Fandresena ny fanahin’i Satana
5 Oktobra 2022, nataon'i John May, United Church of God.
Ny Kristianina dia mila miatrika ady ara-panahy isan'andro, ary ny fandresena ny fanahin’i Satana dia ady mitohy isan’andro. Izany ady izany dia mitaky ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny “fiovam-po, fiovam-pitondrana sy fanovana toe-tsaina eo amin’ny fiainana kristiana”, toy izao manaraka izao:
- Tsy maintsy mankatò ny tenin’Andriamanitra isika. (Matio 5: 18-20)
- Tsy maintsy mikatsaka ny fahamarinana isika. (Matio 6: 33)
- Tsy maintsy mampiseho fanetren-tena isika. (Lioka 18: 9-14)
- Tsy maintsy manaiky ny fanafahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorona nataon'i Jesosy Kristy isika. (Asa 20: 28)
Fanoharana Nataon'i Jesosy Momba Ilay Fariseo sy Mpamory Hetra
Ny fanoharana momba ilay fariseo sy mpamory hetra nataon'i Jesosy no hianarantsika ny fomba fivavahana halan'Andriamanitra sy izay ankasitrahan'Andriamanitra.
Lioka 18: 9. Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa; 10. Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra. 11. Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza. 12. Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho. 13. Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. 14. Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.