia tena zava-dehibe tokoa, ka nahatonga an’Andriamanitra hampanoratra an’i Paoly ho an’ny Galatianina tamin’izany – sy ho antsika amin’izao andro anio izao koa hoe : « Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantsoana anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa ; izay tsy Filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny Filazantsaran'i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy » (Gal. 1:6-9).

 

Io fanambarana iray io dia tena hentitra mihitsy! Eo amin’ny toko manaraka (2:5), Paoly milaza fa niaritra izy « … mba hitoeran'ny fahamarinan'ny Filazantsara aminareo. » Misy mihitsy izany ny Filazantsara tena izy, fa ny hafa kosa diso.

 

Amin’ny fomba fiteny hafa, Paoly tsy mba nampianatra filazantsara hafa na filazantsara famenony, hoatr’izay tian’ny hafa hampianarina sy ho lazaina. Nampiasain’Andriamanitra kosa izy mba hanoherana ny fampianaran-diso tahaka izany. Manambara ozona mihitsy izy ny amin’izany: « Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. » (Gal. 1:8)

 

Nanazava koa i Paoly fa Andriamanitra nametraka ny fitahirizana ny Filazantsara tena izy tamin’ny Apostoly. Jereo ny 1 Tes. 2:4: « Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny Filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay ». Andraikitra iray tsy tokony ho hamaivanina mihitsy ny fandraisana izany.

Ny minisitra tena izy dia mampianatra foana izay rehetra andidian’Andriamanitra azy ireo, fa tsy manao izay « mahafinaritra ny olona » na izay mahafinaritra ny « mpandalina » Baiboly akory. Noho izany, ny hevitra milaza hoe Paoly nampianatra filazantsara hafa (izay heverina fa ho mikasika an’i Kristy) dia tsy misy ilana azy, fa toy ny hoe nanambara fanozonana ho an’ny tenany ihany izy raha manao izany!

 

Izay rehetra mitory Filazantsara tsy izy dia efa tonga voaozona avy hatrany. Nefa maninona ny olona ankehitriny no tsy matahotra hanao zavatra tahaka izany? Nahoana no misy olona maro mivonona mampianatra karazana filazantsara tsy izy? Rehefa noheverina ny zavatra rehetra, ny lovantsofin’ny Fiangonana Kristiana ankehitriny dia tena tsy mifanaraka mihitsy amin’ny atao hoe “Filazantsara”.

Nahoana ?

 

Araka ny efa nambaran’i Kristy fa mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra ny Filazantsara, sy araka ny tsy fahafantaran’ny zanak’olombelona ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra, dia mihevitra ny olona fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia mety ho antokom-pinoana amin’ny lafiny iray na ny fitambaran’ny maha Kristiana. Amin’ny hafa, tsorin'izy ireo fotsiny amin’ny hoe « hatsaram-po » hita ao « am-pon’ny olona » no atao hoe filazantsara. Ny sasany indray mino fa ny « Arivo taona » izay ho avy no filazantsara. Ny sasany aza moa manambara avy hatrany fa ny Filazantsaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra dia tsy natao ho an’ny zanak’olombelona ankehitriny mihitsy.

 

Izany rehetra izany dia tena tsy fahalalana lehibe!

 

Izay rehetra tsy mitory afa-tsy ny filazantsara malaza mikasika ny tenan’i Kristy dia voafitak’ilay andrianan’izao tontolo izao sy ireo mpanompony (Apokalypsy 12:9), satria tsy mitory ny hafatra mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra izay nentin’i Kristy ho antsika. Izao no voasoratra ao amin’ny 2 Korintiana 4:4: « Izay nohajambain'ny andriama-nitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny Filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik' Andriamanitra. »

 

Vakio koa ny 2 Korintiana 11:13-15, izay nanoratan’i Paoly hoe : « Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.  Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany. »

Tena mivantana be izany, sady mahasosotra mihitsy aza. Nefa marina fa i Satana dia manana minisitra ohatry ny minisitr’ Andriamanitra.

 

Ireto andininy manaraka lazain’i Paoly ireto dia manome sy manoritsoritra ny asa ataon’ireo minisitra sandoka ireo: « Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny. » (2 Korintiana 11: 3) « Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany? » (2 Korintiana 11: 4).

Raha Kristy no ILAY Filazantsara, nahoana indray àry isika no mihevitra « ny fisian’ny Jesosy hafa » sy « ny fisian’ny filazantsara hafa » ho loha-hevitra roa samy hafa eto?

 

Tokony hifoha amin’ny fandrebireben’izy ireo ny olona – amin’ny hadisoan-kevitra faobe - izay lazaina fa hoe Kristiana nefa mandà ny FAHAMARINANA MAZAVA REHETRA ampianarina ao amin’ny Baiboly ! Ny planin’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona dia tena mampitolagaga; ary tsy misy azo ampitahaina aminy izay noforonin’ny olona hanoloana izay efa nolazain’Andriamanitra. Izao tontolo izao dia misafidy ny tsy hiraharaha ny làlana mazava, tsotra sady miharihary ao amin’ny Baiboly mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

Ity boky ity ary no manazava ny fahamarinana mahavariana izay tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona.

NY HAFATR’I JESOSY: FILAZANA MIALOHA

 

Toy ny mpampita vaovao mialohan’ny fotoany, Kristy tonga nanao ny filazana mialoha tamintsika ny fanovana tanteraka, eo amin’ny fomba hitondrana izao tontolo izao indray andro any. Izany fanovana tsy manampaharoa izany dia arahana filaminana maneran-tany, fiadanana, firindrana, fahasalamana ary fahasambarana maneran-tany. Ary ny hitondra ny fanovana dia Jesosy Kristy sy ny olo-masin’ny Avo Indrindra. Koa izany fanovana izany no fototry ny Fanjakan’Andriamanitra izay ambaran’ny Filazantsara.

 

Tamin’izay toerana rehetra nalehan’i Kristy, dia niresahany ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary izany no fototry ny ankamaroan’ireo fanoharana nataony. Rehefa naniraka ny Apostoly roa ambiny folo Izy sy nandefa azy nitory, dia nandidy ny fitoriana mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra. « Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. » (Lio. 9:1-2).

Rehefa taty aoriana, nandefa ny mpianany fitopololahy koa Izy. « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. » (Lio. 10:1).

Tamin’izany dia nilaza tamin’izy ireo koa Izy mba hitory ny «Fanjakan’Andriamanitra ».

« Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan' Andriamanitra.» (Lio. 10:9).

 

Tamin’izay rehetra nalehan’i Paoly dia io hafatra io ihany no notoriny. (Asa 19:8; 20:25; 28:23, 31).

« Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny Fanjakan’Andriamanitra. » (Asa 19:8) « Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana. » (Asa 20:25) « Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny Fanjakan’Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy. » (Asa 28:23) « Dia nitory ny Fanjakan’Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana. » (Asa 28:31).

 

Ny teny hoe Fanjakana sy Fanjakan’Andriamanitra dia hita miverina in-dimapolo ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nefa ny zavatra mahavariana, dia azo heverina fa ny Kristianisma amin’ny ankapobeny, saika tsy ankanavaka, dia manadino ny fahalalana, na tsy mahalala akory, sy tsy mitory io tena Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra io.

 

Ny teny hoe « Filazantsara » dia avy amin’ny teny Grika hoe “euaggelion”, izay midika hoe « vaovao mahafaly ». Ny teny hoe « Fanjakana » dia avy amin’ny teny Latinina hoe “regimen”, izay midika hoe Fitondrana. Raha tsorina izany, Kristy nitory ny « vaovao mahafalin’ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra ». Ny filaminana maneran-tany, ny fahasalamana sy ny fahampiana amin’ny lafiny rehetra dia ho hita fa ho vaovao mahafaly ho an’ny zanak’olombelona izay tsy nahalala an’izany nandritra ny enina arivo taona.

 

Ny mpianatr’i Kristy nanontany Azy ny FAMANTARANA ny amin’ny fotoany ary ny fahatongavan’ny faran’izao tontolo izao. « Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 24:3).

 

Ary Izy nampitandrina ny amin’ny mpamitaka maro ho avy amin’ny Anarany: « Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. » (Matio 24:5).

Nilaza i Jesosy teto fa ireo mpamitaka ireo hitory ny TENAN’i Kristy, fa tsy ny HAFATRA izay nentiny. Nefa naminany koa Izy hoe: « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity Filazantsaran'ny Fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Matio 24:14)

 

Isika izao tena miatrika ny fotoan’ny andro farany. Tsarovy fa raha notorina nandritry ny taonjato maro lasa ny Fanjakan’Andriamanitra, hatramin’ny vanim-potoan’i Kristy ka mandraka androany, ny fanambarana azy ankehitriny dia tsy ho midika intsony hoe famantarana ny faran’izao tontolo izao. Ny mpisandoka sy ny mpitondra mamitaka nanempotra ny fitoriana ny Filazantsara tena izy mandra-pahatongan’ny taonjato faha roapolo. Teo amin’ny fiandohan’ny taona 1934 no nanokafan’Andriamanitra indray ity faminaniana ity, ary dia eo an-dàlam-pahatanterahana hatrany izy izao. Amin’izao andro iainantsika izao dia torina ao amin’izay tena fiangonan’Andriamanitra marina hatrany izany Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izany.

Ny Fiainana Aorian’ny Fahafatesana

 

Rehefa niresaka ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy, inona marina no tiany ho lazaina? Ity Filazantsara ity dia manana ny mampiavaka azy.

 

Ny ankamaroan’ny mpitory miresaka Filazantsaran’ny famonjena, izany hoe finoana fa mbola misy fiainana aorian’ny fahafatesana. Ny sasany nandroso hevitra fa ny Filazantsara dia tsy miresaka afa-tsy ny «fandraisana ny fiainana mandrakizay», na koa miaraka amin’ny hevitry ny be sy ny maro hoe « mankany an-danitra » aorian’ny fahafatesana. Ny marina dia izao: ny famonjena dia endrika iray amin’ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, mifandray mivantana aminy, saingy tsy mahafeno izay Vaovao Mahafaly notorin’i Jesosy Kristy izany.

 

Ny ankamaroan’ny olona koa mihevitra fa mitady ny fomba rehetra hamonjena izao tontolo Andriamanitra ankehitriny, ary amin’izao no hany fotoana sisa azo amonjena ny zanak’olombelona. Tsy fantatr’izy ireo akory ny anton’ny nahaterahany - izany hoe ny antom-pisiany eto an-tany. Tsy fantany koa hoe: maninona no tsy mety mahita filaminana, fiadanana, fahasalamana sy fahampiana amin’ny lafiny rehetra ny zanak’olombelona? Ny olona rehetra dia voafitaka amin’izay antsoina hoe famonjena sy ny fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Ity boky ity no manome valiny amin’ny ankabeazan’ireo fanontaniana ireo.

 

Ny lafiny iray mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny FITONDRAM-PANJAKANA na FANAPAHANA. Araka ny efa nambara tetsy aloha, midika hoe “fitondrana” ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa tafaorina eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hanjaka amin’izao tontolo izao izy, izany hoe: MITONDRA FANJAKANA NA MANAPAKA IZAO TONTOLO IZAO. Manome fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba izany ny Baiboly.

 

Hafatra Mikasika Ny “Fitondram-Panjakana”

 

Ny tohin’ity boky ity dia manazava ny lafiny « fitondrana » amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy dia nisy anjely niseho tamin’i Maria reniny. Ireto andininy manaraka ireto no mampiseho izany fihaonana izany sy izay nolazain’ilay anjely:

« Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao*. Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. » (Lio. 1:26-33)

 

Ao amin’ny Jao 18:36, Jesosy nilaza tamin’ny Pilato hoe: « Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)

 

Jesosy Kristy Dia Nateraka Ho Mpanjaka!

 

Izao ny faminaniana ao amin’ny Isaia mikasika an’i Kristy: « Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany. » (Isaia 9:6-7)

 

Rehefa haorin’i Kristy eto an-tany ny fitondran’ Andriamanitra (governemantan’ Andriamanitra), dia hitokana ny filaminana ho an’ny firenen-drehetra Izy.

 

NITORY NY FILAZANTSARA NY MPAMINANINY REHETRA

 

Nandritra ny toriteniny tamin’ny Fetin’ny Tabernakely, ny Apostoly Petera dia nanao filazana mahavariana izay toa tsy fantatry ny maro ao amin’ny tantara ara-Baiboly. Niresaka fotoana iray miavaka izy, nanao hoe :

« Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra. » « Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao. » (Asa 3:19-21, 24).

 

Efa rentsika, fa noraisina any an-danitra i Kristy. Nefa ny fiverenany dia mbola tsy tonga, mahatonga ny fitenenana hoe « mandra-pihavin'ny ».

 

Hevero izao: Izay mpanompon’Andriamanitra tena izy dia nitory fa manakaiky ny fotoana fiavian’i Kristy sy ny « fanavaozany ny zavatra rehetra ». Talohan’ny fikomian’i Satana dia efa nisy teto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nandritry ny arivo taona maro, ireo mpanompon’Andriamanitra dia naminany tamin’ny an-tsipiriany ny amin’io hanavaozana ny tany io. Ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia manambara ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanavaozana ny zavatra rehetra.

 

Ity misy tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao izay maka ohatra amin’ny anankiray amin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta TalOhabolana Ohatra, ny bokin’ny Joda dia mampahatsiaro ny faminanian’i Enoka, ilay Dadaben’i Noa. Olona niaina tamin’ny 4500 taona tany aloha, izany hoe talohan’ny safodrano i Enoka, fa naminany ny amin’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izay hiseho eto an-tany. Izao no soratan’i Joda momba izany: « Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina » (Joda 14) « hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy. » (Joda 15).

 

Fantaro tsara ny dikan’io andininy io. Manambara io fa ny olona Masina rehetra (ny tena Kristiana) miaraka amin’i Jesosy dia hitsara izao tontolo izao, « hampihatra ny fitsarana amin’ny “rehetra”… noho ny asan’ny haratsiam-panahiny rehetra ».

 

Milaza zavatra maro mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra ny Baiboly, ary tsy araka ny eritreretina aza. Averina eto indray fa ny marina dia tena mahavariana, toa mampikorontan-tsaina aza, nefa azonao fantarina izany.

 

Daniela Dia Nahazo Tsara

 

Daniela mpaminany, tahaka an’i Enoka, dia nahazo tsara fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitantanana ara-bakiteny izay hanjaka indray andro any amin’ny olona tena izy sy firenena tena izy eto an-tany. Tsy nino izy fa karazana « fahatsapana tsy fantatra mazava », na « fahatsapana manome fifaliana » ao « am-pon’ny olona » fotsiny izany. Tamin’ny karaza-nofy sy fahitana no nampisehoan’Andriamanitra taminy ny fomba hampiorenany ny Fanjakany eto an-tany sy ny fotoana hahatongavan’izany (Daniela 1:17).

 

Izay teny rehetra nambara tamin’ny Daniela dia tsy maintsy ho tanteraka: « Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany. » (Daniela 12:9). Isika izao dia ao anatin’io andro farany io mihitsy ankehitriny, sady misy porofo maro ny amin’izany. Vakio ny boky manao hoe: « Ao anatin’ny ANDRO FARANY ve isika izao? » izay hahafantarantsika tsara fa ny faminanian’i Daniela dia nosoratana ho an’izao VANINANDRO IAINANTSIKA izao! Ny hafatra nomena an’i Daniela dia natao ho antsika! Nitondra vaovao lehibe i Daniela – MAMPIVARAHONTSANA – izay hampisy fiantraikany amin’ny fiainanao! Ndeha ho jerentsika fa azony sy nampianariny koa ny Filazantsara izay notorin’i Kristy. Mila fantantsika tsara ny zavatra rehetra izay nolazainy.

 

Daniela dia tonga saina fa mpitondra teny sy mpitondra hafatra ihany izy, ary tamin’ny maha mpanelanelana azy no nanambaran’Andriamanitra ny planina mahagaga izay nataon’Andriamanitra. Ao amin’ny andininy faharoa, dia hitantsika fa niresaka tamin’ny mpanjaka Kaldeanina (Babyloniana) Nebokadinezara izy, mikasika ny nofy izay nataon’ny mpanjaka. Nebokadinezara dia filohan’ny fanjakana lehibe iray ambony firenena maro tamin’ny faha enin-jato taona teo talohan’ny vanim-potoan’i Kristy.

 

Ny mpisikidy sy ny mpanandron’ny Mpanjaka dia tsy nahay namantatra izay hain’Andriamanitra nambara tamin’ny mpaminany Daniela. Sary nasehon’Andriamanitra izany, tamin’ny alalan’ny nofin’ny mpanjaka, fa misy Andriamanitra velona sy mahefa ny zavatra rehetra izay manjaka amin’ny zavaboary rehetra, sy amin’ny mpanjaka rehetra, sy amin’ny fitondrana rehetra ary amin’ny mponin’ny tany rehetra, ary izy rehetra dia manaiky Azy. Ny zavatra fantatry ny mpanjaka Nebokadinezara, dia ny fisian’ny mpanjaka hafa sy ny andriamani-kafa maro inoan’izy rehetra. Ilay Andriamanitra tena izy anefa te-haneho aminy ny fisian’ny fitondrany sy hampahafantatra azy fa manjaka amin’ny zavaboary rehetra Izy. Te haneho amin’i Nebokadinezara amin’ny fahafenoana koa Izy ny amin’ny FIKASANY LEHIBE hametraka io FANJAKANY io eto an-tany « any am-parany any ».

 

Manokàna fotoana hamakiana amin’ny faharetana ny bokin’ny Daniela 2:28-44. Ity faminaniana mahavariana sy amin’ny an-tsipiriany ity dia manambara amintsika ny fikasan’Andriamanitra hanavao ny fitantanana eto an-tany, sy ny ho tohin’ny fotoana kasainy hatao.

 

Ireo andininy voalohany mampiseho antsika sarivongan’olona lehibe. Ny andininy 32-33 milaza hoe: « Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. » (Daniela 2: 32-33)

 

Hita aloha izany io fa sariolona, fa misy fizarany efatra samihafa izy io. Ny andininy 34 -35 milaza avy eo fa misy vato nandrava ilay sarivongana ka nanorotoro sy namotipotika azy mandra-pahatongany ho toy ny vovoka, ary avy eo dia ho tonga tendrombohitra lehibe ilay vato ary nameno ny tany. Mariho fa ny andininy faha 34 dia milaza hoe: «… ambara-paha-nisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. » (Daniela 2:34), satria Andriamanitra no nahatonga izany tamin’ny fomba tsy takatry ny saina, fa tsy ny olona.

 

Namotika ilay sarivongana ilay “vato” sy nisolo azy, mba tsy hisy afa-miala ny mponina rehetra fa tafiditra avokoa – ny tany rehetra. Ity dia tsy inona fa ny Fanjakan’Andriamanitra izay hapetraka eto an-tany. Daniela nilaza sy nanambara fotsiny ihany izany hafatry ny Filazantsaran’ny Fanjakana izany, izay hotorin’i Jesosy aty aoriana.

 

Tsy mila mino akory ianareo, satria ny Baibolinao ihany dia efa milaza izany. Tsy mila olon-kafa akory handika sy hanavaza ireo andininy ireo amin’ny toeranao.

Raiso fotsiny ny andininy Daniela 2:37, izay milaza mazava tsara hoe: « Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra; » ary koa ny Daniela 2:38 manao hoe: « … dia ianao izany loha volamena izany ». Tokony ho ny Baiboly foana ihany no avelantsika hanazava izay ao aminy.

 

Ny andininy 39 – 40 nanohy ny fanazavana ny fanjakana telo mifanesy, izay hanarakaraka ny an’i Nebokadinezara sy Babylona. Izany dia fahalalana izay tsy fantatry ny olona ankehitriny mihitsy na azony ny fampiharana azy.

 

Ireo andininy ireo mampiseho ny fifandimbiasana ara-tantara eo amin’ny FANJAKANA MANERANTANY, aseho amin’ny alalan’ny karazana vy samihafa mandrafitra ilay sarivongana.

Ireo dia fanjakana tena izy: (1) fanjakana Kaldeana-Babyloniana no volamena, (2) fanjakana Persiana no volafotsy, (3) ny fanjakana Makedoniana no varahana, sy ny (4) fanjakana Romana, vita avy amin’ny vy, ary vy mifangaro tanimanga amin’ny fotoana hipoirany indray. Ny hafatr’ilay TANTARA tamintsika dia nampita fa efa nanjaka ireo fanjakana efatra ary ilay farany dia mbola hanjaka indray mandram-pametraka ilay FANJAKAN’ANDRIAMANITRA eto an-tany.

 

Asehon’Andriamanitra amintsika ankehitriny fa Izy no manangana sy manongana fitondram-panjakana, ary avy eo manangana indray izy ary handrava fanjakana; noho izany, ny fanjakana (na fanjakana) an'ny olombelona dia miverimberina hatrany.

 

Famaritana Ny Atao Hoe “Fanjakana”

 

Maro ny mifanontany hoe « inona marina no tena famaritana ara-Baiboly ny fanjakana? » Ireo mpitory sy teolojianina dia nanandrana nanao azy ara-panahy satria izy ireo tsy nandinika tsara ny famaritana izay nomen’Andriamanitra.

 

Hitantsika ny valiny any amin’ny faran’ny Daniela 2:39 izay milaza fa ilay fanjakana dia «… hanam-pahefana amin'ny tany rehetra. » Hita izany fa tsy mety hoarina amin’ny hevitra manjavozavo hoe “fanjakana ao am-pon’ny olona rehetra” ilay Fanjakan’Andriamanitra.

 

Araka izay ambaran’io tantara amin’ny bokin’i Daniela io, dia azo tarafana toy izao ny famaritana ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra:

Misy:

ü  Mpanjaka mitantana

ü  Lalàna mifehy

ü  Vahoaka entina

ü  Tany ipetrahany

 

Tsy mety amboamboarintsika amin’izay fomba ahazoantsika azy ny famaritana, na araka ny fiangonana iray na maro amin’ny lafiny manokana. Isika eto miresaka governemanta manam-pahefana amin’ny mponina tena izy amin’ny tany sy ny olona tena misy. Ekenao ve hoe hisy olon-kafa hanambara aminao izay mifanohitra amin’izany, sa hino ny famaritana ny fanjakana ara-Baiboly ianao? Tsarovy ny hoe: ireo farany ireo dia “manjaka amin’ny tany rehetra”!

 

Mariho tsara sy tazomy ireto lafiny roa lehibe ireto ny amin’ilay sarivongana vy etsy ambony:

Voalohany, miha midina ny teti-bidin’ilay vy, miala avy eo amin’ny lohany mankany amin’ny tongotr’ilay sarivongana. Izany midika fa ny teti-bidin’ilay fanjakana dia mihakely noho ny an’ilay teo alohany.

Faharoa, ilay vy mihamafy hatrany arakaraky ny fidinan’ny teti-bidiny.

Amin’ny fiteny hafa, ny tanjaka sy ny fivelarana isaky ny fanjakana mifandimby dia mihangeza noho ilay teo alohany.

 

Farany, mariho fa ireo tongotra roa mampiseho fanjakana voazara. Ny fanjakana romana dia hita tena voazara tokoa, nisy ireo renivohitra roa: Roma sy Constantinople. Ny rantsan-tongotra folo amin’ny farany, ny ampahany dia vy ary ny ampahany taminanga. Izy roa ireo dia tsy mety mifangaro. Mampiseho fiovaovana izany amin’ny fotoana farany. Rehefa potika ireo tongotra ireo, mirodana ilay sarivongana manontolo. Tokony hisy fianarana tsara atao mihitsy mikasika ny toko telo mba hahazoantsika tsara ny fifandimbiasan’ireo fanjakana efatra ireo, sy hijerena mazava tsara, fa ireo rantsan-tongotra folo ireo dia tsy inona fa mpanjaka folo samy hafa izay mitondra amin’ny fotoana mifanitsy amin’ny andro farany.

 

Ampitahao amin’ny Daniela 7 ny ny voalazan'ny Apokalypsy 13 sy 17. Izy roa miaraka ireo dia manambara faminaniana lehibe mikasika ny andro farany sy ny zava-mitranga izay hisy fiatraikany aminao sy amiko mandritra ny fiainantsika! Ny Apokalypsy 17:8 dia manazava “bibidia”, izay miakatra avy ao amin'ny “lavaka tsy hita noanoa”, izay taingenana “vehivavy” iray. Ny andininy faha roa ambiny folo midika fa ny bibidia dia mpanjaka folo izay tsy maintsy handray fahefana sy hiray hina amin’ny mpitantana mahasarika, izay tsy maintsy hanao ny anjara asan’ilay « bibidia ». Izany dia mampiseho fiverenan’ny fanjakan’ny “Emperora Romana”, izay mandray endrika ao afovoan’ny Eoropa ankehitriny, ary tsy tokony haharitra ela.

 

Ny Firenena Mikamban’i Eoropa dia hiforona ao anatin’ny fotoana fohy. Tonga dia hita tsara avy hatrany eto ny dikan’ilay faminaniana.

Hisy tranga tsy mampino ho avy amin’ny vanim-potoanan’ireo «mpanjaka folo» ireo (ny rantsan-tongotra folo dia mampiseho ireo mpanjaka folo faran’ny Apokalypsy 17:12). Ireo zava-mitranga ireo no manambara ny fiavian'i Kristy, izay hanaisotra tanteraka ny fisalasalana mikasika NY FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA. Ary fanampin’izany, Andriamanitra dia milaza amintsika hoe RAHOVIANA izy no ho tonga: « amin’ny andron’ireo mpanjaka folo ». Daniela 2:44 dia manambara amin’ny fomba tsy miafina hoe: « Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay. »  

 

Izany mihitsy! Andriamanitra – fa tsy ny olona – no hametraka ny fanjakana farany, izay lehibe manerana izao tontolo izao hatramin’izay nisian’ny lanitra sy ny tany. Ary Andriamanitra dia tsy hamela ny olona hisosoka indray amin’izany, satria ny Fanjakany dia « hitoetra mandrakizay ». Io fampanantenana io dia tena azo antoka. Izany dia tsy maintsy ho tanteraka, na mino ny olona na tsy mino!

 

 

Ilay VehivavY ao Amin’ny Apokalypsy 17

 

Ny fampitahana ny Daniela 7 amin’ny Apokalypsy 13 sy 17 dia milaza marina fa misy fahaterahana im-pito amin’ny Fanjakana MASINA Romana.

Apokalypsy 17: 9 – 14:

 “9 Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.

“10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.”

“11 Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny

fandringanana.”

“12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.”

“13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibi-dia.”

“14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy

Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.”

 

Aseho amin’ny endrika bibidia ireo Fanjakana ireo ao amin’ny Apokalypsy 13 sy Daniela 7.

 

Apokalypsy 13: 1-7:

1 [Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia

niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy*. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3]

2 Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.

3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.

4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady

aminy?

5 Dia nomena lela* miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy** izy, ary nomena fahefana mba hiasa*** roa amby efa-polo volana. [* Gr. vava] [** Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [* Na: haharitra]

6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy* an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]

7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokompirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.

8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo

izao.”

 

Daniela 7: 2 – 12:

“2 Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry

ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.

3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.

4 Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany,

ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao

manana fon'olombelona izy.

5 Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolantehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.

6 Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.

7 Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy,

ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.

8 Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny

zavatra mihoa-pampana izy.

9 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia

lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.

10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.

11 Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.

12 Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.”

 

Ny enina amin’ireo Fanjakana voalaza ireo dia efa tanteraka, ka ireto avy izy ireo:

1.      Emperora Justinien, taona 554,

2.      Emperora Charlemagne, taona 800,

3.      Emperora Otton 1er le Grand, taona 962,

4.      Charles Quint, (Habsbourg), taona 1530,

5.      Napoléon Bonaparte, taona 1804,

6.      Mussolini, (sy Hitler), taona 1935.

 

Ary ny iray sisa ambiny dia eo andalam-pahatanterahana, ka haharitra telo taona sy tapany eo izany, mandritry ny vanim-potoana antsoin’ny Baiboly hoe “Fahoriana Lehibe” (Matio 24, 21-22), sy ilay antsoiny hoe « andro fahoriana ho an’i Jakoba » (Jeremia 30:1-7). Aorian’io fitsanganan’ny fanjakana Romana farany io no hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

Zava- dehibe ny mahazo ny fifandraisan’ireo fahaterahana fito ireo (na fitsanganana) amin’ny fitondrana Romana.

Ny Apokalypsy 17 dia manoritsoritra tsirairay izany fahaterahana fito izany, arahana « …vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo. » (Apokalypsy 17:3). Ireo loha fito ireo dia ilay fahaterahana fito misaraka ary ny tandroka folo dia mampiseho ny fahaterahana farany izay arafitry ny mpanjaka folo.

 

Mikasika ilay vehivavy, ny andininy faha 5 sy 6 milaza hoe: « ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe:

ZAVA-MIAFINA,

BABYLONA LEHIBE,

RENIN'NY MPIJANGAJANGA

SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY. »

(Apokalypsy 17:5)

« Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran’ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra. » (Apokalypsy 17:6). Ny andininy 1 miantso azy amin’ny anarana hoe « ilay vehivavy janga (dia Babylona), izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro » (Apokalypsy 17:1). Ny andininy 15 manazava fa “ny rano maro” dia “ny mponina”, “ny vahoaka”, “ny firenena”, “ny samy hafa fiteny”.

 

Ity dia famariparitana amin’ny antsipiriany ny fahalebiazana sy ny herin’ny fiangonana iray “manompo sampy” izay nidina avy eo amin’ny rafi-pitondran’i Babylona. Izy dia renin’ny Fiangonana-zanany maro “mpanompo sampy”. Ireo Fiangonana-zanany ireo dia nivoaka avy tao aminy satria tsy nanaiky ny zava-mahatsiravina sy tsy fampiseho masoandro sasany izay ataony. Fantaro tsara fa izy io dia tsy Fiangonana madinika na Fiangonana zandriny fa tena Fiangonan-« dehibe » mihitsy, izay manjaka amina « vahoaka maro » sy « mponina » maro. Ny andininy 2 dia miresaka ny «fahavetavetany» miaraka amin’ireo « mpanjaka amin’ny tany ». Ary ny andininy faha-18 miresaka ilay vehivavy tahaka ny « renivohitra lehibe izay manana ny fiandrianana amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra».

 

Ilay vehivavy ao amin’ny Apokalypsy 17 dia maneho fiangonana mpanompo sampy iray. Ny fanazavana amin’ny antsipirihany momba io vehivavy io dia voalazan’ny Apokalypsy 17: 1 - 6:

 

Endrika sy toetr’ilay vehivavy ao amin’ny Apokalypsy 17

Fanazavana

Soratra Masina ahitana izany

Ravehivavy dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.

Ravehivavy = fiangonana

Tanàna lehibe izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany = fiangonan-dehibe misy manerantany.

Apoaklypsy 17: 18; Efesiana 5: 22;

Kolosiana 3:18

Mipetraka eo ambonin’ny loha fito eo amin’ny rano maro ravehivavy.

Loha fito = tendrombohitra fito na Fanjakana Lehibe Fito.

Rano = firenena sy olona na vahoaka betsaka, ary ny samihafa fiteny.

= firenena maro manerantany no mivavaka amin’ilay Eglizy.

Apoaklypsy 17: 9; Apokalypsy 17:1; 

Apokalypsy 17:15;

Isaia 17:12-13

Misy anarana voasoratra eo amin'ny handriny manao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE,

RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY.

Babylona lehibe: RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY

“Renin’ny mpijangajanga”: midika fa manana zanaka maro ravehivavy.

Apokalypsy 17: 5

Ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky.

Vehivavy = fiangonana

Loko jaky na mena midorehitra = rà mandriaka,

Apokalypsy 17: 4

Efesiana 5:22-2

Isaia 63:2-3

Miravaka volamena sy vato soa ary perila izy

Voaravaka volamena sy perla ny trano fiangonana na ny fitaovana ao.

Apokalypsy 17: 4

Ravehivavy mitana kapoaka volamena eny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany

Mitana kapoaka volamena = mitana kapoaka volamena ny mpisorona ao amin’ilay fiangonana. Ny kapoaka volamena eny an-tànany dia feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany.

Apokalypsy 17: 4

Leon’ny divain’ny fijangajangany ny mponina amin’ny tany

 

Vehivavy janga na mpijangajanga = fiangonana mpanompo sampy, mivavaka amin’ny andriamanikafa maro, miankohoka amin’ny sarin-javatra anidina sy ny maty.

Ny teny hoe “Leo” eto dia azo faritana hoe sady “mamo tampona” ary tsy afaka misaina na mandinika tsara intsony, indrindra noho ny fitiavana diso tafahoatra, na fimamoana diso tafahoatra, na vokatry ny fiantraikan’ny hery sy fahefana iray.

Ny mponina amin’ny tany no mamon’ny divain’ny fijangajangana ampisotroin-dravehivavy azy ireo.

Apokalypsy 17: 2

Bibidia no mitondra an-dravehivavy; ka ny  bibi-dia mitondra azy dia manan-doha fito sy tandroka folo. 

Bibidia = mpanjaka na fanjakana na empira

Tandroka =  fanjakana na empira; tandroka 10 = mpanapaka na mpitondra fanjakana na mpanjaka 10

Apokalypsy 17: 7-12

Apokalypsy 17: 9

Ijangajangan’ny mpanjakan’ny tany ravehivavy

Vehivavy ijangajangan’ny mpanjakan’ny tany = fiangonana manaiky fomban-tsampy isankarazany avy amin’ny fombam-panjakana samihafa

Apokalypsy 17: 2; Daniela 7: 1-3; Daniela 7: 17;

Ary ravehivavy dia leon'ny ran’ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy

Izany hoe, efa namono ny olona masin’ny Avo Indrindra maro dia maro ravehivavy; izany dia ireo sahy nijoro tamin’ny finoana an’I Jesosy Kristy. Nahatonga martiora ara-pivavahana tsy tambo isaina izany famonoana izany; vokatr’izany, leon’ny ran’ny olona masina ravehivavy..

Apokalypsy 17: 6

 

 


Ity vehivavy janga lehibe ao amin'ny Apokalypsy 17 ity dia mampiseho vehivavy iray, izay tena samy hafa amin'ny ilay iray ao amin'ny Apokalypsy 12.

Ny Apokalipsy 12: 1 dia mampiseho ny filazalazana ny tena Fiangonan'Andriamanitra:  “vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,” Hampakarina ho vadin'i Jesosy Kristy izy rehefa tafaverina Izy. (Apokalypsy 19: 7; Matio 25: 1-10; Efesiana 5: 2).

 

Ilay vehivavy ao amin'ny Apokalypsy 12 dia nampijalin'ilay vehivavy tao amin'ny Apokalypsy 17 na fiangonana mpanompo sampy nandritra ny 2000 taona. Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran’ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra. (Apokalypsy 17: 6). Nefa Jehovah dia handrava an'ity Andriamanitra mpanompo sampy lehibe sy ireo zanany maloto ity, ary hampitanjaka azy sy handany azy ny bibidia izay ipetrahany. “6Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo. (Apokalypsy 17:16).

 

Tsy misy fotoana betsaka intsony alohan’ny ahatanterahan’izany fitsanganana farany izany. Ny zavatra rehetra dia eo an-dalam-piforonana izao! Avy eo, dia hanaraka izany ilay Fanjakan’Andriamanitra mahafinaritra (Apokalypsy 19: 11-16). Ireo governemantan’olombelona rehetra — ireo firenena kely sy lehibe eto an-tany amin’izao andro izao — ho potika sy hosoloin’ilay FITONDRAN’ANDRIAMANITRA MANERANTANY.

 

Afaka kelikely, izao tontolo izao hahita ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 11:15 manao hoe: « …Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. ».

Tahaka ny tsy isian’ny fisalasalana fa misy fanjakana marina amin’ny firenena rehetra amin’izao andro izao, dia tsy tokony hisy fisalasalana koa, raha mifototra amin’io andininy io isika, fa ny Fanjakan’ Andriamanitra hapetraka eto an-tany hisolo azy dia tena marina sy ara-bakiteny!

 

Jesosy Kristy dia nateraka ho mpanjaka — mba hanjaka amin’ny mponina rehetra amin’ny tany mandrakizay ary miaraka amin’ny fanampian’ireo mpanjaka maro izay nateraka ho Fanahy (ireo olom-boavonjy). Izany dia lohahevitra fototry ny Baiboly.

Vakio indray: « Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. » (Apokalypsy 19:15-16).

Nisy olona ve efa nanazava toy izany tamintsika ireo andininy ireo? Tsy mbola naheno izany zavatra izany mihitsy aho tamin’ny fiangonan’ny fahatanorako; nefa ireo izy, asehontsika mazava tsara!

 

Miditra Amin’ny Fanjakana

 

Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa ilay Fanjakan’Andriamanitra hanjaka amin’ny vahoaka rehetra sy ny mponina rehetra amin’ny tany. Tsy isan’ny fanjakan’olona tsotra amin’ny firenena mitondra ny governemanta intsony izany. Isika dia tokony hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mba ho isan’izany. Ndeha ary hanontany tena isika hoe: Iza avy ireo rehetra ao amin’ny Fanjakana izay mitantana ny olona hafa rehetra? Raha ho isan’izay mpanjaka ao isika, inona no tsy maintsy tandremantsika sy ataontsika ary iainantsika ankehitriny, satria olona notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina isika, mitombo ao “an-kibon-dreniny”, dia ny Fiangonana, mandra-pahaterany ho Fanahy amin’ny fitsanganana amin’ny maty? Amin’izay isika vao ho mpikambana amin’ny Fanjakana manjaka mandrakizay! Amin’izao fotoana izao isika dia olon’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa tsy mbola ety an-tany ety io Fanjakana io, toy ny “ambasadaoron’ny firenena iray", dia ny any an-danitra.

 

Na izany aza, amin’izao fotoana izao, olona efa nafahan’Andriamanitra tamin’ny « herin’ny maizina » isika, NANTSOINY hivoaka tamin’izao tontolo izao (Apokalypsy 18:4). Koa efa ivelan’izany rafitra avy amin’ny Satana izany (Efe. 2:2-3) isika, sy ireo fomba fiainany sy ny governemantany. Ary Andriamanitra « nitondra antsika ao amin’ny fanjakan’ilay Zanany malalany (Governemantany) ». Izy manafaka antsika amin’ny fanapahana sy ny lalànan’i Satana, mba ho any amin’ny Fanapahan’ny Zanany malala, dia Jesosy Kristymandritra ny fiovam-po.

Jereo ny fanazavana fanampiny, any amin’ny p. 57 manao hoe “Ahoana ary ny Filazan’ny Kolosiana 1:13?”

 

POROFO FITO FA TSY MBOLA ETO AN-TANY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

 

Kristiana maro araka ny lovan-tsofina no mandika amin’ny fomba diso ny hevitra hita ao amin’ny Lio. 17:21 sy Kol. 1:13, ka milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny Fiangonana, na hoe ao « am-pon’ny olona ». Avy eo dia mamintina mihitsy izy fa « adidin’ny kristiana » ny mampahafantatra izany amin’ny fitiavana, ary amin’ny fandeferana, sy ny sisa sy ny sIsaia

 

Na dia matotra tahaka ny inona aza izany finoana izany, dia tsy ara-Baiboly. Noho izany, ahoana no mahatonga ny olona hanao famintinana diso toy izany?

 

Ireto misy antony lehibe anankiroa:

  • Voalohany, tsy avelan’izy ireo hanazava ny tenany ny Baiboly. Raha tokony hanaraka ny fandidian’ny 2 Pet 1:20 izy ireo, manao hoe: « fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany », dia ny hevitr’izy ireo araka ny fisainany no ampihariny amin’ny Baiboly. Fanampin’izany, tsy avelany « hampianatra sy handresy lahatra ary hanabe azy » ny Baiboly.

 

  •  Faharoa, ferany ho amin’ny famakiana andininy iray na roa rehefa manao fandinihana ny votoatin'ny foto-kevitra iray; noho iz    any, sintominy any ivelan’ny fehezan-teny resahana ilay foto-kevitra. Tsy fantar’izy ireo koa ny andininy maro tokony hahazo mitambatra, izay tian’ny Baiboly hampianarina. Raha tiantsika ho azo ny foto-pinoana ara-Baiboly iray, dia tokony ho tadiavina avokoa ireo andininy mikasika ilay foto-kevitra resahana. Tena tsy ampy hahazoana ny fahafenoan’ireo hevitra voasoratra mihitsy ny fifotorana amina-andininy iray ihany.

 

Ny Isaia 28: 9-10 dia milaza hoe: « Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va? Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely ety, ary kely ery; ». Arak’izany, Andriamanitra dia nanao ny Baiboly tahaka « ny zavatra tsy maintsy mifameno.

Tsy maintsy akambana daholo ny hevitra ara-baibolin’ilay resaka iray resahana. Ndeha ho dinihantsika ankehitriny ireo porofo fito izay ahitana fa tsy mbola eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

1. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia « ao Anatinareo »

 

Lioka 17:20-21 dia mivaky toy izao : « Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny Fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo* ». [*Na: efa eo aminareo] 

 

Maro ny mamaky io andininy io ary mandray avy hatrany hoe: «Hay! Ato anatiko ny Fanjakan’Andriamanitra». Dia izany tokoa ve no lazain’io andininy io?

 

Iza no niresahan’i Kristy teto? Ilay tapany voalohany amin’ny andininy faha-20 dia manome antsika ny valiny: « Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny Fanjakan’ Andriamanitra:…».

Hitantsika tsara fa ireo Fariseo no niresahany — fa tsy tamin’ny mpianany! Nanontany Azy izy ireo hoe : rahoviana no ho tonga ny fanjakanao?

 

Ity no valin-tenin’i Kristy: « ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo ». Dia azo heverina ary ve fa ny Fanjakan’Andriamanitra izay nolazain’ny Kristy io dia tao anatin’ireo Fariseo raha izany? — ireo olona ireo izay efa nantsoiny hoe « mpihatsaravelatsihy » sy « mpitantana jamba », izay nanome fahalalahana « fa ny zava-dehibe indrindra dia izay ao amin’ny lalàna », « feno fanaovana an-keriny » sy tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra » (Matio 23: 21, 23-27).

 

Araka ny zava-misy, tsia! Tsy ao anatin’ny Fariseo ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fandalinana bebe kokoa dia mampiseho fa ilay teny hoe « ao anatinareo » dia fandikan-kevitra diso. Ireo Baiboly Frantsay dia mandika azy hoe « eo afovoanareo » na « eo aminareo ». I Kristy dia tena nanambara tamin’ireo olona mpanevateva ireo fa ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ilay manatrika azy ireo amin’io fotoana io.

 

Kristy dia tena nanao fanambarana ny tenany mihitsy teto, noho izy tonga nofo aman-dra, sady izy ihany koa no Mesia. Izy dia nateraka ho Mpanjaka, Izy dia tsy mba nanota, Izy dia tsy mba nandika ny sitrapon’ANDRIAMANITRA. Izy ilay tena maneho tsara ny Fitondrana ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

2. Famaritana ny: “ Fanjakan’Andriamanitra”

 

Ny fanjakana rehetra dia arafitry ny zavatra efatra: Ny faritany, ny Mpanjaka (mpitondra), ny vahoaka sy ny lalàna.

 

Raha ohatra ka efa ety an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny fiangonana na «ao am-pon’ny olona maro», dia tokony ho eo ambanin’ny Fanjakany ny tany rehetra, araka ny voasoratra hoe: « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. » (Zak 14:9)

 

Raha ohatra ka efa ety an-tany ety ny FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA, Kristy ilay MPANJAKANY, dia tokony hitoetra eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida: « Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. » (Isaia 9:6-7); ary hanjaka avy ao Jerosalema (Zakaria 8:3).

Mariho fa “Jerosalema” dia midika hoe « toerana andrian’ny fiadanana». Nefa, ankehitriny izy dia isan’ny tanàn-dehibe anjakan’ny tsy filaminana, iharan’ny fampihorohoroana sy rotiky ny ady maneran-tany. Azo tsorina mazava fa tsy manjaka avy ao mihitsy i Kristy amin’izao fotoana izao.

 

Raha efa eto an-tany ny FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA, ireo olony (ny olombelona rehetra) dia hiaina araky ny sitrapon’i Kristy. Na dia ireo firenena jentilisa toa an’i Egypta aza dia tokony hanaiky Azy – na hianjadian’ny vokatry ny fanjakany, araka ny voasoratra hoe:

 

« Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zakaria 14:16)

« Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy. » (Zakaria 14:17)

« Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zakaria 14:18)

« Izany no fampijaliana an*'i Egypta sy fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. [na: fahotana] » (Zakaria 14:19).

 

Tsy mbola izany anefa ny zava-misy amin’izao andro iainantsika izao.

 

Raha efa eto an-tany ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA, ireo lalànany dia tokony ho fantatry ny olona tsirairay avy, ny vehivavy ary ny ankizy eto ambonin’ny tany rehetra. Farafaha-keliny, ny olona rehetra mba ho eo amin’ny làlan’ny fankatoavana avokoa. Tsy misy olona afaka hilaza intsony hoe tsy mahafantatra ireo lalàna ireo (Isaia 30:21; Jeremia 31:34). Izany rehetra izany nefa dia mbola tsy mitranga!

 

3. Mahita ny Fanjakana

 

Ao amin’ny Jaona 3:3, Kristy dia nilaza tamin’ny Nikodemosy fariseo fa, « Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny Fanjakan’Andriamanitra ».

« Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? » (Jaona 3:4)

« Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny Fanjakan’Andriamanitra izy. » (Jaona 3:5)

 

Raha te hahita ilay Fanjakan’ANDRIAMANITRA sy te hiditra ao, dia tsy maintsy miova ho fanahy. Arak’ilay voasoratr’i Paoly hoe : « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (1 Korintiana 15:50)

 

KRISTY nanazava mihitsy fa ny fanahy dia tahaka ny rivotra, izay tsy hita maso, tsy hay jerena. Ny olombelona anefa dia nofo aman-drà avokoa sady hita maso daholo.

 

Ireo izay efa « nateraka indray » no hanahaka an’i KRISTY. « Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jaona 3:2).

Ny marina dia “notorontoronin’ny Fanahy” isika, toy ny zaza ao an-kibon-dreniny, ka ny Fiangonana no renintsika. Ny fahaterahana avy amin’ny renintsika dia amin’ny “fitsanganana amin’ny maty ho Fanahy” rehefa miverina i Kristy.

Tsy misy olona fizika manahaka an’i KRISTY amin’izay tena toetrany any an-danitra amin’izao andro iainantsika izao. Vakio anie ity voasoratra manaraka ity e!

Apokalypsy 1:13-17: 13« ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [Na: toa zanak'olona] » 14« Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; » 15« ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. » 16« Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny. » 17« Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany. »

 

Mahafantatra olona manahaka an’io voasoratra etsy ambony io ve ianao amin’izao andro ankehitriny izao?

 

Tokony ho heverintsika koa ny fitsanganana voalohany (rehefa hateraka indray ireo mpanompon’i Kristy) izay tsy misy raha tsy efa tonga aloha Izy (1Kor 15:50-54; 1Tes 4:16–17). Raha nitranga izany dia nahalala avokoa ny tany iray manontolo. Tsy hisy olona iray tsy hahalala izany tranga lehibe izany (Mat 24: 23-27).

 

4. Ny Fiandrianana Maneran-Tany Amin’Izao Androntsika Izao?

 

Isaia 9:5–6 dia milaza ny amin’i Kristy hoe: « Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana. [*Na: mpanolo-tsaina mahagaga] » (Isa 9:5)

« Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,... » (Isa 9:6)

 

Jereo ny fahitalavitra, vakio ny gazety sy ny magazinina nasionaly. Milamina ve ny tany? Mino ve ianareo fa hankasitrahan’i Kristy ny vono-olona, ny fanolanana, ny fanararaotana ny ankizy, ny fikomian’ny vahoaka, ny fampihorohoroana sy ny ady maro rehefa manjaka Izy?

 

Tsy hisy intsony izany! Ny marina dia izao – Ilay Mpanjakan’ny fiadanana - dia tsy mbola manjaka eto an-tany amin’izao andro ankehitriny izao.

 

5. Ahoana ary ny Filazan’ny Kolosiana 1:13?

 

Mba hanaporofoana fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa eto an-tany dia maro no mitanisa io andininy io, izay manao hoe: Izy (ny Ray) dia « nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, » (Kol. 1:13)

 

Andeha hohalalinintsika tsara io andinin-tSoratra Masina io ary havelantsika ny Baiboly hanazava ny tenany ihany. Inona ny hoe « herin’ny maizina » izay hanafahan’Andriamanitra ny olony?

 

Asa 26:15-18 dia milaza hoe: 15« Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. » 16« Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)] » 17« Hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18« hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. »

 

Satana sy ireo devoliny dia manjaka amin’ny firenena rehetra amin’ny izao androntsika izao. Izany no nanoratan’ny Paoly hoe: ny Kristiana dia tsy mba « … mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » (Efe. 6:12); ary izany koa no nilazan’i Kristy hoe: « Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. » (Jaona 18:36)

 

Rehefa manafaka ny olony amin’ny « herin’ny maizina » Andriamanitra, dia ANTSOINY izy ireo hivoaka tamin’izao tontolo izao (Apokalypsy 18:4), ivelan’izany rafitra avy amin’ny Satana izany (Efe 2:2-3), sy ireo fomba fiainany sy ny governemantany. Ary IZY « nitondra antsika ao amin’ny fanjakan’ilay Zanany malalany (Governemantany) ». Andriamantitra manafaka antsika amin’ny fanapahana sy ny lalànan’i Satana, mba ho any amin’ny Fanapahan’ny Zanany malala, dia Jesosy Kristymandritra ny fiovam-po.

 

Ireo Kristiana dia olon’ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia tsy mbola ety ambany ety aza io Fanjakana io. Ohatra, raha Kanadiana mandeha any ivelany ianao, na dia tsy any Canada aza, dia mitoetra ho kanadiana foana. Ny maha-ponin’ny firenena anao dia ao Kanada. Mitovy amin’izany koa, ny maha mponin’ny firenena ny Kristiana (Filip 3: 20), dia any an-danitra, na dia tsy mivelona any aza izy.

 

Ndeha ho raisintsika ankehitriny ny Rom. 4:17 izay miteny momba an’i Abrahama: « Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy… ». Rehefa nilaza Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe: «…, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao » (Genesisy 17:5), Isaka dia tsy ho teraka alohan’ny taona manaraka (ampitahao ny 17:1-5 amin’ny 21:5). Ireo taranany dia tsy lasa firenena tsotra talohan’ny fandehanana tany Egypta, taonjato maro taty aoriana. Andriamanitra nahalala fa ho tonga firenena miadana mandritra ny taonjato maro izy ireo. Ary satria tsy misy mahasakana an’Andriamanitra hanatanteraka ny PLANINY, dia tahaka ny efa tanteraka avokoa izay nalahany. Na dia tsy mbola teraka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra aza ny olony, Andriamanitra mahalala fa tsy maintsy ho tonga izany. Tsy misy mahasakana izany. Ao an-tsainy dia zavatra tsy maintsy tanteraka izany.

 

6. Ho Tonga Anie ny Fanjakanao

 

Raha ohatra efa eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka amin’ny endriky ny fiangonana, na « ao ampon’ny olona », nahoana ary KRISTY no nandidy ireo mpianany mba hivavaka « ny amin’ny HATONGAVAN’NY FANJAKANY? » (Matio 6:9-10; Lioka 11:2). Raha ohatra efa ety an-tany ny fiandohan’ilay Fanjakana, na ny Fiangonana no ilay Fanjakana, tsy nampianatra hivavaka toy izao ve izy: « Ampitomboy sy aparitaho ny Fanjakanao? »

 

7. Tadiavina Ilay Fanjakana

 

Raha tety ambany masoandro tety ilay Fanjakan’Andriamanitra, maninona i KRISTY no milaza indray amin’ireo izay manaradia azy hoe « katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra? » (Matio 6: 33) 

Raha ireo mpikambana ao amin’ny FIANGONANA no efa ao anatin’ilay Fanjakana, nahoana no mbola tadiavina indray? Averiko indray, tokony holazain’i KRISTY tsotra tamin’izy ireo fotsiny hoe: « Aparitaho aloha ilay Fanjakan’Andriamanitra! » 

 

FISAINAN-DISO

 

Ny Baiboly dia manambara fa i Satana no andriamanitr’izao fiainana an-tany izao (taon-jato) (2 Korintiana 4:4). Raha ohatra ka maharesy lahatra anao fa ilay Fanjakan’Andriamanitra dia efa eto an-tany, arak’izany dia mino ianao fa efa « teraka indray ». Ary raha efa « teraka indray » ianao, midika izany fa efa « voavonjy » ianao. Raha « voavonjy » ianao dia midika izany fa tsy afaka manota intsony. Ary raha tsy afaka manota intsony ianao sy tsy mandika ny lalàn’Andriamanitra (1 Jao 3:4), dia midika izany fa tsy ilainao intsony ny mandinika ny lalàn’Andriamanitra satria ny fitsarana anao dia efa tapahin’i Kristy.

 

Romana 13: 10 milaza fa ny lalàn’Andriamanitra dia mifototra amin’ny fitiavana, ary izany no mamaritra ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra: « Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. » Ankoatr’izany koa, Jaona 15, andininy 4-10 sy 14 milaza fa ilaina ny mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitoetra amin’ny fitiavany mba ho tonga Kristiana marina sy ho voavonjy:

Jaona 15: 4-10, 14: « Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. » « Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » « Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. » « Raha miray amiko ianareo, ka mitœtra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » « Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo. » « Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo. » « Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itœrako amin'ny fitiavany. » « Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. »

 

Rehefa tsy mitandrina ny didin’Andriamanitra isika, dia mandà ny Baiboly ary tsy mitoetra ho Kristiana. çè Nefa, izany indrindra no tanjon’i Satana, ilay fahavalo sy mpamitaka ny olombelona rehetra, ary izany koa no tadiavin’ny olona hatao.

 

Manaova fandalinana ny Baiboly mba hitadiavana izay lazainy rehetra momba ny lohahevitra manokana izay resahany. Avelao ny Baiboly hanazava ny heviny, fa amin’ny alalan’izany no afahanao mampitombo ilay tena fahalalana ara-Baiboly.

Ao amin’ny 1 Korintiana 15:50-51, Paoly milaza hoe: « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra. »

 

Tsy isalasalana fa ny olona dia hita fa natao nofo aman-drà ary tsy mahazo miditra ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra izay feno zava-miafina ho an’ny ankamaroan’ny olona. Ilaina noho izany ny mamaky « ny toko iray manontolo ny amin’ny fananganana ny maty» ao amin’ny 1 Korintiana 15. Amin’ny fananganana ny tena Kristiana (olombelona) amin’ny maty vao hovana ‘ho Fanahy’ izy (ateraka indray ‘ho Fanahy’) ho tonga zava-manan’aina ara-panahy (vita amin’ny fanahy), ary tafiditra ho ankohonan’Andriamanitra.

 

Azonao ve ankehitriny hoe nahoana no tsy misy Fiangonana afaka hatao hoe Fanjakan’Andriamanitra? Ny Fiangonana rehetra dia mbola vatana avokoa (Fizika). Izany dia sakana tsy maha Fanjakan’Andriamanitra ny Fiangonana rehetra. Minoa ny fahamarinana tsotra avy amin’ny Baiboly.

Ny Fanjakan’Andriamanitra tsy afaka mampiditra olona nofo aman-drà!

 

Andininy maro ao amin’ny Jaona 3 no tsy azon’ireo izay mino satria sady afaka « ateraka indray » amin’ity fiainana ity izy, no mahita ny Fanjakan’Andriamanitra (Tsy mazava amin’izy ireo ny hevitra ambaran’izany satria mbola nofo aman-drà izy ireo).

Ao anatin’ity fanambarana ity, Nikodemosy, izay Fariseo, dia miteny amin’i Kristy sy miaiky ao anatin’ny andininy 2 hoe: « … Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy. » (Jao 3:2). Niaiky mihitsy izy ary fantany ilay tena Kristy sy ilay nandefa azy ety an-tany. Mariho fa Nikodemosy dia niresaka tamin’ny anaran’ny maro, satria izy nilaza hoe; « fantatray fa ». Izy niteny ho an’ny tenany sy ho an’ireo Fariseo maro izay nahafantatra hoe iza Jesosy. Izy ireo tsy afa-mandà ny zava-misy noho ny herin’Andriamanitra ny amin’ny fahagagana izay vitan’i Kristy.

 

Ireo mpitarika fivavahana maro sy ireo Fariseo nahazo tsara fa JESOSY dia « mpampianatra avy amin’Andriamanitra », izay tonga nitondra ny fahamarinana. Nefa nomen’izy ireo anarana hoe mpiteny ratsy an’Andriamanitra izy, mamolava, olona nolavina, mpandika lalàna, teraka tamin’ny fijangajangana, tsy mivaky loha, manana demonia, mpaminany sandoka, etsetra…, sady izy ilay mendrika ho fantsihana.

 

Maro ny olona afaka mahita fa tsotra ny fahamarinan’ny Baiboly, nefa na izany aza dia misafidy ny tsy te hahalala izany izy mba hitazomany ny fomban-drazany (Marka 7:7) sy ny heviny.

Kristy nilaza tamin’ny Nikodemosy hoe: « Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny Fanjakan’Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (Jaona 3:3). Noho izany, tsy ny olona rehetra no afaka mahita ny Fanjakan’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izay anefa, ny olona rehetra dia afaka mahita ny fiangonana na ny fanjakana misy amin’izao tontolo izao. Izy roa ireo, satria azo tsapain-tànana (fizika), dia mety hitan’ny olona rehetra na inona na inona fiangonany na finoany.

 

Fantaro tsara ireo teboka lehibe izay tsipihan’i Kristy mazava ireo.

 

Ao amin’ny andininy fahadimy Izy manao fanambarana hoe: « Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny Fanjakan’Andriamanitra izy. » (Jaona 3:5). Eny, afaka « miditra » ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona, nefa hazavain’i Kristy ao amin’ny andininy fahenina izay lazainy hoe « ateraky ny rano (izany hoe, ny Batisa) sy ny Fanahy »: « Izay ateraky ny nofo DIA nofo; ary izay ateraky ny Fanahy DIA fanahy. »

 

Ny nofo aman-drà tsy mahazo miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa izay fanahy ihany no afaka. Mba tsy hisian’ny fifangaroana, dia noharin’i Kristy amin’ny rivotra ny Fanahy. Ny rivotra, tahaka ny Fanahy, dia tsy hita maso. Tsy hitantsika izy. Noho izany izay mpikambana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tokony ho fanahy tahaka an’Andriamanitra, araky ny fanahy.

Ny Fanjakan’Andriamanitra Ao Am-Pon’ny Olona?

 

Betsaka ny olona mino fa hiditra ao am-pon'ny olona ny Fanjakan'Andriamanitra; nolaviny ary inoany ny fahamarinana ara-Baiboly milaza fa ny mpino voavonjy no hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Miharihary fa ny finoana tsy miorina toy izany dia vokatry ny tsy fahaizany mihaino ny fanambarana nataon'i Kristy ao amin'ny Baiboly. Misy olona sasany mihevitra ny fahatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra ho finoana ara-panahy fotsiny; tsy afaka mino ny fahatanterahan’izany izy ireo; vokatr'izany dia nanova ny filazantsaran'ny Fanjakana ho fihetseham-pon'olombelona fotsiny ihany izy ireo.

Ireo "manam-pahaizana", very amin'ny fisainany, dia tonga amin'ny fiheverana fa ny Fanjakan'Andriamanitra dia "ao am-pon'ny olona". Ireo mpihatsaravelatsihy ireo dia mino mafy fa ny fahazoana ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia midika hoe manana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireo fandikana diso ireo dia efa nisy nandritra ny taonjato maro ary nahatonga olona an-tapitrisany maro hino ny fampianaran-diso toy izany, izay nahatonga ny maro ho voafitaka. Afenina tanteraka ny fahamarinan'ny Baiboly, vokatr'izany.

 

Araka izany, lasa fahita matetika ny mandre olona milaza zavatra tahaka izao: ny Fanjakan'Andriamanitra dia afaka miorina ao am-pon'ny olona raha toa ka miara-miasa sy mikatsaka fitiavana sy fiadanana ary fandeferana ny kristiana maneran-tany.

Avy taiza no nahazoan'izy ireo izany hevitra izany? Izany dia avy amin'ny fandikana diso ny Lioka 17, andininy faha-20-21. Ao amin’io andininy io, Kristy dia ohatry ny milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia « ao anatinareo »; nefa izany dia tena mifanohitra amin'ireo andinin-teny hafa rehetra efa nodinihintsika teo aloha. Nefa, raha toa ka misy andalan-tsoratra sasany ao anaty Baiboly toa manohitra amin’ny didin'Andriamnitra, dia afaka mandà izany isika fa tsy ny fahamarinan’ny Tenin'Andriamanitra akory no holavintsika!

 

Ny Fanjakan’Andriamanitra Tao Am-Pon’ireo Fariseo?

 

Ndeha hodinihantsika kokoa ny Lioka 17:20-21, manao hoe: “Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny Fanjakan’Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny Fanjakan’Andriamanitra”. “Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo*”. [*Na: efa eo aminareo]

 

Raha tsy te handika vilana izay ambaran’io andininy io ianao, dia fantaro tsara izao manaraka izao: Tamin’io fotoana io Kristy dia niresaka tamin’olona mpaniratsira, ireo Fariseo izay sady mpandainga no mpihatsaravelatsihy. Na dia hekena aza izany hevitra maivana sy manjavona izany, izay milaza hoe: “ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao am-pon’ny olona”, dia tsy azo inoana mihitsy fa hiorina ao am-pon’ireo Fariseo ireo ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

Ireo Fariseo dia tena nihevi-tena ho olona marina sy tsy miovaova teo imason’i Jesosy. Nitady fomba hamandrihana sy hiampangana an’i Jesosy izy ireo ary niandry kendry tohina azy tamin’ny fomba rehetra. Tena biby fisainana sy tsy misy fotony mihitsy ny milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tao anatin’ireo olona ireo. Tsy tokony ho very ny fijerintsika fa namaly i Kristy : « Izy namaly an’izy ireo ». Ny Fariseo no teneniny. Tokony ho azontsika fa ireo Fariseo ireo dia tsy tao am-piangonana, ary ny fiangonan’Andriamanitra dia azo antoka fa tsy tao amin’izy ireo mihitsy. Raha ny zava-misy, mbola tsy nisy akory ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao tamin’io fotoana io.

 

Tsara ny mandray izay TSY NOLAZAIN’I KRISTY tao amin’io andininy io. Izy tsy nilaza hoe « ny Fanjakan’Andriamanitra dia hapetraka ao am-pon’ny olona », na « ao am-ponareo ». Izay nolazainy dia hoe: « ny Fanjakan’Andriamanitra dia … ». Isika tokony hahazo tsara fa teto i Kristy dia tsy namaritra ilay Fanjakan’Andrimanitra toy ny zavatra ho avy, fa milaza ny zava-misy tamin’io fotoana iteneny io Izy.

Fa nahoana ary?

 

Efa hitantsika fa io andininy io dia tena niova tanteraka miohatra amin’ny teny Grika nandikana azy. Ny teny Grika nampiasain’i Lioka teto dia midika hoe « eo afovoany » (tahaka ny amin’ny Frantsay) na « eo amin’ny ». Maro ireo mandika azy tahak’izany ary ny Baiboly rehetra dia ahitana ireo teny ireo avokoa amin’ny fanamarihana an-tsisiny na eny ambany.

 

Ny dikatenin’ireo Frantsay dia mampiasa ilay teny hoe « eo afovoany = au milieu ». Ny dikanteny Moffat (Anglisy) dia manome fijery tsara ihany koa. Izao no lazainy: « Izy namaly an’izy ireo, ny Fanjakan’ Andriamanitra dia tsy ho tonga tahaka ny fijerinareo azy, tsy misy olona hilaza hoe, « ity ilay izy » na « itsy ilay izy » satria ny Fanjakan’Andriamanitra dia eto afovoanareo ankehitriny »

 

Ndeha hanontany tena isika hoe inona, na iza no tian’i Kristy resahana eto? Iza ilay teo afovoan’ny Fariseo, teo amin’izy ireo?

 

Ilay Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy mihitsy, dia tena nijoro teo afovoan’ireo andian’ny Fariseo ireo. Jereo araka izao ny zava-misy: Izy ireo dia teo anoloan’ilay solo-tena ofisialy izay « hanjaka » amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Jesosy dia nijoro teo anivon’izy ireo. Tena mazava tsara fa nanao modely ny tenany i Kristy amin’ny maha solo-tenan’ny Fanjakan’Andriamanitra Azy, teo afovoan’izy ireo tamin’ilay toerana niresahany.

 

Fantaro tsara fa ny Fariseo dia nahalala tsara ny andininy maro mikasika ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy ireo nahafantatra tsara ireny andininy nianarantsika tao amin’ny Daniela ireny. Izy ireo koa nahazo izay nolazain’i Apostoly Petera taoriana, niresaka ny « Mpaminany Masina » sy ny « hampodiana ny zavatra rehetra », mifanaraka amin’ny faminanian’Isaia, Jeremia, Ezekiela, i Daniela sy ireo hafa koa. Ireo Fariseo kosa tsy niraharaha ireo andinin-tsoratra naneho ny fahatongavan’i Jesosy voalohany satria izy ireo nifantoka loatra tamin’ilay maneho ny fisehoany faharoa.

 

Mazava tsara amin’ny lafiny rehetra, ireo Fariseo ireo tsy nino fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho Fiangonana. Tsy nino koa izy ireo fa ho fihetseham-po ao am-pon’ny olona izany. Fantatr’izy ireo tsara fa Manapaka (gouverner), sy Manjaka (régner) no zava-kendren’ny Fanjakan’Andriamanitra!

 

Ny olana anefa dia tsy fantatr’izy ireo hoe RAHOVIANA io Fanjakana io no ho tonga, ary tsy azon’izy ireo koa fa tsy handroaka ny fanjakana Romana tao Palestinina no tanjon’izany Fanjakana izany. Raha azon’izy ireo tsara ilay fahatongavan’i Kristy voalohany, dia tokony ho azon’izy ireo kokoa ny « FOTOANA » fiaviany fanindroany sy ny antony tsy maintsy hitrangany aty aorina. Noho izany tsy fahalalany izany, izy ireo dia miandry Mesia Mpanafika izay hanampy azy amin’ny fanalana ny fifehezan’ny Romana izay ho soloan’ny fanjakana Jiosy manokana.

 

Nohazavain’i Jesosy tamin’izy ireo ny fahadisoan-keviny. Nasehony mazava tsara fa ny fihavian’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy fahatongavana amin’ny toerana kely, voafetra ao amin’ny faritr’i Palestina izay iainan’ny Jiosy.

 

Nanantena Fanjakana ara-bakiteny amina foko iray ny Jiosy, dia ny an’izy ireo ihany! Izany indrindra no nilazan’i Jesosy tamin’izy ireo mba tsy hieritreritra voafetra hoe “etỳ” na “erỳ”.

 

Tadidio fa ao amin’ny Jao 18:37, Kristy nilaza fa nateraka ho Mpanjaka Izy. Fantany fa ho tonga Mpanjaka avo indrindra amin’ny Fanjakany Izy. (Dan 7:17-18 sy 23 dia maneho fa ny teny hoe “Mpanjaka” sy “Fanjakana” ao anaty Baiboly dia teny afaka mifanolo).

 

Raha tohizantsika ny famakiana ny teny voasoratra ao amin’ny Lioka 17, dia tsy misalasala intsony isika ny amin’izay noresahan’i Kristy. Vakio ny andininy 24 izay mitovy ami’ny Matio 24:27 miresaka hoe: « Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona ». Kristy eto dia tena maneho fihaviana mampitolagaga mihitsy, izany hoe maneran-tany, izay hitan’ny maso rehetra tahaka ny fahitana ny fahazavana eny amin’ny lanitra. Nefa, mariho ny teny hoe « amin’ny androny », izay maneho fa zavatra mbola ho avy izany. Manokàna fotoana hamakiana ny andininy ao amin’ny Matio 24:26-30 sy ny fomba famaritany « ny andro izay hampisehoana an’i Kristy ».

 

Tena tsy azo heverina mihitsy izany hoe Kristy nilaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tao am-pon’ireo Fariseo tsy marina ireo, mpieboebo sy mpankahala; izy ireo izay tsy nitsahatra nisaina sy nitady fomba hamonoana an’i Kristy. Tsy azo heverina koa hoe nilaza Izy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny fiangonana. 

 

Nampitandrina ny Fariseo tamin’ny fomba hentitra i Kristy teo aloha Tsy misy isalasalana fa izany dia nahatonga fahatezarana tamin’izy ireo, ary nanosika azy hiandry vava latsaka amin’izay resak’i Jesosy momba ny Fanjakan’Andriamanitra, na ny zavatra hafa, mba hiampangany Azy. Ao amin’ny Lioka 13:28-29 dia nampitandrina azy ireo Jesosy hoe: « Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany. Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ».

 

Nilaza mazava tsara tamin’ny Fariseo i Kristy fa izy ireo dia tsy ho ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nomena alàlana hiditra ao izy ireo; tsy tahaka an’i Abrahama, Isaka ary Jakoba, izay fantatra tsara fa mbola tsy tafiditra any amin’izao fotoana izao (Heb. 11: 13, 39-40).

 

NY  FANJAKAN’ANDRIAMANITRA DIA «  EFA AKAIKY »?

 

Ho tsiahivina avy hatrany ny Marka 1:15 izay ampianaran’i Jesosy hoe: « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra… ». Tsarovy tsara fa tamin’io fotoana io Izy nilaza koa hoe: « … mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara ». Ny sasany dia mino fa rehefa mibebaka ary mino ny Filazantsara, sy tonga mpikambana ao amin’ny Fiangonana, dia tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay efa miandry azy ireo eo « akaiky » eo.

 

Tahaka izay niseho tao amin’ny Lioka 17:21, ny olona mamaky ny andininy izay tiany. Kristy tsy nilaza fa efa tafapetraka ny Fanjakan’Andriamanitra, na hoe ny Fiangonana no ilay izy. Ireo zavatra ireo dia finoan’ny olona avy amin’ny lovan-tsofina (Marka 7:7), izay tandremany fa tsy ny tena tenin’Andriamanitra mivantana mazava tsara. Hoy Jesosy tamin’izy ireo: « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy » (Marka 7:7).

 

Lioka 16:16 dia maneho amintsika, fa “ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo”. Mbola tsy tonga teo anefa ilay Fanjakana fa dia efa notoriany. Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra (1) sy ny fahafahana ho voaray hiditra ao (2), tamin’izany andro izany no «  akaiky » (tahaka ny amin’izao andro izao), izany hoe zavatra roa azo arahina tsara.

Ireo Olona Masina Hiara-Manjaka Amin’i Kristy

 

Alohan’ny hiverenantsika any amin’ny Lioka, ndeha ho dinihana aloha izay nolazain’ny Daniela mikasika ny FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA.

 

Tadidio fa Kristy ho avy tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana (Matio 24:27). Tena fisehoana ho hita maneran-tany io, izay tsy azon’ny olona handosirana. Ho tonga hanjaka irery ety ambonin’ny tany ve Izy sa hisy hafa koa hiara-manjaka Aminy? Afaka manontany isika hoe: rehefa tonga Izy hampitoetra io governemantany manerantany io, iza avy no hiaraka aminy amin’ny rafitra izay hapetrany? Raha mitaky ny ezaky ny maro ny governemantan’ olombelona ho fanampiana ny mpitondra, ho hafa noho izany ve ny Fanjakan’Andriamanitra? Ny valiny dia: TSIA!

 

Ny Daniela 7:13 miresaka an’i Kristy izay ho avy eny amin’ny « rahon’ny lanitra ». Alohan’ny hahatongavany, Andriamanitra nanome Azy fahefana mba hanjaka amin’ny toerana izay hiverenany indray. Ny and.14 milaza hoe: « Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava » (Daniela 7:14).

 

Ndao hanontany tena indray isika hoe: hanjaka irery ve i Kristy, sa hisy hafa koa hiara-manjaka Aminy? Fomba manao ahoana no hitantanan’Andriamanitra ireo mponina sy firenena amin’ny tany?

 

Tokony ho azontsika tsara ireo andininy maro hafa ao amin’ny Daniela 7. Tadidio fa nolazain’ny faminaniana hoe: ilay Fanjakan’ Andriamanitra dia tokony hanolo ireo fanjakana efatra lehibe maneran-tany izay voasoratra ao amin’ny Daniela 7. Vakio indray ny andininy 17 sy 18 manao hoe: « Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo».

 

Minoa izay lazain’io andininy io! Ny tanjon’ny fiantsoana lehibe ho an’ny Kristiana dia hiara-manjaka ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra eo amin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny vahoaka rehetra. Kristy dia tena « MPANJAKAN’NY mpanjaka sy TOMPON’NY tompo ». Ianao mety ho anankiray amin’ireo mpanjaka sy tompo hafa ireo, tahaka ny olon-kafa izay nanaiky ny fepetra rehetra napetrak’Andriamanitra mba hidirana ao amin’ny Fanjakany.

 

Ny Daniela 7:19-20 manazava bebe kokoa ny amin’izay tsy maintsy mitranga rehefa tonga miaraka amin’ny Kristy ireo Olona Masina. Ny adidin’ireo voalohany dia ny hanolo ilay antsoina hoe « biby faha-efatra », izay manjaka amin’ny alalan’ny « tandroka kely ». Io tandroka kely io dia FANJAKAM-PINOANA sy ilay vehivavy mitaingina bibidia ao amin’ny Apokalypsy 17. Io fanjakam-pinoana io (izay mifototra ao Roma) dia nanjaka tamin’ireo fitsanganan’ny Empira Romana tamin’ny maty na fahaterahany indray taloha nanomboka tamin’ny taona 554 taorian’i Jesosy Kristy.

 

(Daniela 7:19): « Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; » (Daniela 7:20): « ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany. »

 

Vakio indray ny Daniela 7:21-22 manao hoe: « Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy, » ambara-pihavin’ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana ». Mazava tsara izay asain’ilay vehivavy janga Babiloniana atao ao amin’ny Apokalypsy 17:5-6.

 

Amin’ny farany, ilay faminaniana lavan’i Daniela dia mifintina amin’ny andininy faha 27 izay manamafy indray ny fahafahana mahafinaritra miandry ireo tena olo-masin’Andriamanitra. Izao no lazainy: « Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy ».

 

Inona no tsotra indrindra mihoatra an’izany? Tsy mahagaga raha nilaza i Kristy hoe : « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko » (Apokalypsy 2 : 26-27). Eo amin’ny andininy lavi-davitra, nampiany hoe: « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany » (Apokalypsy 3:21).

 

Ireo teny hoe « eo amin’ny seza fiandrianako » dia nampiasaina satria Kristy nahalala fa ny seza fiandrianany dia ho eto an-tany, raha any an-danitra kosa ny an’Andriamanitra Rainy. Ny Lioka 1:32 mampiseho hoe: “Izy dia ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy”.

Tsy isalasalana fa rehefa miverina i Kristy, ireo olo-masina dia hiara-manjaka aminy eto AMBONIN’NY TANY!

 

(Ohatra, vakio ny Apokalypsy 5:10 sy ny Apokalypsy 20:4, ny Matio 5:5, ny Salamo 25: 12-13 ary ny Salamo 37:11).

 

« Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apokalypsy 5:10)

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apokalypsy 20:4)

 

« Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.» (Matio 5:5; Sal. 37: 11)

 

« Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. » (Sal. 25: 12) « Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany. » (Sal 25: 13)

« Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana. » (Sal 37: 11)

 

Ndeha hodinihantsika ankehitriny ny amin’ny fanoharana lehibe izay nomen’i Kristy mba ho fantatry ny olona tsara izay fihavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fepetra takiana mba hahafahana manana anjara amin’izany.

Fanoharana Ny Amin’ny Farantsa

 

Lioka 19:11-27 dia maneho fanoharana mampisongadina izay ho fizotran’ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ao anatin’io fanoharana io, Kristy mampitovy ny tenany amin’ny Andriandahy izay nandeha any « an-tany lavitra » (mariky ny fiverenany any amin’ny Ray any an-danitra, mandritry ny 2000 taona eo, mandra-piveriny eto an-tany). Tamin’izany, nino ireo mpianatra fa ny Fanjakan’ Andriamanitra dia « ho avy eo noho eo »; noho izany, te hampiseho taminy i Kristy fa mbola fotoana maro no handalo vao ho tonga izany.

 

Ao amin'ity fanoharana ity dia tian'i Kristy ny hamaritana ny fahadisoana ankapobeny sy ny tsy fahatakarana izay vokatry ny fiheverana fa hatsangana ny fanjakan'Andriamanitra rehefa naorina ny fiangonana. Raha ny marina, ilay fanoharana dia natao hanampiana ny olona hahatakatra fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy hapetraka eto an-tany mandra-pahatongan'i Jesosy Kristy fanindroany.

 

Ao amin'ity fanoharana ity dia "miantso" ny "mpanompony folo" (araka ny fiantsoana ny Kristiana) ilay andriandahy. Handeha ho any an-tany lavitra ny tompo. Talohan'ny nandehanany, dia nomeny vola na farantsa ny mpiasany ary nanafatra azy ireo izy mba hampiasa tsara ny volany mandra-piverin. Rehefa mamaky ity tantara ity ianao dia tsarovy fa fanoharana ity; izany hoe, i Kristy tsy nanome vola ny mpanompony akory talohan'ny niakarany tany an-danitra. Talohan'ny nandehanany, dia mety nangataka ny mpanompony ny tompony, nanao hoe "ampiasao tsara ny vola," na "ampio ny sandan'ny fananako nankiniko taminao" mandra-piveriko eto. Saingy rehefa tsy teo izy dia nisy ny mpanompo sasany nilaza hoe: "Tsy manaiky hanjakan'ity lehilahy ity izahay" (Lioka 19: 14b); noho izany dia tsy nataon'izy ireo izay nasain’ny tompony hataony. Ary ilaina ny mahatakatra ny hevitra ambadik’izany.

 

Ireo "tompon-tany" ireo dia nahalala tsara fa mbola "hiverina hanjaka" eto an-tany ilay andriandahy (Kristy). Na izany aza, tsy te-hirotsaka amin’izany fitondrana izany izy ireo ary nolaviny mihitsy ny fahefan'ny governemanta (na ny fanjakana); izany hoe, tsy eken'izy ireo koa ny handray anjara amin'izany fanjakana izany (and. 27). Fantatr'izy ireo fa ny Fanjakan'Andriamanitra no fanjakana mahery indrindra manerana an'izao tontolo izao. Aza adino fa ny fanoharana dia nanomboka tamin'ny fialàn'ny andriandahy ho any amin'ny tany lavitra; ary rehefa niverina izy dia nanombatombana ny fitantanana ny teti-bola nataon'ny mpiasa na ny mpanompony. Izany dia oharina amin'i Jesosy Kristy Tompo, izay niakatra tany amin'ny Ray any an-danitra, ka nomena fahefana hanjaka amin'ny firenena sy ny olona eto an-tany alohan'ny fiaviany indray. (Ao amin'ny Daniela 7: 14-15, 27, efa hitantsika fa alohan'ny fiavian’i Kristy fanindroany, Andriamanitra dia hanome Azy ny fahefana ambony indrindra hanjaka eto ambonin'ny tany miaraka amin'ireo olo-masina rehetra).

 

Rehefa miverina i Kristy dia hiantso ny mpanompony tsirairay izy ary hanombatombana ny andraikiny sy ny asa vita mifanaraka amin'ny fomba nampiasan'izy ireo ny talentany sy ny vola azony mba hahazoana tombony tsara. Ny sasany tamin'ireo mpanompo dia nampiasa tsara ny farantsa nomena azy ireo ary nahazo valisoa tsara. Vokatr'izany, ny mpanompo mahatoky dia nahazo tombony dimy, tombony folo ary maro hafa aza. Anefa, ny iray tamin'ireo mpanompo dia tsy natoky ka nandevina ilay talenta tokana nomena azy, fa tsy nanao izay hampitomboana izany tamim-pahendrena mba hahazoana tombony. Vokatr'izany dia nandiso fanantenana ny tompony izy ary voasazy mafy.

Nampiasa ity fanoharana ity i Kristy mba hampisehoana mazava fa manantena ny mpanompony ho mahatoky koa Izy ary hampiasa am-pahendrena ny talenta nomeny azy. Manantena azy ireo hanao tsara ny asany Izy ary hahazo vokatra betsaka amin’izany. Amin'ny lafiny hafa, tian'i Jesosy hitombo ara-panahy ny mpanompony; ary rehefa miverina Izy, dia homena valisoa ny mpanompo mahatoky tsirairay avy.

 

Ilay mpanompo voalohany dia nahazo tombom-barotra avo folo henyka nanao hœ: « Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo. » (Lioka 19:16) Ary Kristy dia naneho ny fahafaham-pony taminy, ka nanao taminy hoe: « Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo. » (Lioka 19:17)

 

Ny mpanompo faharoa dia nahazo tombom-barotra avo dimy heny, nanao hoe: « Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy. » (Lioka 19:18) Ary izy dia nomena fahefana hanapaka amin'ny tanàna dimy. Satria nahazo tombony kely kokoa izy, dia kely kokoa noho ny an’ilay ny mpanompo tsara voalohany ny anjara fanapahana nomena azy. Amin'ny lafiny rehetra, ny mpanompo mahatoky dia homena "hery" sy fahefana hitantana na hanapaka "tanàna". Izany hoe, izy ireo dia manan-jo hiara-hanjaka amin'i Kristy (Joda 14) sy hanapaka tanàna maro manerana izao tontolo izao. Ilay fanoharana ny amin’ny farantsa dia manampy antsika hahafantatra mazava tsara ny drafitry ny famonjena nataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona!

 

Ireo mpanompo ireo dia nahatoky tamin'i Kristy ary nahazo tombony farantsa betsaka. Lazaina fa mpanompo tsara izy ireo ary nahazo valisoa tsara avy tamin'ny tompony rehefa niverina avy tamin'ny diany izy. Nomena fahefana hanjaka amin'ny tanàna maro izy ireo satria nahavita nampitombo ny vola nankinin'ny Tompony taminy. Noho ny fahatokian’izy ireo tamin’ny andraikiny dia nahazo valisoa avy tamin’ny tompony izy ireo, ary nomena anjara hanjaka amin'ny tanàna sy vahoaka maro ireo mpanompo mahatoky ireo.

 

Mifanohitra amin'izany, ny iray amin'ireo mpanompo dia tsy nahatoky ary malaina miasa. Nafeniny tao anaty mosara ny farantsa mba "tsy ho very" satria tsy teo ny tompony. « Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara. » (Lioka 19:20) Raha tokony niezaka nitady tombony tamin'ny vola na ny talentany izy, dia naleviny tamin'ny tany izany. Izy dia misolo tena ny mpanompon'Andriamanitra izay mitondra ny fitondrany mafy tokoa amin'ny tsy fampiasana ilay talenta nomena azy. Voasazy izany mpanompo izany ary tsy mahazo na inona na inona avy amin'i Kristy. Kristy dia haka ny anjarany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. « Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko. » (Lioka 19:22)

 

Ny mpanompo farany tao amin'ilay fanoharana dia tsy nahatoky ary nanamavo ny tompony. Tsy nanandrana nampitombo ny fananan'ny tompony izy. Tsy hendry izy tamin'ny fitantanany ny vola napetraka taminy. Izany hoe, tsy tapa-kevitra ny hitady ilay tanàna lehibe ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. Noho ny tsy fahatomombanan'ny andraikitr’ilay mpanompo tsy nahatoky, dia tsy mitady mpanompo hafa i Kristy mba handray andraikitra. Noho ny tsy fahatomombanan'ilay mpanompo tsy nahatoky dia tsy maintsy nahita mpanompo hafa i Kristy mba handray andraikitra. Noho izany, ny mpanompo hafa azo itokisana no hotendrena hitantana ireo tanàna sy firenena tsy nisy mpanapaka na governora. Ny mpanompo mahatoky dia hamonjy ireo tanàna ireo amin'ny fanjakazakan'ny fanjakana sy ny fanapahana ataon’ny fitondram-panjakana ratsy. Raha tsy izany dia tsy hahazo fikarakarana na toro lalana tsara izy ireo.

 

Jesosy dia nampiasa ny fanoharana momba ny Farantsa hanampiana ny mpianany hahatakatra ny fanjakan'Andriamanitra. Tamin'ny voalohany, dia nieritreritra ny mpianatra fa, avy hatrany dia ho avy ny fanjakan'Andriamanitra. Nohazavainy fa hisy fotoana sy famantarana alohan'ny hahatongavan'ny fanjakana eto an-tany. Araka izany, ny fanoharana dia maneho an'i Kristy mandeha any an-tany lavitra ary miverina mametraka ny fanjakany eto an-tany. Nomen'ny tompony vola ny mpanompony; ho setriny dia nangatahana ny hampitombo ny lanjany izy ireo ary mahazo tombony betsaka avy amin'ny vola. Manazava ny fanoharana fa ny mpanompo tsy mino, izay tsy mankatò ny tenin'ny tompony dia hosazin'ny Tompo mafy tokoa. Mifanohitra amin'izany, ny mpanompo mendri-pitokisana na olo-masina dia homena fahefana miaraka amin'ny fahefana hiara-manjaka amin'ireo tanàna maro miaraka amin'i Jesosy Kristy. Ireo olona ireo dia ho mpitantana ny tanàna maro toa ny isan'ny tombony azony, rehefa miverina ety an-tany Kristy.

 

Kristy dia Jiosy izay nampiasa fanoharana maro tao amin'ny toriteniny fony izy tao an-tanànan'i Joda. Jerosalema dia renivohitr'i Joda. Joda dia anisan'ireo foko 12 tamin'ny Zanak'israely. Ny folo tamin'izy ireo dia nanjary tsy hita tamin'ny taona 700 talohan'i Kristy, raha nanohitra an'i Rehoboama, Zanak'i Solomona izy ireo. Nentin'ireo Asyrianina izy ireo, ary nifindra monina tany avaratra andrefan'i Eropa, ary lasa foiben'ny firenena demokratika Etazonia (Amerika Avaratra), «Britain», «Canada», «Australia», «New Zealand», "Alemana. "ary ny sasany tany Eoropa. Ny taranak'i Levy sy i Benjamina ihany no mbola nijanona tamin'ny Jiosy.

 

Tao amin'ny fanoharana hafa dia niresaka momba ny olona sasany izay mankahala ny Printsy iray izy ary tsy nanaiky azy hanjaka aminy, ka ilazany hoe: "Tsy mila ny hanjakan'ity lehilahy ity izahay." Ny olona ao amin'ity fanoharana ity dia maneho ny Jiosy. Ny tantara dia mampiseho fa nanamavo ny fahefan'i Jesosy Kristy ny Jiosy, ary nolaviny ny fahefany hanapaka azy ireo. Ity no hafatra ao amin'ny Jaona 1:11, izay milaza hoe: « Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy ».

Ny "mpanompo folo" (izay misolo tena ny Kristianina voafidy ankehitriny) dia mampiseho ny foko 10 very amin'ny Isiraely. Koa satria nolavin'ny Jiosy ny fahefan'i Kristy hanjaka aminy, dia nomena fahefana hitantana ireo mpanompo ireo.

 

Mampalahelo fa betsaka ny olona tsy mihaino ny antson'Andriamanitra sy ny teniny. Tsy mihaino ny didin'Andrimanitra izy ireo ary tsy mamela ny Baiboly hitarika ny lalany. Imbetsaka ny olona no tsy namela an'i Jesosy hanitsy ny fitondran-tenany sy hitarika ny fiainany. Na izany aza, mahagaga raha manantena ny ho voavonjin'i Jesosy izy ireo. Raha ny tena izy dia miankina amin'ny safidy malalaka ny mino an'i Jesosy sy ny fanekena ny teniny. Ary tahaka ny jiosy, maro ny olona nisafidy ny handà ny tenin Andriamanitra.

 

Raha ny voalazan'ny fanoharana momba ny farantsa, ny hafatra navelan'i Jesosy dia tsy misy afaka ny ho lasa mpitondra mahay raha tsy voaporofo fa olom-pirenena mankatò, manaja ireo mpitarika ary manana ny fahaiza-mitantana amin'ireo talenta nankinina taminy. Tsy misy olona handray anjara amin'ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany raha tsy hoe nankato ny baikon'Andriamanitra ary nanaiky hotarihin'i Jesosy. Andriamanitra irery no afaka hanome fahefana ny olo-mahatoky mba hiara-manjaka amin'i Kristy. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia tsy hisy handray andraikitra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra raha tsy nanaiky ny fahefan'Andriamanitra izy ireo. I Jehovah Andriamanitra irery ihany no afaka manendry mpitondra ao amin'ny fanjakany, ary ireo mpitondra ireo dia nanaiky sy nitandrina ny teniny.

 

Tao amin'ilay fanoharana dia niantso ny mpanompony ireo tompony mba hanome fitantarana momba ny zava-bitan'izy ireo sy ny tombony azony nandritra ny dia nataony. Toy izany koa, ny tsirairay avy dia hitatitra ny asany tamin'ny Andro Fitsarana. Amin'io andro io, sahala amin'ireo Apôstôly izay homena valisoa ho mpanjaka noho ny zanakalahy roa ambin'ny folo amin'ny Isiraely (Matio 19: 27-28), ireo olo-masina mahatoky dia hovaliana ary handray hery lehibe hanjaka amin'ny tanàna maro, ary i Kristy dia hipetraka eo amin'ny "Seza Fiandrianan'ny Voninahiny."

 

Izany no mamarana ny lesona mahafinaritra momba ny fanjakan'Andriamanitra, avy amin'ny fanoharana tamin'ny farantsa nataon'i Jesosy.

 

Rahoviana no hapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra?

 

Ny ankamaroan'ny kristiana dia te hahafantatra hoe rahoviana no hiverina i Jesosy Kristy. Nanontany azy ny mpianany hoe: « Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hœ: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 24:3)

 

Ireo andininy 48 manaraka ao amin'ny Matio 24 dia manome ny valin'io fanontaniana io, izay hanomezan'i Kristy ny an-tsipiriany momba ny zava-hitranga sy ireo famantarana hita maso amin'ny andro farany. Ao amin'ny andininy faha-36 dia miresaka momba ny fotoana hiverenany i Kristy, hoy izy: « Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. » (Matio 24:36)

 

Herinandro vitsivitsy taty aoriana, ao amin'ny Asan’ny Apostoly 1:6-7, talohan'ny niakaran'i Kristy tany an-danitra, dia nanambara ny mpianatra fa mbola tsy azon'izy ireo tsara na nanaiky ny fanazavana nomeny azy ireo. Noho izany dia nanontany an'i Jesosy indray ny mpianany: « Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hœ: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? » (Asan'ny Apostoly 1:6)

« Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] » (Asan'ny Apostoly 1:7)

 

Zava-dehibe ny manamarika fa folo andro monja taorian izay dia niorina ny fiangonan 'ny Testamenta Vaovao (Asa. 2: 1). Ka nahoana ary i Kristy no nilaza hoe "Tsy anjaranao ny mahafantatra ireo fotoana na vanim-potoana" raha toa ka Fanjakan'Andriamanitra ny Fiangonana? Ary tamin'izany andro izany dia niorina avy hatrany ny fiangonana taorian'ny niakarany, (tamin'ny Pentekosta), folo andro taorian'ny resaka nifanaovany tamin'ny mpianany.

 

Toy izany koa, ankehitriny, tsy misy afaka milaza marina ny fotoana hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra; nefa, na izany aza, dia azo fantarina ihany ny fotoana mety hahatongavan’izany amin’ny alalan’ireo famantarana nomen’i Kristy. Jesosy dia nilaza toy izao teo am-pamaranana ilay faminaniana momba ny andro farany sy ny fiaviny indray: « Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany] » (Matio 24:33)

Ny faminaniana momba ny andro farany sy ny fiavian’i Kristy dia voalaza koa ao amin’ny Lioka 21: 25-31.

 

Ankoatr’izany, dia tian’I Jesosy Kristy koa ny hahafantaran’ny mpianany momba ny Fanahy Masina, ka hoy Izy: « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)

 Na izany aza, ny Fanjakan'Andriamanitra dia tsy mbola niorina teto an-tany. Toy izany koa, izay rehetra niova fo ankehitriny dia tokony hanana fahatakarana mazava ny fahamarinana toa izany. Tsy fantatsika hoe rahoviana no hiverina i Kristy; na izany aza, fantatsika fa ho avy ny fanjakany; ary ny fahalalana toy izany dia manome hery antsika hitombo ara-panahy sy handresy an'i satana; manome aingam-panahy antsika koa izany hitory ny Filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra mandra-piverin'i Jesosy.

 

NY EZAKA ATAON’NY OLONA TSY MAHAPETRAKA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

 

Ny tena kristiana dia tsy nantsoina hanandrana "hanatsara an'izao tontolo izao", na "mitady fomba hametrahana ny fanjakan'Andriamanitra eto ambonin'ny tany". Fa nomen'Andriamanitra ho an'ny tongony kosa ny "Filazantsara fiadanana", izay mahatonga azy ireo ho tia ny olombelona rehetra. Ny tena kristiana dia miatrika fiainana miaraka amin'ny fahalalana ny "Filazantsara marina" notorin'i Jesosy Kristy, izay miorina amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny Filazantsara marina dia manome azy ireo ny zavatra ilaina rehetra eo amin'ny fiainan'ny olombelona; noho izany dia mifikitra amin ireo fitsipika sy didin 'Andriamanitra izy ireo. Ny tena kristiana dia mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra ary fantatr'izy ireo fa ho avy izany. Fantatr'izy ireo ihany koa izay hiandry izao tontolo izao amin'ny farany. Ny Kristianina marina dia tsy hanova ny lalàny sy ny didin'Andriamanitra mihitsy. Ankoatr'izay, ny tena kristiana dia tsy manompo eo ambany sainam-pirenena, ary tsy mitady ny ho mpitarika eo amin'ny fitantanana ny tontolo ankehitriny. Tsy handray anjara amin'ny vonoan'olona sy ny ady tsy mitombina izany izay mitranga amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao (Efesiana 6:15). Raha fintinina dia tena mifantoka betsaka amin'ny fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra ny tena kristiana marina.

 

Betsaka ny kristiana matetika tsy manaiky hanatanteraka sy manaraka izay nandidian'i Kristy azy; nefa lazain'izy ireo fa "mampiely ny Fanjakan'Andriamanitra" izy ireo. Izy ireo dia sahy manamavo sy mandà ny drafitry ny famonjen'Andriamanitra, ary io toe-tsaina io dia mampiseho fa tsy hahavita hifehy ny olona rehetra ny zanak'olombelona.

Mariho ny antony nanoratan'i Paoly hoe: « Satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.  « Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjò azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. » (1Tesaloniana 5:2-4)

 

Na iza na iza mahatakatra ny fahamarinan’ny Baiboly, izay hazavain’ity bokikely ity, dia tsy ho ao amin'ny "haizina", satria hanana fahalalana tsara momba ny "hery" maha-olombelona "sy ny drafitr'Andriamanitra. [ny olombelona tsy manam-paharoa = "herin'olombelona mahagaga, tsy manam-pahalalana na tsy mampino, izay hatolotra azy rehefa tonga ny fotoana."]

 

Raha mampahatsiaro ny Isaia 52:7 i Paoly, dia nilaza hoe: « Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! » Eo amin’ny andininy faha 16 amin’ny Rom. 10, izy manohy ny an-dalana avy ao amin’ny Isaia: « Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isaia 53:1.) [*Na ny Filazantsara] »

 

Marina tokoa fa ny ankamaroan'ny olona dia tsy mino ny Tenin'Andriamanitra izay mahakasika ny sivilizasiona ho avy. Tsy mino ny olona fa ny herin'olombelona dia tsy afaka mitazona ny filaminana eo amin'ny vahoaka. Maro no mihiaka hoe: « Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona! » (Jeremia 6:14; 8:11-14-15), ary ny ankamaroany dia mbola manam-paharetana mino sy manantena ny filazantsara diso notorina taminy na dia efa miatrika tsy fahombiazana lehibe aza izy ireo.

 

Ny Kristiana mirazotra eto amin’izao tontolo izao manohy sy misasatra amin’ny fanandramana mametraka ny Fanjakan’ Andriamanitra, sy ny Filaminana Manerana Izao Tontolo Izao amin’ny alalan’ny ezak’izy ireo. Ireo mpitondra fivavahana voafitaka manohy misarika azy ireo, milaza fa « adidin’ny Kristiana izany ». Maro mihitsy aza no manao izany ho asa voatokana ho an’ny ministeran’izy ireo. Olona an-tapitrisany maro no mitady hatraiza hatraiza ny fiadanana, ny fahampiana, ny filaminana ary ny fiarovana. Tsy ho ela akory, dia tena ho diso fanantenana mihitsy izy ireo. Ny anton’izany dia ny zava-misy amin’izao tontolo izao, izay mitondra antsika mankany amin’ny vanim-potoana mandoza farany maneran-tany, ary mbola mitombo amin’ny faharatsiana vao hivoatra amin’ny tsara, raha hety.

« Ho Tonga Anie Ny Fanjakanao »

 

Zatra manao ilay vavaka antsoina hoe « Vavaka nampianarin’ny Tompo » (na hoe Rainay any an-danitra) ny sasan-tsasany amin’ny olona. Maro ny olona mahavita mitanisa tsian-jery izany vavaka izany tsy misy ezaka akory, satria tsy azon’izy ireo fa napetraka ho modely fanaingana ny fanahy ihany izany. Fony mbola efatra taona aho dia nahay ilay vavaka. Izy dia manomboka amin’ny hoe « Rainay izay any an-danitra ! Hohamasinina anie ny Anaranao; ho tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra… » (Mat 6:9-10). Io vavaka fohy io dia mitohy amin’ireo andininy telo manaraka.

 

Nefa, firy amin'ireto an-tapitrisany ireo, izay mahalala sy mitanisa ilay vavaka no mieritreritra ilay andian-teny hoe "Ho tonga ny fanjakanao", sa "Ny sitraponao hatao eto an-tany?" Nandritra ny 2000 taona mahery dia maro ny olona izay nanandrana nanaiky ny fitarihan'i Kristy ary "nivavaka ho an'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy", tsy nieritreritra ny dikan'ny faran'izay kely indrindra fa ny fehezan-teny sarobidy indrindra ao amin'ny vavaka. Eny, tsy mbola eto an-tany ny fanjakan'Andriamanitra; koa mivavaha mba ho tonga izany!

 

Efa noeritreretinareo ve  izany?

 

Ao amin'ny andininy tsy lavitra loatra, ao amin'io toko io ihany, dia nilaza i Kristy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany; ary hanampy anao izany rehetra izany. (Matio 6: 33).

 

Ao amin'ny andininy manaraka izay tsy mifanalavitra amin'izany, fa ao anatin'io toko io ihany, i Kristy dia nanampy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany; ary hanampy anao izany rehetra izany. (Matio 6: 33).

 

Ny kristiana dia tokony hikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany mihoatra ny zavatra hafa rehetra amin'ny fiainany andavanandro. Saingy ahoana no fomba itadiavany izany raha tsy fantany ny dikany sy ny lanjan’izany - na rahoviana hapetraka io - na ny fiantraikan'ny fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Ankoatr'izany, iza no mpanjaka ao amin'ny fanjakana, iza ny vahoaka, inona no fitsipika sy lalàna mifehy ny olom-pireneny, ary aiza no hametrahana azy.

Fantatrao izao ny zava-drehetra momba izany!

 

Fehiny: Azo Antoka fa ho Tonga ny Fanjakan'Andriamanitra

 

Ireto misy sombin-dahatsoratra vitsivitsy nalaina tao amin'ny bokin'i M. Herbert W. Armstrong: "Inona ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?” Tamin'ny taona 1914 no nanomboka ny korontana eran-tany rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany. Avy eo, nisy fotoana nilamina nanomboka tamin'ny 1918 ka hatramin'ny 1939. Ankehitriny, izao tontolo izao dia miaina amin’ny vanim-potoana fampitsaharana ady fanindroany.

Na izany aza, dia efa eo ampelatanan’ny olombelona ankehitriny ny hery niokleary. Misy tahiry famokarana herinaratra marobe, izay hahafahana mandripaka ny mponina rehetra eto ambonin'ny tany. Ankehitriny dia misy fitaovam-piadiana roa hafa afaka mamono ny olombelona rehetra eto ambonin'ny tany.

 

Ny mpahay siansa malaza manerana izao tontolo izao dia mino fa ny fananganana governemanta iraisana ihany no hahasakana ny fifandripahan'ny olona. Na izany aza, ny olona dia tsy mbola afaka nanangana governemanta tokana ho azy ireo, satria ny olombelona dia tsy te hanaiky izany.

 

Noho izany, izao no fotoana hiatrehana ny olana tahaka izay misy eto amintsika ankehitriny; ary mba hamahana ny olana, dia misy safidy roa eo anoloantsika:

 

1) Na isika manaiky ilay ANDRIAMANITRA MATANJAKA, izay ho tonga mialoha mametraka ILAY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA sy hanjaka amin’ny fokom-pirenena rehetra, manana TANJAKA mihoatra ny herin’olombelona sy maneran-tany, ary hametraka ny FANDRIAMPAHALEMANA,

2) Na isika manaiky ny haharipaka ny olombelona rehetra. (Matio 24:22)

RAHA ny mpitondra fivavahana diso làlana, (izay mino fa ny FIANGONANA no FANJAKAN’ANDRIAMANITRA) no manana ny marina, ary raha tsy misy Fanjakana manerantany, izay mahery noho ny herin'ny zanak'olombelona, hatsangana amin'ny Fanjakan'Andriamanitra izay hoavy, dia tsy hisy intsony ny fanantenana ho an'ny olombelona. Ny olombelona rehetra dia atahorana ho ringana sy ho lany tamingana.

 

Fa tadidio izay nolazain'i Jesosy Kristy, RAHA AFAKA MINO AZY HIANAO (Lioka 4:43; Marka 1:15; Marka 16: 15-16):

« Fa hoy Jesosy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. » (Lio. 4:43)

« Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Marka 1:15)

« Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:40)

« Hoy Jesosy taminy: ‘Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.’ » ( Jaona 11:25-26)

« Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:54)

« Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra » (Marka 16:15)

« Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina » (Marka 16:16)

ð  Izay mino ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy mibebaka ka atao batisa amin’ny rano sy ny Fanahy Masina no ho vonjena hiditra ao rehefa miverina Jesosy Kristy!

Aiza àry no ametrahanao ny finoanao? Ao amin'ny tenin'Andriamanitra ve? Sa ao anatin'ny fampianarana tsy misy dikany sy mamitaka ary mivavaka amin'ny antsoina hoe "Kristianisma" - izay avy amin'ny antsoina hoe "kolontsaina kristiana", izay milaza fa ny FIANGONANA no Fanjakan'Andriamanitra, na ny Fanjakan'Andriamanitra dia tsy inona fa ny fahatsapana hafahafa sy tsy misy dikany "ao am-pon'ny olona"? Tonga ny fotoana hamantaranao hoe iza marina no mpaminany sandoka sy antikristy, ary iza no tena mampianatra ny tena Tenin'Andriamanitra!

 

Fisaorana: « Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. » Amena. (Apokalypsy 5:13)

 

Fiangonan'Andriamanitra Miray - FIAMI

UCG MADAGASCAR

FARITRA AFRIKA ATSINANANA

Mitory ny Filazantsara

Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra

Manomana ny Ankohonan'Andriamanitra

Miaraha mivavaka aminay

fiangonanandriamanitra@gmail.com

Antananarivo, Madagascar

Popular posts from this blog

Ahoana no hanoherana ny fanangolen'i Satana sy ny fahotana?

Sinay

Misy ve Andriamanitra? Porofo 7 fa misy Andriamanitra

Kristianisma - Fomba Fiainana

Ahoana no ahafahako mampianatra ny didy folo amin’ny zanako?