Nahoana isika no tsy mahalala ny antony namoronan’Andriamanitra antsika sy ny fikasany? Ny hadalan’ny olombelona, raha ny fomba fijery ara-baiboly, dia tsy fahadalana fotsiny, fa toe-javatra lalina mahatonga ny fisarahana amin’ny Mpamorona antsika. Ny antony dia ny fo maditra izay manandratra ny sain’olombelona ho ambonin’ny fanambaran’Andriamanitra. Araka ny filazan’ny Romana 1:22 amin’ny fomba hentitra hoe: “Nihambo ho hendry izy, dia tonga adala”. "Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, — Romana 1 : 22 Izany hadalana izany dia miseho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny zavaboary — toy ny natiora, na harena, na foto-pisainana, sy ny fanovana irro fotoam-pivavahana voatendrin’Andriamanitra sy lalàn’Andriamanitra — ka noho ixany dis tsy Ilay Jehovah Andriamanitra Mpamorona mihitsy no ankatoaviny sy homena voninahitra, fa andriamani-kafa ( Romana 1:22-27 ). “Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahak...