Nahoana isika no tsy mahalala ny antony namoronan’Andriamanitra antsika sy ny fikasany?
Ny hadalan’ny olombelona, raha ny fomba fijery ara-baiboly, dia tsy fahadalana fotsiny, fa toe-javatra lalina mahatonga ny fisarahana amin’ny Mpamorona antsika. Ny antony dia ny fo maditra izay manandratra ny sain’olombelona ho ambonin’ny fanambaran’Andriamanitra. Araka ny filazan’ny Romana 1:22 amin’ny fomba hentitra hoe: “Nihambo ho hendry izy, dia tonga adala”. "Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, — Romana 1 : 22
Izany hadalana izany dia miseho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny zavaboary — toy ny natiora, na harena, na foto-pisainana, sy ny fanovana irro fotoam-pivavahana voatendrin’Andriamanitra sy lalàn’Andriamanitra — ka noho ixany dis tsy Ilay Jehovah Andriamanitra Mpamorona mihitsy no ankatoaviny sy homena voninahitra, fa andriamani-kafa ( Romana 1:22-27 ).
“Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy; ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.” — Romana 1 : 22 - 27
Inona no vokatry ny hadalan'olombelona?
Fandringanana sy Fahafatesana ary fahasimbana ny vokatry ny fahadalan’ny olombelona satria tafasaraka amin’Andriamanitra izy. Ny antony dia satria noho ny fandavana ny didin’Andriamanitra sy ny fomba fiainany dia tonga maizina ny saina ary maloto ny fo, ka miteraka korontana eo amin’ny fiaraha-monina izany, ary endriky ny tsi-fitiavana an’Andriamanitra. ( Romana 1:28-32 ).
“Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, ka dia feno ny tsy fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,- mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [*Na: mpankahala an'Andriamanitra] tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.” — Romana 1 : 28 - 32
Tena fahadalana eo imason’Andriamanitra ny fiheverantsika tena ho hendry, sady fiavonavonana sy fikomiana Aminy ny toy izany, ary mitaky ny fitsaran’Andriamanitra izany. Adama sy Eva, rehefa nifidy ny hihinana ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia nanota ary nahazo ny olombelona rehetra ny ozon’ny fahafatesana. Ny fiheveran-tena ho hendry mihoatra an’Andriamanitra no mahatonga ny fandikan-dalàna. Ny mpanota tsy mibebaka dia hanana anjara fahafatesana faharoa sy fandringanana. ( Salamo 9:17 ).
“Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsy hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra. [*Hebreo: Sheola]” — Salamo 9 : 17
Inona no tokony hataontsika mba ho hendry kokoa?
Mba hialana amin’ny fahadalana dia tokony hibebaka iiska, ary haneho fanetren-tena sy fahamarinana ary ny finoana ny tenin’Andriamanitra.
Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia tsy maintsy:
1️⃣ miaiky amim-pahatsorana ny fahotantsika ary mibebaka amin'izany,
2️⃣ manaiky amim-panetren-tena fa voafetra ihany ny fahalalana nomen’Andriamanitra antsika,
3️⃣ manorina ny finoantsika amin’ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy amin’olombelona.
“Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana.” ( Ohabolana 1:7 ).
Ny fitaky ny menarana no nanosika an'i Eva handika ny didin’Andriamanitra, ary izany no nahatonga ny fahoriana sy ny fahafatesana teo amin’ny olombelona. Ialao ny fahadalana, ary andeha hangataka ny herin’Andriamanitra hahaizantsika mankatoa ny didin’Andriamanitra rehetra ary manorina ny finoantsika amin’ny Tenin’Andriamanitra velona sy ny fikasany mandrakizay ho antsika.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. — Jaona 14 : 6
Mangataha mba hahazoanao maimaim-poana ny bokikely mitondra ny lohateny hoe “Ny Fikasan’Andriamanitra ho an’ny Olombelona” mba hahazoana mandalina io lohahevitra io.
