Nahoana isika no tsy mahalala ny antony namoronan’Andriamanitra antsika sy ny fikasany? Ny hadalan’ny olombelona, raha ny fomba fijery ara-baiboly, dia tsy fahadalana fotsiny, fa toe-javatra lalina mahatonga ny fisarahana amin’ny Mpamorona antsika. Ny antony dia ny fo maditra izay manandratra ny sain’olombelona ho ambonin’ny fanambaran’Andriamanitra. Araka ny filazan’ny Romana 1:22 amin’ny fomba hentitra hoe: “Nihambo ho hendry izy, dia tonga adala”. "Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, — Romana 1 : 22 Izany hadalana izany dia miseho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny zavaboary — toy ny natiora, na harena, na foto-pisainana, sy ny fanovana irro fotoam-pivavahana voatendrin’Andriamanitra sy lalàn’Andriamanitra — ka noho ixany dis tsy Ilay Jehovah Andriamanitra Mpamorona mihitsy no ankatoaviny sy homena voninahitra, fa andriamani-kafa ( Romana 1:22-27 ). “Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahak...
Inona no Mahatonga ny Olona Misafidy ny Tsy Hihaino An’Andriamanitra, ka Mandeha amin’ny lalany? Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia nanome didy maro maro nataony hotandreman’ny vahoaka izay nofidiany. Ireo Didy Folo dia voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Genesisy 20. Ny lalana momba ny fety masin’Andriamanitra kosa Dia voarakitra ao amin’ny Levitikosy 23, Nomery 24-26, ary Deoteronomia 16. Andeha aloha hojerentsika ny momba ny Sabatany. Ny Sabata dia andro fahafito amin’ny kalendrie masin’Andriamanitra, ary ny Alahady kosa no andro voalohany amin’ny herinandro. Didin’Andriamanitra ny fitandremana ny Sabata andro fahafito Ny andro Sabata dia nosinganin’Andriamanitra manokana amin’ireo andro hafa amin’ny herinandro. Andro fitsaharana sy hanaovana fivoriana masina ny Sabata. Famantarana do amin’Andriamanitra sy ny vahoakany ny Sabata. Andeha hojerentsika ny sasany amin'ireo filazana momba ny fitandremana ny andro Sabata voarakitra ao amin’ny Baiboly: 1. Tsarovy ny andro...