Skip to main content

Ahoana no hanoherana ny fitaoman-dratsy ataon'i Satana?

 

AHOANA NO HANOHERANA NY FITAOMAN-DRATSY AVY AMIN'I SATANA DEVOLY? 

United Church of God (Feb 24, 2010)

Tombatombana amin'ny famakiana: 3 minitra
 

Lazain'Andriamanitra amintsika ao amin'ny Baiboly fa mamitaka an'izao tontolo izao i Satana devoly ary izy no mpitondra an'izao tontolo izao. Ahoana no ahafahantsika misoroka sy mandositra ny fitaoman-dratsin'i Satana?




Raha miezaka manatona an’Andriamanitra isika, dia tsy ho afaka hampanota antsika intsony Satana, fa handositra antsika izy.


Ahoana àry no ahafahantsika manatona an'Andriamanitra?

“Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo.” Tokony hiezaka mandrakariva hiala sy hanafoana tanteraka ny fomba fisainan'i Satana sy ny fitondrantenany amin'ny fiainantsika isika.


Fanalahidy hanoherana ny fitaoman-dratsy sy ny fakampanahy ataon'i Satana devoly


Fetsy sy mahery tokoa i Satana ka tsy misy olombelona mahomby amin’ny fanoherana ny fakampanahy ataony raha tsy misy fanampiana sy fanafahan'Andriamanitra azy. Noho izany ny lakilen'ny fanoherana ny devoly dia ny manakaiky am-pahatsorana ny fitarihan’Andriamanitra, mampiasa ireo fiadian’Andriamanitra, ary ny mitoetra amin’ny fanatrehany isanandro.

1. MIBEBAHA!


Ny dingana voalohany atao dia ny famelana an'Andriamanitra hanasa ny saintsika ho afaka amin'ny fitaoman-dratsy ataon'i Satana. Izany dia atao amin'ny alàlan'ny fanekena ny fahadisoana sy ny fahotantsika ary ny fibebahana sy fialàna amin’izany. Ny Soratra Masina dia mampitaha izany fiovana lehibe sy fialàna amin'ny fomba fisainan'i Satana izany amin'ny fitsanganana amin'ny maty (Efesiana 2: 1-3).


2. MANEKE AN'ANDRIAMANITRA.


Rehefa mibebaka marina sy mankatò an'Andriamanitra amin'ny fo isika dia manomboka mandray ny Teniny ary mankatò ny torolalany sy ny didiny. Manaraka izany, ny Teniny, ny Soratra Masina, dia manadio ny saintsika, manasa antsika ho afaka amin’ny eritreritra ratsy sy izay rehetra nanosika antsika hanota. Izay rehetra mibebaka marina - izay manolo-tena amin'ny fony manontolo hanao ny sitrapon'Andriamanitra ary mino an’i Jesosy Kristy sy manaiky hatao batisa no hahazo ny Fanahy Masina.

Raha vonona marina hanohitra an'i Satana ianao, ary tapakevitra hanolo-tena ho an'Andriamanitra, dia mamporisika anao izahay hanantona mpanompon’Andriamanitra eto amin"ny Fiangonana, izay afaka hifanakalo hevitra aminao sy hampahafantatra anao be be kokoa momba ny fibebahana sy ny batisa.


Andeha anie hojerentsika ny fitiavan’Andriamanitra antsika! Jesosy Kristy dia miahy izay mitady Azy ary miasa Izy mba hanafahany ny fo sy ny saintsika amin’ny fitaoman-dratsy sy fakampanahy: “Kristy dia tia ny fiangonana ka nanolotra ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.” (Efesiana 5: 25-27).

Ny Tenin'Andriamanitra no fitaovana ampiasain'i Kristy — amin'ny alàlan'ny herin'ny Fanahy Masina — mba hanadiovana ny fisainantsika ho afaka tanteraka amin’ny fitaoman-dratsy ataon'i satana sy ny fahotana rehetra, raha mino sy mitandrina tsara izay lazainy isika.


3. TAFIO AVOKOA NY FIADIAN'ANDRIAMANITRA.


Inona no azontsika atao hanoherana ny ezaky ataon’ny devoly --izay fanahy ratsy eny amin’ny rivotra-- hitaona antsika hanota? Eto koa, Andriamanitra dia manome fiarovana feno ho antsika: "Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.” (Efesiana 6: 10-13)


Paoly dia mitanisa ireo fitaovam-piadiana ara-panahy mahomby omen'Andriamanitra antsika. Ny fiarovana omen'Andriamanitra ny mpanompony dia ampitahainy amin'ny "fehikibo fahamarinana eo amin'ny valahana" sy "fiarovan-tratra fahamarinana" (Efesiana 6:14). Ny kiraro dia fitaovana iray hahazoana fiadanana amin’ny fahavononana tsara hitory ny filazantsaran'ny fihavanana" amin’ny olona rehetra (Efesiana 6:15). Ny ampinga kosa indray dia ny finoana an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany, izay hery lehibe hahafahantsika mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan'ilay ratsy" (Efesiana 6:16).


Ny fanapahan-kevitr'izy ireo dia eo ambany fiarovan'ny "fiarovan-dohan'ny famonjena" (Efesiana 6:17), izay manome toky fa rehefa maharitra amin'ny fanompoana sy mitandrina ny tenin'Andriamanitra dia hahazo fiainana mandrakizay. Ny fitaovam-piadiana iray izay hahazona manapaka ny kofehy famatoran’i satana sy ny filozofiany dia ny "sabatry ny Fanahy”, na ny tenin'Andriamanitra" (Efesiana 6:17).
 

4. MAZOTOA MIANATRA BAIBOLY SY MIVAVAKA ISAN'ANDRO.


Ary farany, hoy i Paoly: "mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra" (Efesiana 6:18).


Raha raisintsika sy ampiasaintsika avokoa ireo fanalahidy sy fiadian’Andriamantra ireo, dia ho afaka tanteraka amin’ny fakampanahy isika ka tsy hanana fahefana hampanota antsika intsony i devoly Satana.

Popular posts from this blog

Ahoana no hanoherana ny fanangolen'i Satana sy ny fahotana?

Misy ve Andriamanitra? Porofo 7 fa misy Andriamanitra

Sinay

Kristianisma - Fomba Fiainana

Ahoana no ahafahako mampianatra ny didy folo amin’ny zanako?