Skip to main content

Inona no Mahatonga ny Olona Misafidy ny Tsy Hihaino An’Andriamanitra, ka Mandeha amin’ny lalany?

Inona no Mahatonga ny Olona Misafidy ny Tsy Hihaino An’Andriamanitra, ka Mandeha amin’ny lalany?



Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia nanome didy maro maro nataony hotandreman’ny vahoaka izay nofidiany. Ireo Didy Folo dia voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Genesisy 20. Ny lalana momba ny fety masin’Andriamanitra kosa Dia voarakitra ao amin’ny Levitikosy 23, Nomery 24-26, ary Deoteronomia 16.


Andeha aloha hojerentsika ny momba ny Sabatany.  Ny Sabata dia andro fahafito amin’ny kalendrie masin’Andriamanitra, ary ny Alahady kosa no andro voalohany amin’ny herinandro. 


  1. Didin’Andriamanitra ny fitandremana ny Sabata andro fahafito


Ny andro Sabata dia nosinganin’Andriamanitra manokana amin’ireo andro hafa amin’ny herinandro. Andro fitsaharana sy hanaovana fivoriana masina ny Sabata. Famantarana do amin’Andriamanitra sy ny vahoakany ny Sabata. Andeha hojerentsika ny sasany amin'ireo filazana momba ny fitandremana ny andro Sabata voarakitra ao amin’ny Baiboly:


 1. Tsarovy ny andro Sabata hanamasina azy.  ( Eksodosy 20:8 ).

 2. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra, fa Sabata ho an'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito.  Aza manao raharaha akory ianareo;  ( Eksodosy 20:9-10 ).

 3. Fa famantarana ho amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany, fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka namelombelona.  ( Eksodosy 31:17 ).

 4. Tandremo ny andro Sabata hanamasina azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao.  ( Deoteronomia 5:12 ).

 5. Aza mandrehitra afo na inona na inona fonenanareo amin'ny andro Sabata.  ( Eksodosy 35:3 ).


Araka izany, ireo didy ireo dia manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny andro Sabata ho “andro fitsaharana” sy fitsaohana an’Andriamanitra, na hanaovana “Fivoriana Masina” hanomezam-boninahitra Azy, ary mariky ny fanekempihavanana misy eo amin’Andriamanitra sy ny olony izany. Izay ilay hoe “Famantarana” ny Sabata. 


  1. Didin’Andriamanitra ny amin’ny andro firavoravoana 7 isan-taona


Nandidy ny mpanara-dia azy Andriamanitra mba hankalaza fety 7 amin’ny fotoana notendreny avy isan-taona. Ireo andro masina fito ireo dia andro fitsaharana sy hanaovana fivoriana masina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Ireo ilay antsoina hoe “andro firavoravoana Voatendrin’i Jehovah”, Sabata lehibe” 7 ao amin’ny planina mahagaga nataon’i Jehovah. 


Ankoatry ny Sabata (andro fahafito, fitsaharana sy fivoriana masina), Jehovah Andriamanitra dia nandidy andro 7 hiravoravoana sy hitondrana fanatitra eo anatrehany. 

(1) Ny andro voalohany fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira (16 Abiba) (ampitson’ny Paska, 15 Abiba),

(2) ny andro fahafito amin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira (22 Abiba),

 (3) ny Pentekosta (fetin’ny voaloham-bokatra, andro faha-50 isaina manomboka ny ampitson’ny Sabata amin’ny MTMM), 

(4) ny Fetin’ny Trompetra (1 Etanima),

 (5) ny Yom Kippur (na Andro Fanavotana, 1 Etanima), 

(6) ny Sokota (andro voalohany amin’ny Fetin’ny Tabernakely, 15 Etanima),

 (7) ny andro fahavalo na andro lehibe farany (21 Etanima). 


Nandidy ny olony Andriamanitra mba hankalaza ireo fety ireo ho fomba iray hahatsiarovana ireo zava-nitranga manan-danja teo amin’ny tantarany sy hifandraisana Aminy amin’ny fanompoam-pivavahana, firavoravoana, sy ny fanateram-panatitra.


  1. Antony 5 Mahatonga ny Olona Misafidy ny Tsy Hihaino An’Andriamanitra, ka handeha amin’ny lalany 


 Mety misy antony maro mahatonga ny olona hifidy ny tsy hihaino an’Andriamanitra sy handeha amin’ny lalany.  Anisan'ny mety ho antony ireto manaraka ireto:


 1 Tsy mino an’Andriamanitra: Misy olona tsy mino an’Andriamanitra na misalasala ny fisiany, ka tsy miraharaha ny toroheviny.


 2 Feno Avonavona: Mety hirehareha na hiavonavona loatra ny olona ka tsy hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra, mihevitra sy mino fa mahalala kokoa noho Andriamanitra izy ireo.


 3 Faniriana hifehy: Mety ho aleon’ny olona sasany hifehy ny fiainany, ny ankohonany, ny vahoakany, araka izay heveriny ho fahalalany marina, na dia tsy mifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny Baiboly akory aza izany. Toy ny nataon’i Adama sy Eva fahiny ihany izany, rehefa nisafidy ny hihinana ny voan’ny hazo fahalalana Izy ireo, izay tsy araka ny fikasan’Andriamanitra ho azy, fa araka ny feon’ilay menarana ela. (Genesisy 2-3)


 4 Fakam-panahy: Mety hitarika ny olona hiala amin’ny fampianaran’Andriamanitra sy ny tari-dalan’Andriamanitra, ny fitaoman’ny fahafinaretan’izao tontolo izao sy ny zavatra mahavarimbariana, dia ny filan’ny mofo, ny filan’ny maso, ary ny rehaka momba izao fiainana izao. (Genesis 2-3, 1Jaona 2:16)


 5 Tsi-fisian’ny fahalalana: Mety tsy mahazo mihitsy na tsy mahatakatra an-tsaina amin’ny fomba feno ny hafatr’Andriamanitra ny olona sasany, ka mahatonga azy ireo tsy miraharaha na manaiky mandà izay voalazan’Andriamanitra momba izany. Ny tsi-fisian’ny fahalalana no mahatonga ny olona maro handa ny fahalalana, ka efa izany no mampitombo ny tsi-finoana (Hosea 4:6)


 Farany, mety hiovaova ny antony mahatonga ny olona tsy hihaino na tsy hino ny Tenin’Andriamanitra, kanefa zava-dehibe ny mahatsiaro fa Andriamanitra dia manolotra fitarihana sy fitiavana ary fanohanana ireo izay misafidy ny hanokatra ny fony sy ny sainy Aminy, ka haneho ny finoany an’Andriamanitra amin’ny fankatoavana.


  1. Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.


Salamo: 47:2 

Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.

 

Eksodosy: 19:5 

“Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.”

Eksodosy: 19:6 

“Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo… “


Asan’ny Apostoly: 5:29 

Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.


Popular posts from this blog

Ahoana no hanoherana ny fanangolen'i Satana sy ny fahotana?

Misy ve Andriamanitra? Porofo 7 fa misy Andriamanitra

Sinay

Kristianisma - Fomba Fiainana

Ahoana no ahafahako mampianatra ny didy folo amin’ny zanako?